Bisikilety | : | (fr. bicyclette) a.: Fita ov am -pan dehanana misy familiana sy kodiarana roa mifanao aloha sy aoriana, ka fivoy, eo afovoany, misy rantsany roa havia sy havanana izay hitsahin'ny tongotra no mampihodina ny kodiarana ka mampandeha azy; nomena anarana koa hoe Tongomalady.
Ahitsio |
Bisikoy | : | (fr. biscuit) ci.: Mofokely efa-joro na boribory vita amin'ny nonono sy dibe-ra.
Ahitsio |
Bisioka | : | a.: Fiviliana mba hihataka. 1 t.if.: Abisioka,voabisioka, tafabisioka / manabisioka, fanabisioka, mpanabisioka / anabisiohana, fanabisiohana / mibisioka, fibirioka, mpibisioka l ibisiohana, fibisiohana / mahabisioka.
Ahitsio |
Bitabita | : | p. t,: Entina hilazana ny kibo voky mitsinatsinaka.
Ahitsio |
Bitaka | : | a.: Fitsinjahana noho ny hafaliana, - t.i.f.: Mibitaka, fibitaka, mpibitaka / ibitahana, fibitahana / bitabitaka.
Ahitsio |
Bitika | : | p. t.: Kely sady madinika, sombiny kely: Tsy ho azonao entina any lavitra any io zaza io fa mbola bitika, / Bitika kely ny vary nohanin' ny marary anikeheo. * F.-p.: Kely sy bitika: entimilaza am-panetren-tena ny toetran'ny tena ambany sy mahantra: Misaotra, tompokolahy minisitra, mamangy anay kely sy bitika ad anaty ala atS. (Marihina fa milaza mbola kely kokoa noho ny bitika ireo rehetra avy amin'ny bitika nasiana tsofoka: bilitika, biritika...)
Ahitsio |
Bitongoa | : | (Tsm.) a.: Fombantolona omby: ny tanana roa mamikitra amin'ny trafo, ny tongotra roa mikiraviravy.
Ahitsio |
Bitro | : | (angl. rabbit) a.: Biby fiompy fihinana sahala habe amin'ny saka, saingy lava sofina sy mihinana ahitra na zavamaniry. * F.-p.: Manao tera-bitro: enti-milaza am-bazivazy vehivavy miteraka matetika.
Ahitsio |
Bitsihina | : | (bitsika) mt. ih. (bitsiho): Ilazana zavatra malemilemy eo akaikin'ny sofina: Bitsiho kely Rangahy io fa mitady azy ao alatrano ny zanany.
Ahitsio |
Bitsika | : | a.: Teny lazaina malemilemy eo akaikin'ny sofina fa tsy tiana ho ren'ny hafa. - t.i.f.: Bitsihina, abitsika, binitsika, voabitsika 1 mainbitsika, fombitsika, mpambitsika I ambitsihana, fambitsihana / mibitsika, fibitslka, mpibitsika j ibitsihana, fibitsihana.
Ahitsio |
Bitsika | : | p. t.: Kely dia kely, pitiny kely.
Ahitsio |
Bizizioka | : | a: Jer. Biririoka.
Ahitsio |
Bo | : | Tovona fanaovana fototeny faharoa mba hampitombo na hanamafy ny hevitry ny fototeny tsotra voalohany: Bosesika (sesika).
Ahitsio |
Bo | : | a.: Enti-milaza ny fidoboky ny zavatra mianjera na mipoaka mafy. i Mibo.
Ahitsio |
Bo | : | a.: Zavatra mora mirehitra sahala amin'ny vohavohandandihazo natao handraisana afo amin'ny vato kapaika na vatoafo.
Ahitsio |
Bo | : | a.: Zavatra malemy mibofoka. • Tendron'ny tahon'afokasoka misy ny vanjany.
Ahitsio |
Bo | : | a.: Feo avoakan'ny vavafivalanana rehefa mangetotra: Manao bo.
Ahitsio |
Boada | : | Boadaboada a.: Teny misafotofoto tsy hita laniny, miboredidredilta. - t.i.f.: Aboadaboada / miboadaboada, fiboadaboada, mpiboadaboada liboadaboadana, fiboadaboadana.
Ahitsio |
Boadaka | : | Boadaboadaka: Jer. Boada: Boadaboada.
Ahitsio |
Boafa | : | p, t.: Vaventy matavy; botrefona sady lehibe. - t.i.f.: Boafaboafa.
Ahitsio |