Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Donotra: (dotra) mt.ih. misy tsofoka on : Voadotra, dora-na, levonina amin'ny afo : Nodonotra ny fitafian'ilay matin 'ny are ti-mifindra, Ahitsio
Donto: p.t. : Tsy mandre tsara fa marenindrenina : Donto mihitsy ny sofin'io zaza io : intelo izy no antsoina vao mahare. • Dombo ny lelany na bontolo ny lohany : Donto ity fandraka • H.i. : Tsy mora mandray fampianarana : Donto velona izany raha zaza : telo volana vao mahay abidy. • Enti-milaza ny vilany izay maharitra elaela vao tanteraky ny hafanana : Ario any io vilany io fa donto izaitsizy : adiny iray vao mahamasa-bary. - t.i.f. : Dontoina, voadonto ( manadonto, fanadonto, mpanadonto) anadontoana, fanadontoana. Ahitsio
Dontoina: (donto) mt.ih. (dontoy): Atao tonga marenindrenina: Mahagaga fa nodontoin'ny aretina io zaza io. • Domboina: Aza dontoina amin'ny vato ny angadinao. ? Tonga tsy mailaka, tsY matasilo intsony : Nodontoin'ny asa mafy loatra zaza ity ka izany no tsy androsoany amin'ny fianarana. Ahitsio
Dontonana: a. : Ny tohan'ny akalana ipetrahan'ny riandriana. Ahitsio
Dora: p.t. : Be haim-bava,fatrapidoka tena. Ahitsio
Dorana: (dotra) mt.ih. (dory) Ampirehetina, asiana amin' ny afo : Nodoran'ny olona ny tanety. 1 Levonina amin' ny afo : Nodorana ny fitafiany fa matin'ny areti-mifindra izy. • Poretina, terena Nodoran'ny Fanjakana ny mpifehy ny faritany mba hampanao lalana haingana. Ahitsio
Doranga: (Ski) a. : Fivelezana amponga na zavatra mikorintsana rehefa manao morenge (na moraingy) na ady totohondry. Ahitsio
Doraraka: na Doreraka p. t.: Mipetrapetra-poana tsy manao na inona na inona; kamo sy kalaina. - t.i.f. : Adoraraka, tafadoraraka / midoraraka, fidoraraka, mpidoraraka / idorarahana,fidorarahana. Ahitsio
Dorehitra: p.t. : Mena be mangatrakatraka sy mivolon' af o. 1 t.i.f. : Midorehitra, fidorehitra. Ahitsio
Doretra: p,t. : Jar. Toretra. Ahitsio
Doria: p.mt. : Enti-milaza fotoana lava tsy manam-piafarany, ary matetika ialohan'ny teny mitovy hevitra aminy hoe mandrakizay : Mondrakizay doria! Ahitsio
Dorkasy: a: Fikambanam-behivavy protestanta, misy saika isam-piangonana, ka misahana fanaovana asa soa na fiantrana amin'ny mahantra, marary, kamboty. Ahitsio
Doro: a. Tsolo; fampirehetana, fanaovana izay hahamasaka na hahakila zavatra : Doro tanety. - t.i.f. : Doroana, voadoro, donoro ( mandoro, fandoro, mpandoro ( andoroana,fandoroana, Ahitsio
Doroana: (doro) mt.ih. (doroy) : Ampirehetina, tsoloana afo : Doroy ireto fako ireto. Ahitsio
Doroboka: ft. : Enti-milaza zavamaniry be ravina sady maitso na akanjo malalaka be ambany sy mirebareba. - t.i.f. : Adoroboka, tafadoroboka ) midoroboka,fidoroboka, mpidoroboka ( idorobohana, fidorobohana. Ahitsio
Doroka: p.t. : Mamo, leon-javapisotro : Doroka isan-kariva ingahy Raire ato atsimo, • H. i. : Rendrika sy tsy mahatsiaro izay ataony intsony. - t.i.f. : Midoroka, fidoroka, mpidoroka (idorohana,fidorohana. Ahitsio
dororororo:teny entina milaza olona anakiray miveravera,na miretareta, azo ilazana ny olona mamo ihany koa Ahitsio
Dory: a. ; Amponga fampiasa amin'ny lanonana masina fivavahana, tromba.,. Ngeza kokoa izy noho ny anakidoro. Matetika dia miaraka ny feon'ireo amponga roa ireo ka misy midoboka st' mikarantsana; any amin'ny faritany andrefana sy avaratra andrefana no mampiasa azy. Ahitsio
Dosika: p.t. : Vaventy sy sala-ma. - t.i.f. : Midosika. Ahitsio
Dosy: o. : Jar. Tosy. Ahitsio