Litera E

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Erina: a. : Fitadiavana hahazo bebe kokoa noho izay efa azo: fanaovana izay hahazoana bebe kokoa noho ny anjaran'ny tena; tsY fahafahampo amin'izay efa azo sy nomen'ny olona. - t.i.f. : Mierina, fierina, mpierina / ierenana, fierenana. Ahitsio
Erinerina: a. : Enti-milaza ny toerana mors tazana eny ankavoana. ~ Fipetraka na fihaminkamina eo amin'ny toerana avo sy talaky maso. - t.i.f. : Aerinerina, tafaerinerina / manerinerina / mierinerina, fierinerina, mpierinerina / ierinerenana, fierinerenana. Ahitsio
Eritra: Eritreritra a. : (Ilay verindroa no fampiasa indrindra) Fisainana, asan' ny sain mamakafaka sY mandinika maharitra momba ny zavatra iray : Aza be eritreritra ny amin'izany ianao. - t.i.f. : Eritreretina, voaeritreritra ) mieritra, mieritreritra, fieritreritra, mpieritreritra / leritreretana, fieritreretana / maheritreritra. Ahitsio
Eritreretina: (eritreritra ) mt.ih. (eritrereto) : Sainina, dinihina maharitra : Eritrereto tsara izay teny lazainao. Ahitsio
Eroa: p,mt. : Milaza toerana akaikikaiky, taza-maso eo amin'ny telo na dimy metatra, ka tondroina, mifamaly amin'ny aroa raha tsy tazamaso fa takona : Andeha milalao eroa ambanY tranoheva, rankizy, fa avy ny orana. (Andeha jereo aroa am-pisoko sao dia nankany ilay bitro). Momba ny fiverenany indroa sy ny milaza ny lasa, jar. Eo, - t.i.f. : Mankeroa, mpankeroa / erokatra, eroana. ? F.-p, : Eroa ho eroa : Milaza toerana tsy tondroina marina tsara fa tokotokony fotsiny : Hitanao en iroa zanakazo maniry eroa ho eroa? Ahitsio
Eroana: p.mt. : Jer. Erokatra. Ahitsio
Erokatra: Eroana p.mt. : Manondro mafimafy kokoa no-ho ny eroa, na dia mitovy tsara aza ny hevitra lazainy avy : Erokatra no toa mangatsiatsiaka fa andeha eny no hipetraka. Ahitsio
Erona: a. : Fitezerana, fandrahonana. ~ H,i. : Famoahana feo toy ny mingonona ary arahina fihetsehana vononkandramatra, i) t.i.f. : Manerona, fanerona, mpanerona / aneronana, faneronana f mierona, fierona, mpierona / ieronana, fieronana j maherona. Ahitsio
Erona: a. : Fofon-kanina na zavatramay : Maimbo erona. Ahitsio
Erony: p.mt. : Jereo erỳ Ahitsio
Erotra: a. : Feo hafahafa mivoaka avy any an-tenda sy avy any an' orona isakY ny maka fofon'aina rehefa ma-tory. i ti.f. : Mierotra, fierotra, mpierotxa I ierotana,fierotana. Ahitsio
Ery: ft. : Ilazana fanaovana izay hahatakona, fisitrihana tsy ho hita. - t.i.f. : Miery, fiery, mpiery / ierena, fierena. Ahitsio
Ery:Milaza toerana lavidavitra taza-maso tsara ka tondroina, mifamaly amin' ny ao raha tsy taza-maso fa takona : Ery ambonin'ny tendrombohitra no misy ny tranonay. (Ao ambadiky ny tendrombohitra ao no misy ny tanànan-dry Naivo). Momba ny fiverenany indroa sy ny milaza ny lasa, jer. Eo. : Mankery, mpankery, erikitra, erikatra. - F,-p. : Ery ho ery : milaza toerana tsy tondroina mari-na tsara fa tokotokony fotsiny : Mikisaha ery ho ery fa tratran'ny andro ianao eo. Ahitsio
Ery: p.mt. : Entina manamafy izay lazaina; tokoa : Mahafinaritra er? izany mitsotsotra et? ambony ahi-maitso. Ahitsio
Esanesana: a. : Resaresan'nY olona matavy rehefa mande-ha. Ahitsio
Eseka: (fr. échec) a. : Kilalaontsaina misy efitrefitra 64 ka ny 32 (16 avy ny an-daniny sy ny an-kilany) no andaharana vato 6 karazana, ny roa voalohany amin'ireo dia ny mpanjakalahy sy ny mpanjakavavy. Samy manana ny fandehany avy ireo vato ireo ka mifarnpihinana; rahefa ny mPanjakalahY no lany dia izay no faharesena. Ahitsio
Esiesy: a, : Teny atao fiantsoana ny alika. Ahitsio
Esikesika: a. : Famindra miadana taY manano sarotra noho ny hatavezana sy ny hasemporana vokatr' izany. - t.i.f. : Miesikesika, fiesikesika, mpiesikesika / iesikesehana, fiesikesehana. Ahitsio
Esikesika: (Btl) p.t. : Enti-milaza omby sady be vatana no matavy, Ahitsio
Esinesina: ft. : FahasempotsemPorana eo am-piainana. è t.i.f. : Miesinesina, fiesinesina, mpiesinesina / ieaineaenana, fiesinesenana. Ahitsio