Litera B

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Boto: a.: Zazalahy kely : Nifaninana hazakazaka ny boto kely ka nahafinaritra eny+ ny nijery azy. • Mpiasa an-trano fanirakiraka sy mpanao raharaha, mazàna voasisi-kevitra fanambaniana. Ahitsio
Boto: a.: Volo mivondrona kely toa sanga eo an-tampondohan'ny vorona sasany. Ahitsio
Botrabotra: p.t.: Dongadonga vaventy sady botrefona (tsy fiteny afa-tsy amin'ny ankizy). Ahitsio
Botraika: a : Di-doha, fanaovan-javatra an'aina, an-kery fotsiny, fa tsy mitady izay mety hahasoa hahatsara aradrariny : Manao botraika fotsiny no hain-dRabe fa tsy mba mitady izay rindrany izy. Ahitsio
Botrefona: p.t.: Sady matavy dongadonga, botrabotra, no matanjaka : Zazalahy kely botrefona. Ahitsio
Botretra: p, t.: Kely, mbola bitika, tsy mahavoa-tena irery : Zaza botretra. Ahitsio
Botrina: (botry) mt.ils. (botrio) : Atao tonga botry, mahantra : Dia hobotrinao izany i dadatoanao amin'ny filafihanao ao aminy mandavan-taona Ahitsio
Botry: p.t.: Fohy, zeny, tsy mitombo intsony : Hazo botry. / Zazavavy botry kely. • H.o. s Tsy manana, lany harena, raya fananana : Izao vao tena botry Rakoto fa lany matin'ny ramoretaka ireo kisoo roa hany sisa nompiany, - t.i.f. : Botrina, voabotry I manabotry na mambotry, fanabotry na fambotry, mpanabotry, na mpambotry 1 anabotriana, fanabotriana i mahabotry 1 botribotry. - F.-p.: Vary botry : karazam-bary vaventy fohy, / Donga vatana fa botry lai-na : enti-milaza ireo zaza mi-hanta loatra, izay ny vatanY mety ho botrefona fa ny saine tsy mitombo na kely akory aza. * Ohob.: Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana : entimilaza fa tsy tokony hatao tsinontsinona ireo jerena toa kelikely na mavomavo fa mety ho izy ireny no hahavita zavatra. /Tery omby ririnina, ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany : enti-milaza fitsimbinana antokon'olona roa, izay samy mitady tombontsoaho azy avy, toy ny mpivarotra sy ny mpividy izany, ohatra, ka amin'ny fiadiam-barotra indrindra no ampiasaina io ohabolana io. Ahitsio
Botry: a.: Lakana lehibe izay misy voizina na entin'ny lay na mandeha amin'ny herin' ny milina. Ahitsio
Botsake: (Ski) p.t : Enti-milaza ny olona malemy valahana ka mivalan-drano matetika. Ahitsio
Botsatsaka: p.t.: Fotsy dia fotsy manakaiky ny bobo. Ahitsio
Botsiaka: p.t.: Fotsy dia fotsy, fotsy madio tsy misy loto. Ahitsio
Boty: a.: Lalana tery. Ahitsio
Boty: p.t.: Kely, madinika, tsy lehibe na be vava : Karama boty ; hala-boty. Ahitsio
Bove: na Bovey (fr. bouvet) a : Hazo misy andahiny sy ambaviny ka afaka mifampiditra atao gorodona : Vita boue ny gorodon'ny trano fandraisam-bahininay, - t.i.f. s Voabove / manabove, fanabove, mpanabove 1 anabovezana, fanabovezana 1 mahabove. Ahitsio
Bozaka: a : Anarana ilazana ny karazan'ahitra ankapobeny : Lasa naka bozaka hatao kitay i Soa. - F.-p. : Bozaka aman'ahitra : enti-milaza ny vahoaka ankapobeny. ¶ M.h.: Ny valalatsimandadiharona, ny valalabemandry, ny sarambabembahoaka, ny sarambaben'ny kintana, ny vodiahitrarivo. / Kitay bozaka: bozaka atao am-patana (mifanohitra amin'ny kitay hazo). / Mifako bozaka: maka bozaka handrahoan-kanina. / Oantra ny bozaka: be dia be. Ahitsio
Bozenizeny: na Bozeny (ft.) p. t.: Fohy vaventy ary mbola iva indray noho ny zeny fotsiny : Bozenizeny kely iahy ilay f ofom badin 'Isam bilo. Ahitsio
Bozy: a.: Anaram-bosotra fiantsoana mazàna ny zazavavy kely : Andeha mantsaka, ry Bozy a Ahitsio
Bozy: a : Fiasan'ny dokotera entina hangaronana fery na ny lalan-drano amin'ny tenan'ny olombelona mba hampandehanana ny fivalanan-drano. Ahitsio
Bozy: na Bojy (Ski) a : Kabaro andrahoina tsy misy fangarony. Ahitsio