Bory | : | (Mer) p. t.: Anarana ilazana karazan'omby tsy misy tandroka na zara fa misy, ka ny fiantso azy matetika dia hoe omby bory. * F.p-.: Manao toton'omby bory: manao an-drezatra na an'aina ary tsy am-piheverana.
Ahitsio |
Bosesehana | : | (bosesika) mt.pdr, (boseseho) : Ampidirana, anatsofohana zavatra betsaka : Nobosesehana ampombo ilay akoho nafahy ka natauy be aoka izany. ¶ M.h. : Sesefana.
Ahitsio |
Bosesika | : | a : Fidirana na fivoahana rodobe mifanosika. i t.i.f. s Bosesehana, abosesika, voabosesika, tafabose. sika I manabosesika, fanabosesika, mpanabosesika f anabosesehana, fanabosesehana /mibosesika, fibosesika, mpibosesika 1 ibosesehana, fibosesehana / mahabosesika 1 bosesitsesika.
Ahitsio |
Bosika | : | Bosibosika a. : Fihinanana manao be am-bava. - t.i.f. s Abosika,voabosika / mambosika, fambosika / mambosibosika, fambosibosika, mpambosibosika I ambosibosehana, fambosibosehana 1 mamosibosika, famosibosika, mpamosibosika 1 amosibosehana, famosibosehana. - F.-p. : Manao be am-bosika : manao be am-bava rehefa mihinana.
Ahitsio |
Bosina | : | mt.ih.: Jer. Ambosina.
Ahitsio |
Bosoa | : | (fr. bouchon) a.: Karazan-javamaniry maivana izay anaovana tsentsin-tavoahangy ny hodiny, na ataon'ny olona amin'ny tadim-pintana koa hamantarana fa homana ny jono ny trondro fintaniny.
Ahitsio |
Bosy | : | ft.: Mitovy amin'ny Ambosy.
Ahitsio |
Bosy | : | Bosibosy a.: Vazivazy, somonga, vosobosotra.
Ahitsio |
Bosy | : | (Tsm.) a. : Akoholahy vositra.
Ahitsio |
Bota | : | Botabota p.t. : Vaventy boribory, fohifohy botrefona sady matavy : Zozo botabota kely mahafatifaty.
Ahitsio |
Botakely | : | a.: Anarana omena ilay tavoahangy boribory kely (ampahefatry ny litatra) izay asian'ny mpivaro-java-pisotro toaka antsinjarany.
Ahitsio |
Botanaka | : | Botataka p.t.: Botrabotra sy makadiry ary mirotaka ny kibony. • Mivonto na mibontsina. - t.i.f.: Mibotanaka, fibotanaka, mpibotanaka 1 botanatanaka.
Ahitsio |
Botanaka | : | a. : BibY maintimainty toy ny fandaibe, volovoloina ihany koa saingy tsy mandratra ny lainy. (Mipetaka mivangongo amin'ny vatan-kazo loaka no fahitana ny botanaka, mifanosina matevina eo toy ny taik'omby nafetaka ; endasin'ny ankizy eny ambanivohitra asiany menaka ny botanaka, ataony be sira, ka haniny am-pankasitrahana izaitsizy).
Ahitsio |
Botanika | : | (fr. botanique) a : Fianarana sY fahalalana momba ny zavamaniry.
Ahitsio |
Botetaka | : | p.t. s Enti-milaza : Ny toerana iva sy ambany. • Ny olona mipetraka amin'ny tany. 1 Ny olona midonanapoana tsy manao na inona na inona. - t.i.f. : Abotetaka, voabotetaka, tafabotetaka 1 manabotetaka, fanabotetaka, mpanabotetaka/ anabotetahana,fanabotetahana I mibotetaka, fibotetaka, mpibotetaka / ibotetahana, fibotetahana 1 mahabotetaka1 botetatetaka.
Ahitsio |
Botetateta | : | p.t.: Fohy kely sady zeny, ary tsy mba tsara bika loatra noho ny hafohiny.
Ahitsio |
Botiboty | : | (Ski) a. : Anaran-kazo misy hafotra mena fanao tadim-pintana.
Ahitsio |
Botinaka | : | a : Mitovy hevitra amin'ny Botanaka.
Ahitsio |
Botitaka | : | p.t.: Enti-milaza ny ankizy mizihitra ny kibony noho ny havokisana be loatra. - t.i.f. s Mibotitaka.
Ahitsio |
Botitika | : | Jer. Bolitika.
Ahitsio |