Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Adity: (dity), mt. fit. (aditio): Entina mandity, izany hoe manakambana sy mandraikitra. Ahitsio
Adizaoza: a.: Anaran'ny vola-na fahatelo amin'ny filaharan'ny ran'ny volana malagasy merina, aorian'ny Adaoro ary alohan'ny Asorotany, ka ny toerana nomen'nY Ntaolo azy dia eo amin'ny lafin-drindrina atsinanana, ilany atsimo. Isan'ny tononandro mahery indrindra ny Adizaoza, ka ny zaza teraka amin'izany raha tsy alam-bintana dia mihozangozana. ~ Fanandr.: vavany, vodiny: raha vehivavy, maro anaka, fa malahelon-karena; raha lehilahy, malahelo. Ahitsio
Adizidizy: (dizidizy), mt. at. (adizidizio): Ahinjihinjy, adiridiry. Ahitsio
Adizina: (dizina), mt. at. (adizino): Moro mitsatoka tsara: Nadizin'ilay amboa mova tsy ny rano mifantsitsitra ny ram bo ny. Ahitsio
Adobebaka: (dobebaka), mt. at. (adobebaho): Atao malalaka ny vavany: Aza adobebakao ny vavan'io harona io. Ahitsio
Adobibika: (dobibika), mt. at. (adobibiho): Angonina, atao miavosa, avangongo. Ahitsio
Adoboka: (doboka), mt. fit. (adobohy): Entina mandoboka na mampisy feo lehibe re. ~ mt. at. (adobohy): Atao midoboka, maneno mikotrokotroka: Nadobok'ilay zaza ny amponga ka taitra ny manodidina. ? Asaina mijanona, mipetraka, mitoetra. Ahitsio
Adodadoda: (dodadoda), mt. at. (adodadodao): Arehitra be, aredareda. ~ Lanilanina foana,robarobaima. Ahitsio
Adodododo: (dodododo), mt. at. (adodododoy): Hafainganina. Ahitsio
Adofitra: (dofitra), mt. ot. (adofiro): Apoka, adona aminjavatra. Ahitsio
Adogaga: (dogaga), mt. at. (adogagao): Asaina miandry. Ahitsio
Adohàka: (dohaka), mt. at. (adohafy): Atao mangoboka sy mitrena. Ahitsio
Adokàdoka: a.: Avonavona aseho amin'ny fihetsiky ny Io-ha sy ny famindra, na amin' ny tomba fiteny mizahozaho na milohaloha. - t.i.f.: Aadokadoka / miadokadoka,fiadokadoka, mpiadokadoka ) iadokadohana, fiadokadohana. Ahitsio
Adoladola: (doladola), rat. at. (adoladolao): Araidraika, arona miankavia miankavanana. Ahitsio
Adona: (dona), mt. fit. (adonao): Entina mandons: Ilay vodihazo no nadonany ny loha iakana. ? mt. at.: Atao midona, mipoka, mipaika: Nadonany tamin'ny tamboho ny fiara raha nanao dia miverina izy. Ahitsio
Adonadona: a.: Avonavona aseho amin'ny fihetsika toa mirehareha, mieboebo, ka ny tongotra angadongadona, ny loha aanjonanjona ary ny fiteny atao somary hentitrentitra toa manambonimbony tena. ¶ M.h.: rehareha, lanialanja loha, fieboeboana der. Adokadoka). - t.i.f.: adonadona, adonadonina ) miadonadona, fiadonadona, mpiadonadona ( iadonadonana, fiadonadonana. Ahitsio
Adonadonana: (adonadona), mt. ih. (adonadony): Esoina, tsiratsiraina, vingavingaina. Ahitsio
Adonadonina: (adonadona), mt. ih. (adonadony): Tratrevatrevaina: Aza dia adonadonina toy izany ny anabavinao. Ahitsio
Adonaka: (donaka) mt. fit. (adonafy): Enti-mandonaka, manempotra amin'ny setroka: Afom-bozaka roa entana no nadonany anay tao anefitra ka sempotra daholo izahay rehetm. Ahitsio
Adongaingy: (dongaingy), mt. at. (adongaingeo): Atao midongaingy, izany hoe mikainkona mihaona amin'ny...: Nadongaingin'ny fitondranci entana ny lohan'i Rainiraoty ka zary niientika tao amin' ny lamosiny. Ahitsio