Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dibera: (fr, du beurre) a, : Hero-dronono namboarina manokana amin'ny fikapohana azy ka manjary mitambatra sy mivaingana. Ahitsio
Dibohana: (diboka) mt. ih. (dibohy) : Fenoina. Ahitsio
Diboka: p. t. : Difotra ao anaty rano, na sarona tsy misy miseho : Dibo-drano ny tanimbary. 1 H.o. : Feno: Dibokafaliana ny fonay amin'izao fahatongauanao izao. - t.i.f. : Dibohana ( midiboka, fidiboka. Ahitsio
Diby: p,t•: Feno rano izay mameno ny morona : Diby rano ny taninketsa. - t.i.f. : Midibidiby, Ahitsio
Didiana: (didy) mt.ih. (didio) : Tetehina na tapahina na silahina na hetezana: Didio io hena io dia atokony. /Nodididian'iza it? akanjonao it?? ~ Ampanaovina, asaina a-tao : Efa nodidian'ny Fanjakana izany. 1 Omena didY, omena baiko : Didiako ianao hivoaka ny trano. Ahitsio
Didim-panjakana: na Dekre a. : Fanapahana na didy ataon' ny Governemanta, izay ma-nana ny lanjan'ny lalàna. Ahitsio
Didim-pitondrana: na Arete a : Fanapahana ataon'ny fahefana mpitondra ho fampanatanterahana lalàna iray. Ahitsio
Didimananjara: a : Fomban'akanjo atohy amin'ny tenany eo ambonimbony manandrify ny tratra, fa tsy mba eo amin'ny valahana : Hasiana didimananjara, hono, ny akanjon-dRasoa 1 H,i. : Ny akanjo misy izany fomban'akanjo izany : Mitondra akanjo didimananjara Ramavo. Ahitsio
Didintsokina: a, : Ratra toY nY tataka kely eo amin'ny elakela-drantsana na eo =in' ny fanambaninY, ary tsy tsaroana akory izay nahavoa azy, Ahitsio
Didy: a. : Fizarazarana zavatra mivaingana amin'ny zava-maranitra toy ny antsy; rasa, tetika, kapa : Ataovy didy sompirana ny hena. * Fana-Pahana lamba hanaovana akanjo : Tsy tiako it? didy akanjonao ity, ~ Lalàna, fitsipika, baiko : Toy izao ny didin'ny fikambananay ka asa raha hiditra ianao. - t.i.f. : Adidy, didiana, voadidy, dinidy / mandidy, fandidy, mpandidy / andidiana, fandidiana / mididy, fididy 1 mahadidy / didididy, a F,-p, : Didy ambony uakono : didy atao na omena tsy nierana amin'ny lehibe na manohitra ny baikony. / Didy boraingona : didy atao jadona tsy azo valiana fa tsy maintsy arahina; didy atao jadona amin-kery, / Didy foitra : fandidiana ny nofo manarona ny tendron'ny filahian'ny ankizilahy kelY. ¶ M. h.: Fora, fandidiam-poitra, fanikinan ]aza, hasoavana, / Didy kitapo, didy kilaosy : fomba didin'akanjom-behivavy miendrika kitapo na lakolosy / Didy lamba : fandidian'ny mpangalatra fahiny ny lamba, ny zoron-damba namonosan'ny olona ny volany, ¶ M.h, : Fangaronam-paosy ankehitriny, / Didy maty : didy efa tsy arahina intsony, / Didy miafina : didim-pananana atao tsy fantatry ny mpandova fa rehefa maty ilay tompom-pananana vao ampahafantarina azy, / Didy velona: didy mbola manan-kery./ Didim-pananana : fepetra an-tsoratra ataon'ny olona iray momba ny fandovana ny fananany araks izay tiany. / Didim-pitsarana : fanapahan-kevitra ataon'ny mpitsara hanafahana na hanamelohana olona voampanga. / Didin'andriana : tanin' andriana. / Didin-drazana : fomba nataon'ny razana. / Didin-tany : fomban-tany, / Didin-tsokina : aretina amin' ny fanambanin'ny rantsantongotra, / Didiko fe lehibe : didy tsy azo valiana na manao ahoana na manao ahoana, tsy firaharahana ny hevitry ny hafa amin9zay atao. ¶ M.h. : Teniko fe lehibe, didy boraingona. Ahitsio
Didy: a. : Aretina mpahazo ny maso izay mahatonga ny hodimaso hiraikitra ka tsy afamihiratra tsars : Indroa andro izao no didy ny mason' Ibalita kely. * Ohab. : Didy maso tsara ondana : matory manana aretina : ilazana olona manana aretina na misy mahavoa azy, nefa misY zavatra mahasondriana azY ka mipetrapetraka tsy manahY na inona na inona izy. • A-retina mPahazo ny tongotra, izay mamPisy tataka kely amin'ny elanelan'nY rantsana; ny tena ilazana io aretina io anefa dia hoe didintsokina. Ahitsio
