Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atsoriaka: (tsoriaka) mt. at. (atsoriàho): Alefa handeha faingana: Atsoriàho hojerena it? fiarakodia kely kilalaonao it?. Ahitsio
Atsorofoka: (tsorofoka) mt. at. (atsorofohy): Asisika, atosika avy hatrany. Ahitsio
Atsororoka: (tsororoka) mt at. (atsororohy): Alefa hidina mahitsy mankamin'ny ambany. Ahitsio
Atsotaka: (tsotaka) mt. at. (atsotaho): Aiditra ao anaty zavatra ka misy feo heno amin'izany. Ahitsio
Atsotra: (tsotra) mt. at. (atsôry): Aampatra, atao mivelatra: Atsory ny tananao. Ahitsio
Atsotsotsotso: (tsotsotsotso) mt. at. (atsotsotsotsiiy): A-tao mitsotsotsotso, mamoaka feo toy ny an'ny vy mena mivaivay atao ao anaty rano. Ahitsio
Atsovaka: (tsovaka) mt, fit. (atsovàho): Entina manatsovaka, mandoro amin'ny rano mangotraka. Ahitsio
Atsy: p• mt.: Enti-milaza toerana akaikikaiky somary an-tsisintsisiny na tondroin-tanana izay tsy hita fa takona: Nisy feo nivoaka avy atsy anaty lobolobo atsy. Ahitsio
Aty: a.: Ny lehibe indrindra amin'ny glandy ao amin'ny tenan'ny olombelona, ao aamin'ny kibo, amin'ny hava-nana, miteraka ny antsoina hoe ranon'afero izay ilaina amin'ny fanovana ny sakafo ho mahavelona. • F,-p,: Tsinay homana aty: enti-milaza olona mamely ny havana akaiky, ny iray tam-po, ny ankohonana irai-sana. J Atin-kena: ny atin'ny omby, kisoa na ondry vonoina hohanina. Ahitsio
Aty: a: Ilazana toerana iray izay voafaritra ny manodidina azy: Madio ny atin'ity trano it? na dia maloto aza ny ivelany. - t.i.f.: Anaty. - F,-p,: Atim-bary: enti-milaza ny vary voatoto madio tsara. / Atin'andriana: ny taranak'andriana mahazo manjaka. ( Atin-damba: ny latin' ny lamba manolotra ny tena rehefa tafina; ny iforetan'ny sisiny. / Atin-kavana: ny havana akaiky. / Atin-kazo: ny fo sy votoatin'ny hazo. Ahitsio
Aty': p. mt.: Milaza toerana misy ny tena, fa malaladalaka kosa mitahy amin'ny Ato: Mahafinaritra ahy ny mipetraka at? ambanivohitra Ahitsio
Ava: ft: Enti-milaza fanesorana ny ahitra miara-maniry amin'ny voly. i t,tf.: Avana, voava 1 miava, fiava, mpiava i iavana, fiavana ( mahava. Ahitsio
Ava: a: Ambany; toerana idinan'ny rano mikoriana avy any ambony na "erà". Ahitsio
Avadiditra: (vadiditra) mt. fit. (avadidira) : Entina mamaditra, mandadina. Ahitsio
Avadika: (vadika) mt. at. (avadiho): Atao miamboho: A-vadiho ny lalimoara. 1 Atao ivelany ny ao anatiny: Navadiny ny zipony ka nihomehy daholo ny olona ? Aseho ny lafiny mbola tsy niseho: Avadiho amin'izay ny takelaka. 1 Iodinana: Nauadiky ny sakaizany izy. ? Afindra ho amin'ny fasan-drazana na fonosin-dambamena: Amin' ny herintaona no havadika i Dadatoa Ahitsio
Avaha: (vaha) mt. fit. (avahao): Entina mamaha. Ahitsio
Avahana: (avaka) mt. ih. (avaho): Sarahina: Avaho ny ondry sy ny osy. ? Atokana: Tokony havahana aloha ny voa hafafy Ahitsio
Avaika: (vaika) mt. at. (avaikao): Aatrana (basy). Ahitsio
Avainga: (vainga) mt. at. (avaingào): Akana didiny. Ahitsio
Avaka: a.: Fanasarahana, fampihatahana hitokana na hisaraka tsy hiray amin'ny hafa. i t.if.: Avahana, voavaka ) manavaka, fanavaka, mpanavaka / anavahana, fanavahana 1 miavaka, fiavaka, mpiavaka 1 iavahana, fiavahana / mahavaka. Ahitsio