Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Azafo: (Tan.) na Tsinkafonkafona a.: Zavamaniry famonoana voalavo; totoina rehefa maina, dia afangaro amin'ny lafarinina (Pistia stratiotes). Ahitsio
Azaoty: (fr. azote) a: Karazana gazy hita eo amin'ny zavaboary ka ilain'ny zavamananaina betsaka, na ny biby izany na ny zavamaniry. Ahitsio
Azary: (t. tr.) a: Vodka, mosavy. Ahitsio
Azavozavo: (zauozauo) mt. at. (azavozauoy): Atao somary matroka, somambisambY. Ahitsio
Azehy: (zehy) mt. fit. (azeheo): Entina manjehy, mandrefy amin'ny zehy. Ahitsio
Azera: (ka mietry na miletsy, na mihetsaka eo an-toerana eo no fianjerany): Nakoan' ny ranonorana ny tambohonay. • Adaboka: Nakoan-d-Rakoto ny tranony fa kely loatra, hono. Ahitsio
Azera: (zera) mt, at. (azerao): Adaboka, alavo, apotraka: Nazera ilay trano efa nivaua fa natahorana sao handratra ny mpandalo. 1 Avarina: A-zerao any an-kady any ny fa-tin 'io saka io. Ahitsio
Azevo: (zevo) mt. at. (azevoy): Atao mifangaro. Ahitsio
Azezika: (zezika) mt. at. (azezeho): Ampifanongoavina, avosa, avovona: Azezeho eto aloha ny entana rehetra. Ahitsio
Azidina: (zidina) mt. at. (azidino): Ajoro mahitsy tsy mihetsika. Ahitsio
Azidizidy: (zidizidy) mt. at. (azidizidio): Henjanina mafy. Ahitsio
Azihitra: (zihitra) mt. at. (azihiro): Tsy avala hihetsika. Ahitsio
Azihizihy: (zihizihy) mt. at.: Bontsinina. Ahitsio
Azimba: (zimba) mt. fit. (azimbào): Entina manazimba, manao tsinontsinona. Ahitsio
Azionjiona: (zionjiona) mt. at. (azionjiony): Avily tsy handeha mahitsy, avembena. Ahitsio
Aziriziry: (zihizihy) mt. at. (azirizirio): Aridiridy. ? Araikitra tsy ho afa-mihetsika. Ahitsio
Azo: mt. Lasa tompon-javatra: Azoko ilay loka lehibe. 1 Tratra, voasambotra: Azon'ny saka ny uoalauo. ~ Voan'ny...: Azon'ny tazo tany an-tsiraka tany izy. ~ Takatry ny saina: Sarotra loatra izany teny izany ka tsy azoko. 1 Voaray: Azoko anikeheo ilay taratasy nalefanao afakomaly. ? Ananana fahafahana manao: Tsy azo idirana ato; raha misy ny teny atao ao aorianany dia ma-nana izany hevitra izany koa izy: Tsy azo otao ny miditra ato. ~ t.f.f.: Mahazo, fahazo, mpahazo ) ahazoana na azahoana, fahazoana, na fazahoana ( mihazo, fihazo, mpihazo ) ihazoana, fihazoana. • F,-p,: Azon-keuitra: metY hisy hevitra hamoniena azy: Tsy azon-kevitra intsony iiay sambo, / Azom-panafana: mety ho sitran'ny fanafody: Tsy azom-panafana iiay aretina nahauoa azy ka hany nataon'ny dokotera ny nanalefaka ny fangirifiriany. / A-zon-tolak'olona: nasian'ny sasany tamin'ny herin'ny mosavy. / Azon'ny sasany: nasian'ny sasany fanafody. / Azo olan-tanna: tratra eo am-panaovan-dratsy. ¶ M. h.: Azo ambody omby, tratehaka, azo an-tanana. Ahitsio
Azoazo: (t.u.r.) mt, Tiana araka ny fankasitrahan'ny maso, na ny sofina...: Iza no alainao amin'ireto satroka ireto? Itsy uolombatolalaka no azoazoko. ? Metimety, tsaratsara, enti-milaza toe-pahasalamana tsy tsaratsara teo aloha ka efa metimety: Manao ahoana izany fanauianao? Efa azoazo fa misaotra. - Azoazon'ny uauony: tiana na mahafalifaly kokoa. Ahitsio
Azoazo: (Fit.-p.) a.: Ranon'afero. Ahitsio
Azojotra: (zojotra) mt. fit. (azojory): Entina manao zojotra na gorampà. Ahitsio