Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dimbinantsy: a. : Ahitra na a-nana izay maniry eo amin'ny tahony efa nakana na nanapahana. (Matetika no tapahina amin'ny antsy ny anamamy toy izany ka izany no nahatonga ny anaran'io karazan'anamamy io hoe : anamamy dimbin'antsy). Ahitsio
Dimby: a. : Olona mitana ny toerana ary manohy ny asan' ny teo aloha sy mamelo-maso azy : Ny zanany lahy no dimbin-dRakoto. ? Solo : Tsy ho tsara fanahy ohatra azy akory ny dimbin'io mpampiasa io. - t.i.f. : Dimbasana na diasana, adimbY / mandimby, fandimby, mpandimby / andimbasana, fandimbasana / mahadimby 1 mifandimby. Ahitsio
Dimina: (dimy) mt.ih. (dimio) : Zaraina dimy : Nodimina ny louanay. Ahitsio
Diminambatry: a. : Anaram-bola madinika fahiny izay dimy ampaharoa amby fitopolon' ny ariary, mitovitovy lanjambidy amin'ny lasiray sY varifitoventy. Ahitsio
Dimiventisivoamena: a. : Anaram-bola madinika fahiny izaY dimy amby telopolo ampaharoapolo amby fitoniaton'ny ariary. Ahitsio
Dimpoana: p.t. : Misalebona na misalebolebo, maloiloy. Ahitsio
Dimy: p.i. : Efatra ampiana iray : Dimy ny rantsan'ny ta-nana anila. - t.i.f. : Dimina / manadimy, fanadimy, mpanadimy / anadimiana, fanadimiana / m?dimy, fidimy, mpidimy / idimiana, fidimiana 1 fahadimy / indimy, tsidimidimy / manindimy / fanindimy / ampahadimy / hadimiàpa / sasapahadimy. Ahitsio
Din'asa: a. : Fifaneken'ny olona fahiny isam-bohitra fa hifarimbona amin'ny asa na taozavatra na amin'ny fanenjehana olon-dratsy mba tsy ho resin'ny vohitra hafa ; matetika koa anefa, ny din'asa dia fifaneken'ny vatan-dehilahy amin'ny vohitra iray fa hifaninana amin'ny asa na taozavatra, ka izay mahavita tsara sy haingana no mahazo ny loka. (Ny olona mifanaiky handray anjara amin' ny din'asa toy izany dia na-tao hoe manao dina; izay nahalavorary ny anjarany, na-tao hoe velon-dina na mahomby dina; izay tsy nahefa ny anjarany kosa, maty dina, ary ny ray aman-dreny manasazy izay tsy nahatontosa ny anjarany no nantsoina hoe mamono dina). Ahitsio
Dina: a. : Fanekena nifanarahana, teny nifanekena : Manao d{na fa tsy hivadika. - F,-p, : Dinam-pitiavana : lokaloka fa ho tia mandrakizay. / Dinam-pokonolona : lalàna amam-pitsipika nifaneken'ny fokonolona fa harahina. (Natao am-bava fotsiny taloha fa nampiarahina tamin'ny fianianana na velirano ny dinam-pokonolona; taty aoriana vao natao an-tsoratra ireo lalàna ireo ka no-mena anarana hoe fanekempokonolona izy tamin'izay. / Din'asa: (jar. io). Ahitsio
Dinadina: p.t. : Fano; enti-milaza ny kibo mibontsina no-ho ny fahavokisana. ¶ M.h. : Dibadiba. + t. if. : Midinadina, fidinadina / idinadinana, fidinadinana. Ahitsio
Dinahina: (dinaka) mt.ih. (dinaho) : Velezina, dabohana, kapohina tsy ananana antra. Ahitsio
Dinaka: a. : Vely, daboka, famonoana amin'ny kapoka. • t.i.f. : Dinahina, voadinaka / mandinaka, fandinaka, mpandinaka / andinahana, fandinahana. Ahitsio
Dinamita: (fr. dynamite) a, . Vanja fanapoahana vato, na zavatra tiana hazera toy ny trano, tetezana... Ahitsio
Dindilo: a. : Karazan'ahitra fanasana volo. Ahitsio
Dindina: a. : Ny ateraky ny feo lavareny sady mikarantsana ka mbola re mangintsina ao anaty sofina na dia efa mijanona aza. * t.i.f. : Mandindina, fidindina / idindinana, fidindinana. Ahitsio
Dindo: a. : Tandindona, taratry ny tena; matoatoa. - F.-p. : Mamaia dindo : manao veloma ny fiainana, mamela fahatsiarovana. / Ma-mono dindo : mandroaka matoatoa. Ahitsio
dindonivainga:1-Ny Dindonivainga dia teny mamaritra ny tontolo ivelan'ny hita maso; raha rasaina io teny io dia mizara roa DINDO> midika hoe aloka, VAINGA> dia izay azo tsapai-tanana sy hitan'ny maso rehetra. Marihana fa ny hitan'ny maso dia miatomboka amin'ny bitika indrindra ka hatrany amin'ny vaventy indrindra. 2-Tara-kevitra noforonon'i Dofin Raf ny dindonivainga izay nentiny nandikana ny teny frantsay hoe " métaphysique" saingy ny dindonivainga dia misy fiheverana vaovao izay milaza ny fisian'ny fitsingeringerenana eo anivon'ny fisiana. Hita izany tara-kevitra izany ao amin'ny tranokala dofinraf.blogspot.com Ao anatin'ny dindonivainga dia misy rindra sy hetsika miharo tara-pisainana ara-javakanto : ny ara-panahy , satria araka ny fihevitr'i Dofin Raf dia tsy hafa misaraka ny dindonivainga sy ny ara-panahy. Ahitsio
Dingadingana: a. : Karazan-javamaniry (Psiadia dodonaefolia). Ahitsio
Dingana: a. : Refin'ny elanelan'ny tongotra roa eo ampamindrana : Lava dingana ianao izany noho izaho. ? Halavan-drefy mitovy amin'ny tsaikona mahery kely na ny dia maika (telon-jehy sy hondry : 0,60 m). * t.i.f. : Dinganina, voadingana / mandingana, fandingana, mpandingana / andinganana, fandinganana / mahadingana. Ahitsio
Dinganina: (dingana) mt ih. (dingano) : Itana, vildnina : Dingano io tatatra io raha te ho tonga er9 atsimo er? ianao. ? Hadino, avala : Nodinganiny ny andininy fahatelo tamin'ilay hira. Ahitsio