Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bisikilety: (fr. bicyclette) a.: Fita ov am -pan dehanana misy familiana sy kodiarana roa mifanao aloha sy aoriana, ka fivoy, eo afovoany, misy rantsany roa havia sy havanana izay hitsahin'ny tongotra no mampihodina ny kodiarana ka mampandeha azy; nomena anarana koa hoe Tongomalady. Ahitsio
Bisikoy: (fr. biscuit) ci.: Mofokely efa-joro na boribory vita amin'ny nonono sy dibe-ra. Ahitsio
Bisioka: a.: Fiviliana mba hihataka. 1 t.if.: Abisioka,voabisioka, tafabisioka / manabisioka, fanabisioka, mpanabisioka / anabisiohana, fanabisiohana / mibisioka, fibirioka, mpibisioka l ibisiohana, fibisiohana / mahabisioka. Ahitsio
Bitabita: p. t,: Entina hilazana ny kibo voky mitsinatsinaka. Ahitsio
Bitaka: a.: Fitsinjahana noho ny hafaliana, - t.i.f.: Mibitaka, fibitaka, mpibitaka / ibitahana, fibitahana / bitabitaka. Ahitsio
Bitika: p. t.: Kely sady madinika, sombiny kely: Tsy ho azonao entina any lavitra any io zaza io fa mbola bitika, / Bitika kely ny vary nohanin' ny marary anikeheo. * F.-p.: Kely sy bitika: entimilaza am-panetren-tena ny toetran'ny tena ambany sy mahantra: Misaotra, tompokolahy minisitra, mamangy anay kely sy bitika ad anaty ala atS. (Marihina fa milaza mbola kely kokoa noho ny bitika ireo rehetra avy amin'ny bitika nasiana tsofoka: bilitika, biritika...) Ahitsio
Bitongoa: (Tsm.) a.: Fombantolona omby: ny tanana roa mamikitra amin'ny trafo, ny tongotra roa mikiraviravy. Ahitsio
Bitro: (angl. rabbit) a.: Biby fiompy fihinana sahala habe amin'ny saka, saingy lava sofina sy mihinana ahitra na zavamaniry. * F.-p.: Manao tera-bitro: enti-milaza am-bazivazy vehivavy miteraka matetika. Ahitsio
Bitsihina: (bitsika) mt. ih. (bitsiho): Ilazana zavatra malemilemy eo akaikin'ny sofina: Bitsiho kely Rangahy io fa mitady azy ao alatrano ny zanany. Ahitsio
Bitsika: a.: Teny lazaina malemilemy eo akaikin'ny sofina fa tsy tiana ho ren'ny hafa. - t.i.f.: Bitsihina, abitsika, binitsika, voabitsika 1 mainbitsika, fombitsika, mpambitsika I ambitsihana, fambitsihana / mibitsika, fibitslka, mpibitsika j ibitsihana, fibitsihana. Ahitsio
Bitsika: p. t.: Kely dia kely, pitiny kely. Ahitsio
Bizizioka: a: Jer. Biririoka. Ahitsio
Bo: Tovona fanaovana fototeny faharoa mba hampitombo na hanamafy ny hevitry ny fototeny tsotra voalohany: Bosesika (sesika). Ahitsio
Bo: a.: Enti-milaza ny fidoboky ny zavatra mianjera na mipoaka mafy. i Mibo. Ahitsio
Bo: a.: Zavatra mora mirehitra sahala amin'ny vohavohandandihazo natao handraisana afo amin'ny vato kapaika na vatoafo. Ahitsio
Bo: a.: Zavatra malemy mibofoka. • Tendron'ny tahon'afokasoka misy ny vanjany. Ahitsio
Bo: a.: Feo avoakan'ny vavafivalanana rehefa mangetotra: Manao bo. Ahitsio
Boada: Boadaboada a.: Teny misafotofoto tsy hita laniny, miboredidredilta. - t.i.f.: Aboadaboada / miboadaboada, fiboadaboada, mpiboadaboada liboadaboadana, fiboadaboadana. Ahitsio
Boadaka: Boadaboadaka: Jer. Boada: Boadaboada. Ahitsio
Boafa: p, t.: Vaventy matavy; botrefona sady lehibe. - t.i.f.: Boafaboafa. Ahitsio