Litera E

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Embana: a. : Endim-balala voatoto. * Ohab. : Maika haninona no mitsoka embana?! Enti-milaza ny olona very saina noho ny hamehana ka manao ny tsy tokony hatao. Ahitsio
Embohana: (emboka) mt,ih. (embohy) : Asiana setrok' emboka : Embohana ny otely. Ahitsio
Emboka: a. : Ditin-kazo na ha-fa, mandefa fofona na setroka rehefa dorana; fofona midofaka : Zavatra telo no natolotry ny Majy an'ilay zazakely : volamena, emboka manitra ary mira. - t.i.f. : Embohana, aemboka I manemboka, fanemboka, mpanemboka I anembohana, fanembohana. Ahitsio
Emboka: Embok'akondro a. : Anarana ilazana ilay fiafaran' ny tahom-boany amin'ny akondro, izay marani-doha manja mainty manopy ranombalahy, sisa mijanona ~ rehefa tapitra niforona daho-]o ny voit. Ahitsio
Embona: a. : Fahatsiarovana a-min' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) no-ho ny fitiavana : Anisan'ny fihetseham-po mamelovelo so am-po ny embona ny tanindrazana. ¶ M.h, : Hanina. i : Voaembona 1 manembona, fanembona, mpanembona ) anembonana, fanembonana. Ahitsio
Emonemona: n. : Fitoetra amin'ny toerana avo noho ny hafa ary somary mihataka. Ahitsio
Empaempa: a, : Jer, Hempahempa. Ahitsio
Empahina: (empaka) mt,ih. (empaho) : Endahana, ovahana: Nempahin'ity hazo it? ny tongotro. Ahitsio
Empaka: a : Hoditra mitsovaka kely, ovaka. 1 p,t. : Miendaka kely tsy latsaka lalina, voaenda-koditra, mien- End da-koditra : Axa mitaraina tanana hiempaka e! - t.i.f. : Empahina, voaempaka 1 manempaka, fanempaka, mpanemPaka 1 anempahana, fanempahana 1 miempaka, fiempaka, mpiempaka 1 iempahana, fiempahana. Ahitsio
Empo: ft. : Fitsonihana, fiovan'ny vongan-javatra ho ranony noho ny fitanehana na fampitaninana andro na afo azy: Tsy Mora empo it9 sauta-ka id izany. - t.i.f. : Empoina, voaempo 1 manempo, fanempo, mpanempo 1 anempoana, fanempoana f miempo, fiempo, Ahitsio
Empoina: (empo) mt.ih. (empoy) : Atao mitsonika amin' ny fitanehana na fampitaninana andro na afo : Empoina ny metaly uao azo tefena. Ahitsio
Empoka: a. • Famelomana ny afo efa saika maty. - t.i.f. : Empohana, voaempoka 1 manempoka, fanem-Poka, mpanempoka 1 anempohana, fanempohana 1 mahaempo. Ahitsio
Emponempona: a. : Fihetsiky ny fo mitepotepo mafy, izay mazàna hita etys ivelany mihitsy aza, noho ny tahotra, fanahiana, fahasasarana,.. - t.i.f. : Miemponempona, fiemponemponal iemponemponana, fiemponemponana. Ahitsio
Endahana: (endaka) mt.ih. (endaho) : Alana hoditra : Efa nendahana ve ilay omby? 1 Esorina ny akanjo eny aminy : Nendahan'ny mpangalatra izy. Ahitsio
Endaka: a : Fialana sarona na fono. - t.i.f. : Endahana, voaendaka, tafaendaka 1 manendaka fanendaka, mpanendaka 1 anendahana, fanendahana 1 miendaka, fiendaka, mpien. daka 1 iendahana, fiendahana 1 mahendaka. Ahitsio
Endany: a, : Soroka sy fan' omby. Ahitsio
Endray: t.-p, : Enti-milaza alahelo rafla 1sY ho zaka : Endray! mafy tokoa izany fisarahana. Ahitsio
Endre: t. p. Enti-milaza fahatairana : Endre! inona ital hitan'ny masoko! / nahadisoam-panantenana : Endre! tsy nampoiziko izy no hahavita izany! Ahitsio
Endrehina: p.t. : Mahatonga ho tsara tarehy, mety : Endrehina anao iny satroka iny. Ahitsio
Endresy: t.-p. : Enti-milaza fankatoavana, na koa fananihaniana, fanarabiana. Ahitsio