Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Binaiko: (baiko) ,nt. ih. misy tsofoka in: Voabaiko, baikoina, omena baiko: Nobinaikony tamin'ny masony fotsiny ilay alika dia nanatona. Ahitsio
Binàka: (baka) mt. ih. misy tsofoka in: Atao mihataka toy ny tarehintsoratra V (tandrok'omby). Ahitsio
Binala: (bala) mt. ih. misy tsofoka in: Voabala, balana, asiana bala: Nobinalan'ny fahavalo ny sandriny. Ahitsio
Binanga: (banga) mt. misy tsofoka in: Voabanga, ban-gaina, simahana: Nahoana no nobinanganao ny tsofako? Ahitsio
Binango: (bongo) mt. 1h. misy tsofoka in: Voabango, bangoina: Tsy mba volo nobinango izao, ry Ketaka! Ahitsio
Binata: (bata) mt. ih. misy tsofoka in: Voabata, bataina: Nobinatako ilay entana fa tsy zakako. Ahitsio
Bineda: (beda) mt. ih. misy tsofoka in: Voabeda, bedaina, fihinina amin'ny sandry: Ho nobinedan'ny fahaualo aho raha tratrany tao. Ahitsio
Bingo: p. t.: Bila, filaza indrindra amin'ny tongotra; ny olona bingo dia manana tongotra tsy mba mahitsy fijoro fa somary mibaraingo toa miditra (mifanohitra aminy: tsivaka). * Ohab.: Bingo manao matso ka misalouana ny an'ny sasany: ny olona tsy mahay nefa miditriditra amin'ny raharahan'ny sasany dia tsy manao afa-tsy ny manimba zavatra fotsiny. / Bingo ny mpitarika ka tsy mahitsy fandeha ny mpanaraka: izay toetra sy fihetsiky ny mpitondra ihany no toetra sy fihetsiky nt' olona entina. - F.-p.: Bingo tanana: entimilaza ny olona izay toa miditra atf anatiny ny tanany ka mivoaka kosa ny kihony. Ahitsio
Bingom-po: (t.tr.) a.: Haitraitra. Ahitsio
Bingona: a,: Karazan-javamaneno tsofina avo feo sy karantsana: Mpitsoka bingona. Ahitsio
Binitsika: (bitsika) mt. ih. misy tsofoka in: Voabitsika, bitsihina, ilazana zavatra lazaina malemilemy eo am-poto-tsofina: Inona no nobinitsiny taminao tao! Ahitsio
Bintsy: a.: Karazan-damba soga, madini-tenona sady mikitroka ka mafy kokoa noho ny saga tsotra ary malama tsy misy volony. Ahitsio
Biovara: (fr. buvard) a: Fanamainan-tsoratra vao nosoratana amin'ny ranomainty, bilaotra. Ahitsio
Bipany: (Tsm.) a.: Sikin-dahy matevina, misy soratra sy be velarana. Ahitsio
Bira: ci.: Ody famosaviana. Ahitsio
Biraina: (bira) mt. ih. (birao): Amosavina, vorehina. Ahitsio
Biriky: (fr. brique) a.: Feta ampandrina ka alatsaka anaty lasitra (hazo lavalava efa-joro) ka ananganana trano rehefa maina; misy karazany roa ny biriky: ireo atao amin'ny tany tsotra, izay atao hoe biriky tany, ary ireo a-tao amin'ny tanimanga na tany dilatra, izay atao hoe biriky tanimanga; ireto faharoa dia tsy maintsy dorana ao anaty lafaoro amin'ny fompotra na amin'ny kitay hazo. Ahitsio
Birioka: a: Fiviliana any amie' ny tsy izy. - t.i.f.: Abirioka, voabirioka, tafabisioka / manabirioka, fanabirioka, mpanabirioka 1 anabiriohana, fanabiriohana / mibirioka, fibirioka, fibiniohana. Ahitsio
Biririoka: a.: Fanenon-javatra toa misiaka mandalo mafy, toy ny an'ny karavasY, baba miserana. - t.i.f.: Mibiririoka, fibiririoka. Ahitsio
Biritika: Biritsika p, a.: Jer. Bilitika. Ahitsio