Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bageda: (Atd) a.: Vomanga.---a' Ahitsio
Bahaiza: (Tsin) a.: Hira fitomaniana ny maty fanao eo ampiaretan-tory. Ahitsio
Bahambahana: (bahana) t.u.r.: Milaza fihamafisan-kevitra, bahana matetika, befahatany. Ahitsio
Bahana: a.: Fakana toerana be, fitanana toerana be; tsy fanomezana toerana ny sasany, fisakanana na fisalovanana tsy hahazoan'ny sasany mandeha; famaritana ny tokony tsy ho efan'ny tena. 1 Bahanina, abahana 1 mibahana, fibahana, mpibahana 1 ibahanana, fibahanana 1 mahabahana 1 bahambahana, mibahambahana. Ahitsio
Bahanina: (bahana) mt. ih. (bahano): Sakanana, salovanina. Ahitsio
Baharia: (Ski) a.: Ny matilô amin'ny botry. Ahitsio
Baheza: a.: Hira vako-drazana fanao amin'ny fiandrasampaty. Ahitsio
Baheza: a.: Jar, Raloba. Ahitsio
Baholy: na Baholimaso p, t.: Manana maso mahiratra tsara ary tsara tarehy, toa falifaly lalandava. Ahitsio
Baibaizina: (baibay) ont, ih. (baibaizo): Tenenina amimpahatezerana, levilevena: Nobaibaizin-dreniny izy fa tsy nahalala fornba naniratsira an 'i dadatoany. Ahitsio
Baibay: a.: Levilevy sy anatra atao amim-pahatezerana, fitenenana arahin-tsamonina tsy misy fiatoana. ¶ M. h.: Bedibedy, gedrigedry. - t.i.f.: Baibaizina. Ahitsio
Baibo: (Ski) a: Tanimboly voasafotry ny rano amin'ny fahavaxatra. Ahitsio
Baibo: (t.tr.) a: Mpandany harena tsy azo tenenina. Ahitsio
Baibo: p. t.: Ada1a, foka. Ahitsio
Baiboho: a,: Tanety, indrindra ny amorona ivaiva. Ahitsio
Baiboly: (angl. bible) a: Anaran'ny boky misy ny Soratra Masina rehetra; mizara roa ny baiboly, dia ny Testamenta taloha sy ny Testamenta vaovao. Ahitsio
Baibona: a.: Tendron'ny vy solom-pantsika anakambanana takela-by na hazo, izay pohina mafy mba tsy ho afa-mitsoaka. --( ? F,-p.: Vono baibona: famonoana tsy ho hita ireo tendron'ny vy anakambanana takela-by na hazo. / Vita vono baibona: vita mafy tsara, mats paika. Ahitsio
Baibona: a,: Ny sofin'ny riandriana roa havia sy havanana ka ny iray somary vorivory, ny iray fisaka ny tampons. Ahitsio
Baika: ft.: Fihatahan'ny ranjo be loatra rehefa mamindra, daikadaika. Ahitsio
Baikabaika: a.: Famindra mibakabaka sy miretareta. - t.i.f.: Baikabaikaina, abaikabaika / mibaikabaika, fibaikabaika, mpibaikabaika I iabaikabaikèna, fibaikabaikana 1 mahabaikabaika. Ahitsio