Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akaloha: na Angaloha: Fitenenana nanambarana ny teny roa hoe aoka aloha, fanaon' ny ankizy indrindra. Ahitsio
Akambana: (kambana) mt. at, (akambano): Atambatra: Nakambana ny lakilasy roa fa tsy ampy ny mpampianatra ? Ampiadina, apaka: Tsy nakamban'ny mpandrafitra tsara ny hazo fisaka amin'ny latabatra 1 Ampiraisina: A-kamban'ny tombontsoa ireo olona ireo na dia tsy mifankatia firy aza. Ahitsio
Akamositra: (kamositra), mt. fit. (akamosiro): Entina mamositra, mandoaka ny haro mba hahazoana afo: It? ahamositra raha mila afo ianao. Ahitsio
Akana: a.: Ahotrahotra, ahonahona, fijanonjanona kely eo am-pitenenana. t.i.f : Akanakanina, tafakanakana / miakanakana, fiakanakana, mpiakanakana / iakanakanana, fiakanakanana. Ahitsio
Akanakana: a.: Ahanahana, fihambahamba eo am-pitenenana. t.i.f.; Akanakanina, tafakanakana 1 miakanakana, fiakanakana, mpiakanakana / iakanakanana, fiakanakanana. Ahitsio
Akanakanina: (akanakana) mt. ih, (akanakano): Tenenina na lazaina amim-pihambahambana, amim-pivakavakana. Ahitsio
Akanga: a.: Karazam-borondia izay mipentimpentina mainty sy fotsy ny volony ary fatra-piara-dia maro ka saxotra vakina. ~ h.o.: Enti-milaza olona fetsifetsy sy fangoloka amin'ny halatra sY ny fanambakana. - t.i.f.: akangaina / manakanga, fanakanga, mpanakanga / anakangana, fanakangana / miakanga, fiakanga, mpiakanga / iakangana, fiakangana. - F.-p.: Akangalahy ankoua: ny tena be no tsy eo, fa ny saina amam-panahy miray amin'ny maro manatrika ihany; akanga reraka: vehivavy nalaza fahiny tamin'ny hatsaran-tarehy fa tsy misy mpijery intsony nony antitra; akanga tsy roa uolo: teny nentin'Andrianampoinimerina hilazana ny tany sy ny firenena anjakan'ny fandriam-pahalemana; akanga tsara soratra takaloxana ny akoho taman-trano: zavatra marevaka ivelany anariana zava-tsoa maharitra; akanga sisa nanamborana: enti-milaza olona sisa velona amin' ny maro niaraka fahizay M.h.: Tapa-porohana sisa tsy may. * Ohab.: Akanga maro tsy uakin'amboa: ny firaica,na no hery. Ahitsio
Akangaina: (akanga), mt. ih. (akangao): Ampianarina ho fetsifetsy: Aza mety hakangainy ise, ry Koto a! Ahitsio
Akanikany: (kanikany), mt. at. (akanikanio): Ampihomehezina. Ahitsio
Akanjo: a: Anarana itambaran' ny fitafiana voazaitra entina hanafy ny vatana, mba ho takon-kenatra aloha voalohany indrir,dra sy hiaro amin'ny hatsiaka, ary tat? aoriana mba ho endri-javatramahafinaritra koa: Nentiny nanaouana maso uao tamia'ny Krismasy ilay akanjony van nozairina. - t.i.f.: Akanjoina na akanjoana, voakanjo, tafakanjo j manakanio, fanakanjo, mpanakanjo 1 anakanjoana, fanakanjoana / miakanjo, fiakanjo, mpiakanjo 1 iakanjoana, fiakanjoana 1 mahakanjo 1 mampiakanjo. a F.-p.: Akanjo anatiny: akanjo fanao manolo-koditra; akanjobà: akanjo vita amin' ny ba Ger. io teny in); akanjobe: akanjo lava matevina mahafana; akanjon-goaika: ny fehitenda fotsin'ny goaika, • h.o.: haren-tsaina amam-pahaizana ifandovana..; akanjo-nify: karaza-nofo malemy manarona ny vodinify; akanjo rebaka: akanjo lava saiky mirefarefa amin'ny tany;akanjo tsiantsaha (tsy antsaha): karazana salotra landy nanaovan'ny mpanankarena teto Antananarivo fahizay fa tsy mba fitondran'ny tambanivohitra. Ahitsio
Akanjoana: na akanjoina (akanjo), mt. ih. (akanjoy): Orne-na akanjo, tafina: Akanjoy ny zaza mahantra, fa tsy misy manafy izy ireny. Ahitsio
Akantsana: (kantsana), mt. fit. (akantsano): Entina manakantsana, manapaka tanteraka sy hentitra. Ahitsio
Akany: a.: Tranom-borona. 1 h.o.: trano na tanàna nahaterahana na nonenana fony fahazaza: Hontsa daholo izahay nandao ilay akany nahabe. Ahitsio
Akaoka: (kaoka), mt. fit. (akaohy): Entina mikaoka. Ahitsio
Akaona: (kaona), mt. at. (akaony): Atao mifanatona, miady tsara: Akaona omin'ny lohany ny basy. Ahitsio
Akapa: (kapo), mt. fit. (akapao): Entina mikapa, mamira, manapaka: It? no famaky nakapako io hazo be io. Ahitsio
Akapoka: (kapoka), (akapohy) mt. fit.: Entina mikapoka, mamely: Langilangy no nakapony ny lohan'ilay alika. ~ mt. at.: Adona, azera amin'ny tany: Akapohy amin' vato ny loha raha tsy faly, hoy ny fitenin'ny ankizy. / Nakapony tamin'ny tany ilay namany. Ahitsio
Akarama: (karama), mt. at. (akaramao): (vola na zavatra) omena ho karama: Vary no nakaramako ny mpijinja. Ahitsio
Akarana: a.: Akoran'atody. 1 Teny ilazana ny sakany amin' ny tsihy voarary. Ahitsio
Akararana: (kararana), mt. at. (akararano): Aidina mba hifantsitsitra. Ahitsio