Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Afantsona: (fantsona), mt. at. (afantsony): Atao fantsona, apetaka mba hanary rano. Ahitsio
Afaoka: (faoka), mt, fit. (afaohy): Entina mamaoka na manala loto amin'ny zavatra iray amin'ny alalan'ny lamba ampandalovina eo amboniny. Ahitsio
Afara: p. mt.: Aoriana: Ianao mandehana auy ao afara. Ahitsio
Afaraingo: (faraingo), (afarangoy), mt. at.:Atao mifaraingo. • mt. fit.: entina mandray, maka. Ahitsio
Afarango: (farango), rnt. at. (afarangoy): Ahantona, asarangotra. Ahitsio
Afararemotra: (fararemotra), mt. at. (afararemoty): Atao mifararemotra, miketronketrona, mifen-tsahona: Aza afaremotra toy izao it? tarehinao! Ahitsio
Afaratsaka: (faratsaka), mt. at. (afaratsaho): Atsipy, atoraka. Ahitsio
Afaritra: (faritra), mt. at. (afarito): Atao faritra. Ahitsio
Afaritsoka: (faritsoka), mt. fit. (afaritsohy): Entina mikapoka (karavasy). Ahitsio
Afatotra: (fatotra) mt. fit. (afatory): Entina mamatotra; afehy: It? tady it? afatotra io alika io. F? mt. cit.: Fehezina, asiana fatotra (izany hoe mitovy amin'ny fatorana ihany): Afatory ny alikanareo fa manaikitra. Ahitsio
Afatra: (fatra), rnt. at. (afaro): Jerena fatra, jerena habe: A-faro amin'ny sotro ny fanafody sotroinao. Ahitsio
Afatrâfatra: a. Fitomaniana mi-haro kiakiaka ary miaraka amin'ny fihetsika miankapokapoka, tsipatsipaka. - t.i.f.: miafatrafatra, fiafatrafatra, mpiafatrafatra 1 iafatrafarae, fiafatrafarana. Ahitsio
Afatratra: (fatratra), mt. at. (afatraro): Ampidirina an-kery, asisika, aletra: Afatraro ao anatin'io lasaka io daholo ireo boky ireo fa maika Ahitsio
Afefika: (fefika), rnt. at. (afefeho): Atao mifefika, miantsona: Nafefiky ny rivotra te-r? lauitra ny seranana ter? ny sambo. ~ mt. fit.: Entina mamely: Totohondry indroa miantoana no nafefiny ny tarehiko. Ahitsio
Afefy: (fefy) mt. fit. (afefeo): Entina mamefy: Bakakcly no nafefiny ny tanimboliny. Ahitsio
Afehy: (fehy), mt. fit. (afehezo): Entina mamehy, marnatotra: It? tady it? afehy ny entanao fa mafy Ahitsio
Afelika: (felika), mt, at. (afeleho): Atao miolaka, misafelika: Nafeliny tany an-damosina ny tanany nitana rotsakazo ka nanatona tsy nanana ahiahy Ikoto. Ahitsio
Afelipelika: (felipelika), mt. at. (afelipeleho): Atao miolikolika na mipelipelika tahaka ny rambon'alika. Ahitsio
Afempina: (fempina) mt. fit. (afempeno): Atampina. Ahitsio
Afenana: a.: Lanton-tanana: Ray nanoroka afenana: tsy misy ohatra an'i Malala. (o-hab.) Ahitsio