Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Afolavat:(Htl) na Rombantsahona na Sangasanganandevolahy a: Zavamaniry kely mamoa menamena fanao tambavy mahay be fa sady mampavitribitrika no ody malemy valahana ary mana-la ny aretin-kihy; ny ranony mahafaka ny hao raha anasan-doha; mbola azo ampiasaina ho fandiovana ny fivalanandrano sy fampitomboana ny hatsembohana koa ny laingon'ny afolava madinika (Hyptis pectinata). Ahitsio
Afomanga: a.: Karazana tsipoapoaka be mitsoriaka miakatra rahefa ampirehetina ary mianjera misandrahaka mahafinaritra indray. - F. p.: Baia afomanga: fiadiana vaovao na karazan'aroplanina vaovao mitsoriaka haingana izaitsizy ohatra ny afomanga. Ahitsio
Afompotra: (fompotra), mt. at. (afompory): Lanina atao majifa tsy misy miangana: Nafompony ny loua nauelandrainy sy reniny. Ahitsio
Afon-draingy: a.: Afo azo amin'ny hazo ampifampikasohina. Ahitsio
Afonafona: a.: Fisafoahan-katezerana, haromotana. - t.i.f.: miafonafona, fiafonafona, mpiafonafona / iafonafonana, fiafonafonana. Ahitsio
Afonanahary: a.: Afonangatra na afondolo betsaka izay hi-ta toa mirefarefa amin'ny tany. Ahitsio
Afonangatra: na Afondolo a.: Afo voalaza ho avy amin'ny angatra na ny lolo. - F.-p.: Afondolo afonangatra: teny enti-milaza fianianana na fivoadivoadiana fa tsy hanao zavatra iray izay nahitana fahavoazana intsony: Afondolo afonangatra: tsy mba hisotro toaka intsony aho! Ahitsio
Afondrana: (fondrana), mt. fit. (afondrano): Entina mandoko menamena. Ahitsio
Afongana: (fongana), mt. at. (afongano): Atao raya tanteraka. Ahitsio
Afongatra: (fongatra), mt. at. (afongaro): Aseho, avoaka ho hitan'ny olona. Ahitsio
Afongo: (fongo), mt. at. (afon. goy): Asaina mijanona ao am-pandriana mirakotra tsara: Nafongon-dreniny tao am-pandriana Inaivo kely fa nanauy be. Ahitsio
Afongofongo: (fongofongo), mt. at. (afongofongoy): Asafoaka. Ahitsio
Afongotra: (fongotra), mt. at. (afongory): Atao fongotra, aripaka, aringana. Ahitsio
Afonjafonja: (fonjafonja), mt. fit. (afonjafonjao): Entina mambata, mamonjafonja. Ahitsio
Afono: (fono), mt. fit. (afonosy): Entina mamono, mandrakotra: Gazety no nafonony ny hena nouidiny. Ahitsio
Afonoka: (fonoka), mt. at. (afonohy): Asisika anatin'ny... Ahitsio
Afontina: (fontina), mt. at. (afonteno) : Averina amin'ny toerany teo aloha. Ahitsio
Afontsy: a: Karazan'akondro vaventy. Ahitsio
Afora: (fora), mt. fit. (aforao): Entina manapaka, mandidy ny zaza forana. Ahitsio
Aforano: a.: Tenan-javatra fantatra koa amin'ny anarany vahiny nogasina hoe "faosifaoro", izay misy ao anatin' ny taolana ary mety mirehitra. Ahitsio