Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Biko: na Bikoa (Btl) p.t: Entimilaza karazan-tandrok'omby namboarina hatramin'ny fitsiriany haka ny endrika i• tiavana azy, ka mety mifaingoka kely izy io, mety koa nafaingoka hiolaka tanteraka mila hikasika ny loba, nefa koa misy tandroka efa biko vita-Nanahary. —( Ahitsio
Bila: (Btl) p. t.: Tandrok'omby hafahafa fa ny ilany mahitsy mila hiondrika, ny ilany kosa miolaka. Ahitsio
Bila: p. t.: Tsy mahitsy fa mivilana: Bila ny tongotr'itti latabatra it? fa ahitsio. ¶ M. h.: bilabila, bilaka, vila, vilaka, vilana, bingo. - t.i.f.: Bilaina, voabila / mikobila, Ahitsio
Bila: a: Aretina tsy fanta-pototra loatra, noheverin'ny sasany ho aretin-tsaina amam-panahy; ny sasany kosa nihevitra azy ho fanindrian-javatra na ny ambiroan'ny maty: toa manavinavy no fiandohan'ny aretina, dia marary andoha, dia fanina dia mena ny maso, ary dia tonga verivery ny sain'ilay marary ary mihoalahoala sy mienjika izy ka amin'izay dia toa mahavita zavatra tsy vitan'olona tsotra, toy ny mandihy miloloha siny feno rano nefa tsy raraka ny rano... Ny fitsaboana ny bila dia itehafana, miaraka amin'ny vely vy sy ampongatapaka... Nanana anarana samy hafa saika isampoko ny bilo: Ramanenjana na Soratra (Imerina), Salamanga (Betsileo), Tromba (Sakalava, Tsimihety). Ahitsio
Bilabila: p. t.: Tsy mahitsy mitapatapaka, toy ny tsipika ahitana ny tselatra eny amin' ny habakabaka na ny sarin' ny tongotr'olona iray bingo mihazakazaka. - t.i.f.: Mambilabila, fambilabila, mpambilabila / ambilabilana, fambilabilana / mibilabila, fibilabila, mpibilabila / ibilabilana, fibilabilana / mahabilabila / mikobilabila. Ahitsio
Bilady: a.: Teny enti-milaza ny trano itoerana sy ny tany onenana, ny harena sy ny fitohizan'ny fianakaviana na foko amin'izay soa na tombontsoa efa ananany: Isika mianakavy: tsy ho uaky bilady amin'izay nentin'ny ray aman-dreny na ny razana. Ahitsio
Bilahina: (bilaka) mt. ih. (bila-ho): Atao tonga bilaka, mivilana. Ahitsio
Bilahy: a: Karazan-kazo. Ahitsio
Bilaina: (bila) mt. ih. (bilan): Atao tonga bila. Ahitsio
Bilaka: p. t.: Tsy mahitsy fa mivilana. - t.i.f.: Bilahina, voabilaka / mibilaka, fibilaka / ibilahana, fibilahana. Ahitsio
Bilaotra: (angl. blotting) a: Fanamainan-tsoratra, biovara. Ahitsio
Bilaotra: a.: Fihatahana, fihodivirana kely. • H,o.: Hadisoana kely. - t.i.f.: Mibilaotra, fibilaotra / ibilaorana, fibilaorana. Ahitsio
Bilisitra: (angl. blister) a: Fanempahana ny hoditra misy rano mibontsina ao anatiny raha main'ny rano mangotraka na raha niasa tamin'ny angady na famaky ny felatanana. Ahitsio
Bilitika: P. t.: Kely dia kely, madinika ers', pitiny: Kely bilitika ny anjara mofomamy azon'Isambilo fa tsy nisy indraim-bava akory. ¶ M. h.: Biritika, bititika, bolitika, boritika, bilitsika, biritsika, boritsika. Ahitsio
Bilogoma: (angl. blue-gum) a.: Anarana iantsoana ny hazo kininina. Ahitsio
Bily: (Br) ci.: Tandrok'omby somary misabaka mitovy fandry nefa misompirana. Ahitsio
Bimora: (Tsm.) a.: Karazan' oviala misy poizina mahafaty. Ahitsio
Bina: Binaka, Binabina, Binabinaka ft.: Milaza fivontosana, fibontsinana. - t.i.f.: Mibinaka, mibinabina, mibinabinaka / fibinaka, fibinabina,fibinabinaka. Ahitsio
Binabina: Binaka: Jer. Bina. Ahitsio
Binaby: (baby) mt, ih. misy tsofoka in: Voababy, baba-na, atao am-babena: Nobinabiny ny zanany dia lasa iz y. Ahitsio