Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aempo: (empo), mt. at. (aempoy): Atao miempo: Aempo amin'ny afo malefaka ny sauoka. Ahitsio
Aendrikendrika: (endrikendrika), mt, fit. (aendriker}dreho): Entina manendrikendrika, manombotomboka, milaza ho natao izay tsy natao. Ahitsio
Aendrinendrina: (endrinendrina), mt. at. (aendrinendreno): Adalaina, lalaovina. Ahitsio
Aera: a.: Karazan'entona iainan'ny zavamananaina rehetra, ka ny fivoivoizan'io entona io no mahatonga ny rivotra: Aera mahamay no fohin'ny miaina, ka indreny ny biby fiompy ualabalaka mamonjy alokaloka...(A. Raj.) Ahitsio
Aesotra: (esotra), mt. at. (aesory): Esorina. Ahitsio
Aetry: (etry), mt. at. (aetreo): Atao tonga mietry, midina ambany, miletsy: Naetrin'ny horohoron-tany ny tanna tao Ananona. 1 Aidina ambany: Izay manambony tena dia haetry, fa izay manetry tena dia hasandratra Ahitsio
Aetsaka: (etsaka), mt. at. (aetsaho): Ahotsaka, akoa: Naetsaky ny riaka ny tany teto. Ahitsio
Aetsaketsaka: (etsaketsaka), mt. fit. (aetsaketsaho): Akapoka, ampiasaina hamelezana. Ahitsio
Aevanevana: (evanevana), mt. at. (aevanevano): Atao anelanelana, alatsaka afovoany. Ahitsio
Aevoka: (evoka) mt. at. (aevohy): Atao evoka: Vomanga aeuoka it? zaza voan'ny kitrotro Ahitsio
Aevotra: (evotra) mt. at. (aevoty): Aingaina, bataina. Ahitsio
Aezaka: (ezaka), mt. at. (aezaho): Henjanina, hinjirina. Ahitsio
Aezanezana: (ezanezana), mt. at. (aezanezano): Ajoro. Ahitsio
Aezinezina: (ezinezina), mt, at. (aezinezeno): Atao sady avo no ngeza. Ahitsio
Afa na Afana: ft. niavian'ny hoe: Miafa, Miafana (jereo ireo teny ireo). Ahitsio
Afa-tsy: ppk.: Ivelan'ny, ankoatra ny:'Tonga daholo ny mpianatra rehetra afa-tsy i Jaona kely. Ahitsio
Afadiditra: (fadiditra), rat. at. (afadidiro): Atao mifadiditra, mifanolana mafy. Ahitsio
Afaditra: (faditra), mi. fit. (afadiro):Ampiasaina hatao faditra, hanalana ny ratsy ataon' ny sasany: Ahitra ihany aza taloha dia ampy nafaditra. Ahitsio
Afafa: (fafa), rat. fit. (afafao): Entina hamafana: Nahoana no iny kifafa mtsy iny no afafanao ny trano? Ahitsio
Afafy: (fafy), mt. at. (afafazo): Enti-milaza ny vos atao fafy: Vary lava no nafafiko taona its?. ~ Enti-milaza rano atsipy amin'ny tanana ka mipariaka amin'ny zavatra na olona rehetra manodidina: Ra-no no nafafin'ny dadabe taminay raha nitso-drano anay izy. Ahitsio