Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Bokatraka: Jer. Bokatra. Ahitsio
Bokeoke: (Skl) a.: Vorompotsy. Ahitsio
Bokitra: a.: Fibontsinana, fibohirana. - t.i.f : Manabokitra, fanabokitra, mpanabokitra / anabokirana, fanabokirana / mibokitra, fibokitra / ibokirana, fibokirana / mahabokitra 1 bokitrakitra. Ahitsio
Bokitse: (Ski) a: Nofo ao anatin'ny voan-tsatrana Lena. Ahitsio
Boko: a: Zavatra boribory izay matetika hita eny amin'ny lohan-javatra: Ny bokon'ny haro fanin -tohatra. - t.i.f.: Mibokoboko, fibokoboko,bokony, Ahitsio
Bokony: a.: Ravina mihorona ary tonga boribory, na ny vonin'ny tsimo-kazo mbola tsy mivelatra: Bokon-daisoa. Ahitsio
Bokotra: d.: Zavatra vita tamin' ny tandroka na hazo na nifin'elefanta voamboatra boribory ka apetaka amin'ny akanjo mba hanidiana ny laniny roa aminy misaraka: Boko-palitao. • Lava-bokotra: lavaka atao amin'ny akanjo izay zairina ny sisiny ary atao hidin'ny bokotra. - H. i.: Zavatra boribory fampandehanana ny vata fandraisam-peo sasantsasany: Ahodino ny bokotra fa tsy tiako izany hira izany. Ahitsio
Boky: (Ski) a.: Biby mampinono mpamono voalavo. Ahitsio
Boky: (angl. book) a.: Ravintaratasy maro misy sora-pirinty voatambatra ho iras: Ny boky no ioharanom-pahalaiana sy fahaizana. / Manoratra boky / Manonta boky. - F.-p.: Miondam-boky: enti-milaza izay tsy misaraka amin'ny boky, tia fianarana, tia vakiteny. Ahitsio
Bola: a.: Teny enti-milaza vaingana boribory tanteraka. Ahitsio
Bolaky: a,: Fampakarana zavatra hiainga, ka toy izao ny toetoetran'ny fiasany: misy mahazaka mihodidina vy boribory lavalava, izay mirotsaka an-daniny roa avy ny tendrony anankiroa, ka raha sintonina ny laniny iras dia miakatra kosa ny zavatra a-tao eo amin'ilay laniny faharoa. Ahitsio
Bolaly: a.: Fikorisana noho ny tany malemy, bolasitra, bolisatra. - t.i.f.: Abolaly, / mibolaly, fibolaly, mpibolaly. Ahitsio
Bolan-tany: a.: Anarana omena itf tany onenantsika itf a- min'ny maha-planeta azy, i- ray amin'ireo sivy mihodidina ny masoandro; miendrika bola somary fisaka eo amin' ny tendrony roa ny bikany, ka mirefy 6.378.388 m, ny tanany mankany amin'ny ekoatera, ary 6.366.912 m. ny mankany amin'ny tendron-tany. Ahitsio
Bolangina: p. t.: Vaventy sadY salama, dongadonga matavy: Tovolahy bolangina no hitan'ny masoko niditra ny varavarana. - t.i.f.: Mibolangina, fibolangina / mahabolangina / bolangindangina. Ahitsio
Bolasirana: (bolasitra) mt. ih. (bolasiro): Akorisa. Ahitsio
Bolasitra: a.: Mitovy hevitra amin'ny Bolisatra. Ahitsio
Bolée: (t, tr.) a.: Zavatra Lasa na very tsy tokony hotsarovana intsony. Ahitsio
Boletaka: p, t.: Kely sady iva, midina hifotetaka: Boletaka loatra itS latabatra it9 ka tsy azo anoratana. - t.i.f.: Miboletaka, fiboletaka. Ahitsio
Boletaleta: p. t.: Enti-milaza clona fohy zenizeny vaventiventy ka miresaresa, tsy kinga rehefa mamindra. - t.i.f.: Miboletaleta, fiboletaleta / iboletaletana, fiboletaletana / mahaboletaleta. Ahitsio
Bolia: Boliaka p. t.: Enti-milaza ny maso misokatra mazava tsara mahafinaritra: Bolia maso, bolia manoro: teny fahita amin'ny angano, ilazana olona izay tsy misy zavatra tsy fantany. - t.i.f.: Miboliaka. Ahitsio