Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Damongy: (Ski) o. : Tsirin-tsatrana. Ahitsio
Danadana: ft. : Enti-milaza toetran'ny zavatra, toy ny varavarana, izay mivoha na misokatra tsara. - t.i.f. : Danadanaina, adanadana, voadanadana, tafadanadana I manadanadana / anadanadanana, fanadanadanana / midanadana, fidanadana, mpidanadana / idanadanana, fidanadanana, mahadanadana. Ahitsio
Danadanaina: (danadana) m t. ih. (danadanao) : Avala hidanadana, hisokatra na hivoha malalaka tsara. Ahitsio
Dananaka: a. sy p.t. : Olona tsY manana eritreritra, tsy mana-na ahiahy, mitsilam odam o-ka, ary mova tsy ny adaladala, dondrona. - t.i.f. : Midananaka,fidananaka, mpidananaka / idananahana, fidananahana. Ahitsio
Danesaka: a. : Fandeha tsY miraidraika, tsy rototra. 1 Fihetsika tsy maka sarotra. • Famindran'ireo matavy izay mamindra miadana sy miresaresa. - t.i.f. : Midanesaka, fidanesaka, mpidanesaka / idanesahana,fidanesahana. Ahitsio
Danga: (Ski) a. : Enti-milaza ny volon'ny alika fotsy vozona : Danga mainty : maintY fotsy vozona. / Danga mena : mena fotsy vozona. / Danga mavo : mavo fotsy vozona. Ahitsio
Dangana: ft. : Enti-milaza fisondrotana avo, fahatongavana amin'ny toerana ambony amin'ny tendrony. - t.i.f. : Adangana / manadangana, fanadangana, mpanadangana I anadanganana, fanadanganana f midangana, fidangana, mpidangana f idanganana, fidanganana, mahadangana. Ahitsio
Dangea: (Ski) a. : Voan-tsatrana efa maniry mihamalemy ny nofony ary azo hanina. Ahitsio
Dangory: (Ski) a. : Taolan'ny voan-tsatrana rehefa lany ny nofony eo ivelany. Ahitsio
Dangy: p. t. : Maty eo no ho eo, maty tampotampoka, maty tsy tra-drano, mitsitra eo no ho eo. ¶ M.h. : Jingy, jihitra. ~ H.i. : Enti-milaza ny olona lokin'ny hehy na mihomehy mafy, nefa amin'io hevitra io dia miampy ny teny hoe hehy izy : Dangin'ny hehy. Ahitsio
Danidany: a. : Diridiry„fahafenoana izay mahatonga ho henjana, enti-milaza indrindra ny kibo feno rivotra na voky ioatra, na ny amponga tsara henjana koa ka midoboka er?. - t.i.f. : Midanidany, fidanidany / idanidaniana, fidanidaniana. Ahitsio
Danihina: (danika) mt.ih. (daniho) : May, voadoro, asian' ny herin'ny hafanana : Danihin'ny andro aho eto fa aoka hihisakisaka any ho any. Ahitsio
Danika: a. : Famelin'ny herin' ny hainandro; hafanana avy amin'ny hainandro. - t.i.f. : Danihina,voadanika / midanika, fidanika, mpidanika f idanihana, fidanihana / mahadanika / danidanika. Ahitsio
Danise: (fr. danse) a. : Dihy vahiny nentin'ny Vazaha, mitovy amin'ny hoe bal, izay iarahan'ny lehilahy sy ny vehivavy misonenika amin'ny feo-mozika, ka mifanatrika ary mifampisakambina izy amin'izany. Ahitsio
Danoka: Danona a. : Fandeha miangoty sy miaingitra ampisehoana fahamboniana na enti-milaza amin'ny hafa fa miadana sy sambatra. - t.i.f. : Midanoka,fidanoka, mpidanoka I idanohana, fidanohana. Ahitsio
Dantelina: (fr. dentelle) a : Rary kofehy madinika mitarehin-tranon-kala fanao hain-)gon'akanjo. Ahitsio
Danty: a, : Jer. Dantelina. Ahitsio
Dany: a. : Sitraka, izay tiana, fanaranana amin'ny sitrapo (tsy fampiasa raha tsy amin' ilay fombam-Pitenenana hoe : Danin 'ny kibo: sitraky ny fo : Efa tsy eo ambany mason-drainy intsony izy ka manao ny danin'nY kibony). Ahitsio
Dao: a. : Feon-javatra miantonta amin-javatra, na feon-kapoka midoboka : Miasa amin'olona tsy mifaditrovana : manao, dao; tsy manao, dao ! Ahitsio
Daomy: (fr, domino) a : Karazan-kilalao misy vato valo amby roapolo misy masony; zaraina mitovy isa amin'ny mpilalao telo ny iraika amby roapolo amin'ireo vato ireo, ka mifandimby mandahatra ny azy raha misy vato miady masony amin'izay mivoaka ny mpilalao; izay mahalany vato any aminy voalohany no mahazo amin'ny indray mihodina, ka dia isaina ho azy ny masom-baton' ireo sisa tsy mbola nahalany ny azy. Ahitsio