Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ditinonoka: a. : Hazo akana karazana ditY. Ahitsio
Ditra: a. : Kiry tafahoatra hanao araka ny hevitry ny tena na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza : Be di-doha koa izany raha olona. Tsy nahaleo ditra azy aho ka naleoko nihataka. ~ Finiavana hanao ny tsy mety na dia tenenina lava izao aza : Ditran' ankizy re izany! Tsy avala hifoka sigara izy ka mbola mifoka foana ihany. - t.i.f. : Dirina 1 miditra, fiditra, mpiditra 1 idirana, fidirana 1 mifanditra, fifanditra, mpifanditra 1 ifandirana, fifandixana 1 maditra, haditra 1 an-ditra, Ahitsio
Ditsahina: (ditsaka) mt.ih. (ditsaho) : Lemana, vontosandrano, kotsakotsaina. Ahitsio
Ditsaka: a. : Fivalanandrano, amany. il t.i.f. : Manditsaka, fanditsaka, mpanditsaka 1 anditsahana, fanditsahana. Ahitsio
Ditsihina: (ditsika) mt.ih. (ditsiho) : Rarahana na tsipazana vovoka na poti-javatra mba ho ditsika. Ahitsio
Ditsika: Ditsoka. : p.t. : Misy zavatra ao anaty maso : Ditsoka aho ka andraso kely aloha. 1 Tafiditry ny vovoka na poti-javatra ny maso ka jemby na tsy mahita : Ditsoka ny masoko ka mitete ranomaso. 1 H,i : Entin'ny alahelo na fahoriana mihatra ka feno ranomaso : Ditsoka ny fo amin'izao fahalasanan' ny olo-malala izao. Ny masoko ditsoka leoko ihany, Fa ny fo re no ditsoka ka tomany. (Ny Avana). - t.i.f. : Ditsfhina / aditsika / manditsoka, fanditsoka I anditsohana, fanditsohana. Ahitsio
Dity: a. : Ranon-javatra na ventiny koa aza, voavoatra mba hoenti - manakambana na mampiraikitra taratasy na hazo na zavatra hafa. - t.i.f. : Ditina na ditiana, adity, voaditY 1 manditY, fandity, mpanditY 1 anditiana, fanditiana 1 midity, fiditY 1 iditiana, fiditiana I mabaditY. Ahitsio
Divà: (fr. divan) a. : Seza lava-lava misarina fandriana azo itsorana. Ahitsio
Divaina: (diva) mt.ih. (divao) : Omanina, amboarina : Divao ny entana fa handeha isika. Ahitsio
Divay: a. : Karazan-kazo salasala (Ketmie oseille), Ahitsio
Divay: (fr. du vin) a. : Zavapisotro vita amin'ny ranomboaloboka navela hiketriketrika; misy alkaola eo amin' ny 11-12° eo ho eo ny divay ka mahamamo sy manimba raha sotroina betsaka; mety hahasalama kosa izy raha sotroina amin'ny fotoanan'ny sakafo ka tsy mihoatra ny androatokon'ny litatra amin'ny sakafo mandritra ny ny andro. Ahitsio
Dizenina: (fr. dizaine) : Antokony folo. Ahitsio
Dizidizy: ft. : Enti-milaza firidiridiana. - t.i.f. : Adizidizy / midizidizy, fidizidizy, mpidizidizy 1 idizidiziana, fidizidiziana. Ahitsio
Dizina: a. : Enti-milaza fijoro mitsatoka tsara. 6 t.i.f. : Adizina, tafadizina / midizina, fidizina, mpidizina I idizinana, fidizinana. Ahitsio
Do: a. : Karazam-bibilava makadiry. (Pelophilus madagascariensis). Ahitsio
Do: a. : Ny feo voalohany na ambany indrindra amin'ireo ambaratongam-peo fito amin'ny gama. Ahitsio
Do-: Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza toetra mifandray amin'ny hevitry ny fototeny voalohany : Dorehitra (rehitra). Ahitsio
Doadoa: (dohadoha) a. : Eboebo, hadedahana; teny feno rehareha sy hambo. - t.i.f. : Midoadoa, fidoadoa, mpidoadoa / idoadoana, fidoadoana. Ahitsio
Doafana: (doaka) mt.ih, (doafy) : Velesina, tontana. Ahitsio
Doaka: a. : Vovoka na setroka mitorajofo, ary misy fofona toa manempotra kely na mafaraka mahakofona. 6 t.f.f. : Midoaka, fidoaka 1 idoafana na idoahana, fidoafana na fidoahana. Ahitsio