Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atody: (tody) mt. at. (atodio): Atao tonga an-tseranana: A-todio soa aman-tsara ny sambolainay, ry Tompo! Ahitsio
Atoetra: (toetra) mt. at. (atoero): Apetraka. Ahitsio
Atofantsika: (tofantsika) mt. at. (atofantsiho): Atao mibaraingo manao andohalambo, ahantsika, alantsika. ~ Asaina miandry ela: Natofantsiny teo an-tsena adiny telo a-ho. Ahitsio
Atofatofa: (tofatofa) mt. at. (atofatofao): Ahetsiketsika, ahofahofa (enti-milaza ny ta-ho tsofin'ny rivotra na ny volon-doha mitopatopa raha mihazakazaka). Ahitsio
Atofefika: (tofefika) mt. at. (atofefeho): Ahilana, araika, arona. Ahitsio
Atofezaka: (tofezaka) mt. at. (atofezaho): Avala tsy omenkanina. Ahitsio
Atofintofina: (tofintofina) mt. At0 at.: Atopatopa. Ahitsio
Atofotra: (tofotra) mt. at. (atofory): Apbka, addna. Ahitsio
Atohana: (tohana) mt. fit. (atohano): Atao tohana: Ity uato ity atohana ny varavarana. Ahitsio
Atohina: (tohina) mt. at. (atohino): Akasika. Ahitsio
Atohitra: (tohitra) mt. fit. (atohero): Entina manohitra: Moa manana basy aman-tafondro hatohitra ny fahaualo ve ianareo? Ahitsio
Atohoka: (tohoka) mt. at. (atohofy): Atao fefy.l Atao mipetaka, manakaiky tsara ka manjary mitehika mihitsy: Aza atohoka amin'ny voua ny siny fa andeha maka zinga F• Ampidirina, asesika betsaka ao am-patana: Kitay bozaka atohoka amin'ny fatana. Ahitsio
Atohy: (tohy) mt. at. (atohizo): Atao tohy: It? hazo ity atohy eo fa mafy ity. Ahitsio
Atoina: (ato) mt. ih. (atoy) na Aato der. io teny io),: Atao miato, tapahina, nefa ny A-ato no fampiasa kokoa. Ahitsio
Atoka: Atokatoka ft.: Enti-milaza fanondrehana ny loha ho marika fa ekena izay lazain'ny miresaka amin'ny te-na na marika enti-miantso. i Aatoka / miatoka, ffatoka, mpiatoka / fatohana, fiatohana / mahatoka. Ahitsio
Atokaka: (tokaka) mt. at. (atokakao): Atao mitolagaga. Ahitsio
Atokana: (tokana) mt. at. (atokàny): Atao amin'ny toerana iray mba tsy hifangaroany amin'ny hafa: Atokana ny ,marary hoditra hatraiza hatraiza ~ Tehirizina: Atokako hividianako fanaka ny ampahafolon'ny karamako isambolana. Ahitsio
Atokelaka: (tokelaka) mt. at. (atokelaho): Asaina mihomehy. Ahitsio
Atokiky: (tokiky) mt. at. (atokikio): Asaina mitorovoka, mitakoko. Ahitsio
Atoko: (toko) mt. at. (atokoy): Enti-milaza zavatra tsy alefa mitambatra be amin'izao, fa tsinjarazaraina ho antontany kely maromaro: Atokoy ny henanao, /tangahy fa tsy manam-bola hividianana an-kilaony aho. ? Zarazaraina: Atokoy dimy ireto mpianatra ireto. Ahitsio