Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Faingomihantona: a. : Maritsoratra (') entina misolo zanatsoratra latsaka : Sofin' omby (sofina omby). Ahitsio
Faingy: p,mt. : Fa, saingy. Ahitsio
Faisana: a. : Zava-mahazo, mahavoa, mampangirifiry izaY toy ny famaizana tamin'ny zavatra ratsy natao : Mitondra faisana, mahita faisana. Ahitsio
Faitra: a. : Ngidin'ny zavatra hanina, na ny fahoriana midona. - t.i.f. Mafaitra, hafaitra. Ahitsio
Faiviviana: (ivy) a. : Faloiloy, filebolebo. Ahitsio
Faizina:(fay) inf. ih. (faizo) : Sazina mba tsy hamerina hadisoana intsony. Ahitsio
Faka: a. : Teny enti-milaza ny fototry ny zavamaniry milentika any ambanin' ny tany ka mampiorina azy tsara ary koa misintona ny sakafony avy ao; matetika no mirantsandrantsana eran'ny tany any ny fakan'ny hazo lehibe. - t.i.f. : Fakaina, voafaka 1 mamaka, famaka, mpamaka J amakana, famakana J mifa-~ka 1 mahafaka 1 fakafaka. Ahitsio
Faka: (aka) a. : Fomba entina maka : Toy izao no faka ireny voankazo ireny. ~ p.t. : Azo alaina, tokony halaina : Olona tsy faka taranaka. Ahitsio
Fakaina: Fakafakaina (faka) mt.ih, (fakao, fakafakao) : Ahitsio
Fakamitanahy: a. : Teny ilazana ny fitaomana ataon'ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy : Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namiliuily ny uolam-bahoaka, ¶ MM. : Fitaoman-dratay. • Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena : Fakam-panahy lehibe ho azy io zaua-pisotro eo ambony latabatra io. Ahitsio
Fakana: (aka) a. : Fangalana : Fakana trondro. / Fakana kitay. 1 Fiantsoana : Fakana miaramila Ahitsio
Fakantsary: a.: Fitaovana ampiasaina hakana sary fôtôgrafia. Ahitsio
Fako: a. : Tapatapak'ahitra sy bozaka na potipoti-javatra avy amin'ny fafa trano : Raofy, rankizy, ny fako fa aza avala hipetrapetraka eny a! • H.o. : Ambany, tsinontsinona : Fakon' olona : Olona tsfnontsinona, tsisy antony, indrindra ara-panahY sy ara toe-tsaina. ¶ M.h. : Faikan' olona, tsaikan' olona. - t.i.f. : Fakoina, finako, voafako 1 mifako, fifako, mpifako ) ifakoana, fifakoana 1 mahafako 1 fakofako. Ahitsio
Fakoina: (fako) mt.ih, (fakoy): Angonina, raofina (toy ny fako raofina rehefa avy mifafa trano). Ahitsio
Faktiora: (fr. facture) a.: Taratasy milaza ny vidin-iavatra vidina, izay enti-manamarina koa, raha ilaina, ny toerana sy ny vidiny nividianana azy. Ahitsio
Falà: (Ski) a : Ilay hazo anantonana sy amatorana ny tadivavarana amin'ny fandri-borona. Ahitsio
Faladia: a. : Ny fanambanin'ny tongotra izay mandia tany. - F.-p, : Any ambany faladia : enti-milaza olona heverina ho tsinontsinona, ho ambany dia ambany miolotra amin'ny tena. Ahitsio
Falafa: a. : Tahon-dravin'ny ravinala maina fampiasan' ny olona hatao rindrin-trano any amoron-tsfraka. Trano falafa : Trano vita amin'ny falafa. Ahitsio
Falana: Fala, Fela a, : Ny atiny amin'ny tongotra sy ny tanana, nahatonga ny hoe faladia sy felatanana. Ahitsio
Falano: a. : Karazan-tsaka avy any Kafra (Afrika). Ahitsio