Litera A

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Akezaka: (kezaka), mt, at. (akezaho): Mao mifintimpitina ny andilany. Ahitsio
Akia: Teny kely fiangotiana fampiasan'ny ankizivavy rehefa miresaka: Ho aiza akg ianareo raha amin'ny alahady hariva? Ahitsio
Akiaka: (kiaka), mt. fit. (akiaho): Entina manakiaka: Vakim-pitaratra no akiaka ny latabatra. Ahitsio
Akiaka: (kiaka), mt, at. (akiaho): Asaina mikiaka, avala hilriaka. Ahitsio
Akibo: (kibo), mt. fit. (ahiboy) Entina manakibo, manitikitika, Ahitsio
Akidingy: jar. Akodingy. Ahitsio
Akifakifaka: (kifakifaka), mt. at. (akifakifaho): Ailika, tsipahina, akipaka, dakana: A-za akifakifaka tahaka izao ny lamba firako fana. 1 Roahina, asaina mihataka, akipakipaka: Nakifakifany aho ka naleoho nihataka am-boninahitra. Ahitsio
Akifika: (kifika), mt. at. (akifiho): Alana akipika, atosika fa tsy tiana, ailika, ahifikifika. * Ohab.: Tahom-boanjo ka ny nahitana indray no akifikifika: enti-milaza ireo nahitana soa ne fa ailikilika. Ahitsio
Akifina: (kifina), mt. at. (akifino): Asaina mievina. Ahitsio
Akiho: (kiho), mt. fit. (akihoy) Entina manakiho, mandrefy. Ahitsio
Akija: (kija), mt. at. (akijao): Tanana, tazonina, hidiana: Nakijan'ny mpampianatra tao am-pianarana ny mpianatra telopolo. Ahitsio
Akikitra: (kikitra), mt. at. (akikiro): Araikitra, afantsika, afantoka. Ahitsio
Akiky: (kiky), mt, fit. (akikiso) Entina mikiky, mikaoka, manala sombiny tsikelikely amin'ny zavatra iray: Intg ny sotrobe akikinao ny vilany. Ahitsio
Akiliolio: (kiliolio), mt. at. (ahilioliouy): Avezivezy, avoivoy: Nakiliolion'ny namany ny bokin'Isambüo. Ahitsio
Akimpy: (kimpy), mt. at. (akimpio): Akombona ny hodimaso mba tsy habita: A-himpio ny masonao uetiuety. Ahitsio
Akio: a.: Antsantsa. Ahitsio
Akipaka: (kipaka), mt, at. (akipaho): Alana, esorina: Zanaka tsy uanona io: reniny niteraka azy ka nakipany nony antitra. 1 Esorina ny akanjo, aboridana: Nakipaky ny jiolahy ilay mpandalo dia nilaozany tao. 1 Esorina hiala: A-kipaho ny tsihy rehefa man dalotm mba tsy haloto. 1 Endahana indray miaraka: Nakipany iray ihany ny hoditr'ilay omby. 1 Ariana: A-kipaho any an-kady ny fako ao atsimon-trano. Ahitsio
Akipakipaka: (kipaka), mt. at. (akipakipaho): Ailika hiala, akifikifika amin-katezerana, roahina tsy asiana vidiny: Nakipakipaky ny tompontrano ry Rakoto mianakauy fa tsy nahaloa hofan-trano, hono. Ahitsio
Akipika: (kipika), mt. at. (akipiho): Alana ka akifika: Aza akipika at? amiko ny rano amin'ny lambanao. / Atsipy: Hakipiko itg zaza it? raha mitomany lava toy izao. Ahitsio
Akipikipy: (kipikipy), mt. at. (akipikipio): Atoraka, atsipy: Tsy nakipikipiny tsara ilay rotsakazo ka tsy voa ilay akanga. 1 h.o.: Avezivezy, asaina mankatsy mankaroa: Tsy tsara fiasa Rabe ka nakipihipin'ny lehibe hatraiza hatraiza. Ahitsio