Dieny: ppt• feh.: Famintinana„ ny hoe dia ny, izay midikâ hoe : raha mbola : Miasà die- , ny matanjaka. * Ohab. : Mandehana dieny mbola ma-laina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony: Entina hampirisihana olona hanao asa na dia malaina aza, fa rehefa mazoto, sao dia tsy hanampotoana na tsy ho afaka hanao indray. Ahitsio
Difika: a. : Potika na sila-kazo miala raha misy mamaky na manapa-kazô; potika na silaby mipitika avy amin'nY fanapehan'ny mpanefy ny vy amin'ny tantanana; kilalaon' afom-bY mipiritika. - t.i.f. : Adifika, voadifika, tafadifika I mandifika, fandifika, mpandifika / andifihana, fandifihana j midifika, fidifika, mpidifika I idifibana, fidifihana. Ahitsio
Difisesy: a. : Fomban-drandram-bolo izay misesy midi-na avy any ambony ary am-pian volo kely isaky ny ampifanolanina indray mandeha ka mifampidiPiditra mandady hatranY manaraka nY hodi-doha ary miraikitra sy mipetaka amin'ny loha fa tsy mba mikiraviravy na miefakefaka. (Mitovitovy amin'nY lambomiditra ihany ny difisesy, fa ny haventesan'ny sori-bolo no maha-samY hafa azy; ny difisesy dia atao koa hoe randrantarihina). Ahitsio
Difiteria: (fr. diphtérie) a.: Aretin'ny ankizy indrindra, izay miseho amin'ny tenda maharary miaraka amin'ny tazo maivamaivana; vetivety dia misy zavatra fotsifotsY miforona ka mandrakotra ny aty tenda na ny orona; raha tsY voavonjy haingana, dia mety hanentsina ny fiainan'ny marary kamahafaty. Ahitsio
Difotra: p.t. : Sarona, rakotra : Difotry ny rano ny tanimbary. 1 H.o. : Rendrika ao anaty: Difotry ny alahelo i Neny tamin'ny nahalasanan'i zoky tany am-pita. ? Ihoarana, milentika ao anatY : Difotry ny mangahazo aho : loza izany raha hatsaran'izaY voly, - t.i.f• : Adifotra j mandifotra, fandifotsa. Ahitsio
Dify: a. : Lefitra, foritra, jongy atao amin'ny sisin'ny harona na ny tsihy ka asitrika amin' ny tenany ihany indray : Ma-aisy dify na mandify ny tsihy. 1 Fialana amim-pahakingana mba tsy ho hita. 1 p. t. : Lasa any ambadikY ny zavatra iray ka takona tsy hita : Dify ny masoandro. - t.i.f. : Adify, voadify / man-dit y, fandify, mpandifY I andifiana, fandifiana I midify, fidify, mpidif y / idifiana, fidifiana I mahadifY. Ahitsio
Dihindihina: a. : Fandeha sy fihetsika miandranandrana feno rehareha. - t.i.f. : Midihindihina, fidihindihina, mpidihindihina / idihindihinana, fidihindihinana. Ahitsio
Dihizina: (dihy) rat. ih. (dihizo) : Ifaliana anaovana dihy : Vaouao mahafinaritra tahaka izany ha tsy hodihizina F Ahitsio
Dihy: a : Fampisehoam-pihetsehana ataon'ny tena manontolo : loha, tanna, tongotra, ary indraindraY koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana. - t.i.f. : Dihizina na dihizana / mandihy, fandihy, mpandihy I andihizana, fandihizana. - F.-p. : Dihy be : dihy miara-be. / Dihy uazaha : dihY nentin'ny Vazaha ary narnpianarinY, / Dihy gasy : dihY nentim-paharazana malagasy : mandeha irery samy ma-ka ho azy ny mPandihY ka mitsaikona na mamindra, manipy sandry, mandataidrantsana na manetsika ny soroka amim-pahaldngana. / Dihim-bavy : dihy izay ny tanana no manana anjara be indrindra aminy. / Dihin-dahy : dihy izay ny tongotra no manana anjara be indrindra aminy. / Dihim-bazaha : kilalao fanaon'ny ankizivavy : mitsambikina amin'ny tady izay ahoatra ny loha ary ampandalovina ambanin'ny tongotra. / Dihy mihoa-bonga : fanambatambazana izaitsizy, omban'ny hevitra hamitaka. / Dihy ualotra : dihy nampianarin'ny vazaha ka nalaza fahizay tao an-dRova, nisy karazany ma-ro, toy ny Vorombola, Toamasina, Manjakamiadana... ¶ M.h. : tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegY• Ahitsio