Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ahidambo: a.: Ahitra misy tsilotsilony. Ahitsio
Ahidrano: a.: Ahitra maniry eny an-tanimbary rehefa vita ny vary. Ahitsio
Ahidrano: a: Karazan-javamaniry fahita any anaty rano (ranomasina na ranomamy), izay tsisy fakany na lalandranon-kazo. Ahitsio
Ahidratsy: a.: Ahitra miara-maniry amin'ny vary ka mahatonga ny vary havana. Ahitsio
Ahidresy: a: Zavamaniry fanao ody kohaka (Lobellia laubii). Ahitsio
Ahidrindrina: a.: Zavamaniry ampiasaina raha misy fivoahan-dra ka ny raviny maitso no tenehina (Dichrocephala) lotifolia). Ahitsio
Ahidy: (hidy), mt. fit. (ahidio): Entina manidy: It? hazo it? ahidy ny uarauarambe. Ahitsio
Ahifatra: a.: Zavamaniry fanao ody rohana sy gaotra; mahabe hatsembohana sy manadio fivalanandrano (Senecio ambauilla). Ahitsio
Ahifika: (hifika), mt. at. (ahifiho): Esorina, ariana lavitra: Taitra izy nahita ilay sahona nipetaka teo amin'ny sandriny ka nahifiny ter?. ~ Lavina, toherina, atosika: Nahifiko ny tanany nisambotra ahy. Ahitsio
Ahifotra: (hifotra), mt. at. (ahiforyl: Atsentsina, atampina. Ahitsio
Ahihy: (hihy), mt. fit. (ahihiso) Entina mihihy, mikiky, mikaoka: It? L'y kely it? ahihy ny mangahazo raha tsy misy antsy. Ahitsio
Ahika: (hika), mt. fit.: Entina mameno, ampiasaina mba hahafeno. Ahitsio
Ahikongona: a.: Karazan'ahitra misy fofony ohatra ny fofon-kongona. Ahitsio
Ahilahila: (hilahila), mt. at. (ahilahilao): Mao mitongilangilana. Ahitsio
Ahilana: (hilana), mt. at. (ahilano): Atao mirona amin'ny ilany iray, atongilana: Ahilano kely rnianatsimo ny lohanao. Ahitsio
Ahilontrilona: (hilontrilona), mt.at.: (ahilontrilony): Atsipendrampendrana mba hanjelanjelatra: Aza ahilontrilona eo akaikin'ny jiro io lamba mainty mamiratra io fa mankarary maso. Ahitsio
Ahimafana: a.: Zavamaniry fanao ody kankana ny raviny izay tanehina atao antitra dia antitra (Spilanthes emmenai' Ahitsio
Ahimoka: (himoka), mt. at. (ahimohy): Akombona (entimilaza ny vava izay akombona, hidiana tsy hamoaka feo) Ahitsio
Ahimoso: a.: Ahitra misy tsilotsilony. Ahitsio
Ahimùka: a.: Ahitra maniry eny anaty rano, fanaon'ny olona kofehy na tady. Ahitsio