Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famantaranavaratra: a. : Fitaovana tantra entina mamantatra ny avaratra amin' ny alalan'ny takela-by lavalava toy ny sahazam-pamantaranandro misy andriamby, ka manondro ny avaratra mandrakariva ny tendron miloko manga, ary ny atsimo, ny tendrony mlloko mena. Ahitsio
Famantarandrivotra: a. : Zavatra ahodin'ny rivotra ka ahalalana ny hamafin'ny fitsokan'ny rivotra sy ny fiaviany, na avy atsimo na avy avaratra. Ahitsio
Famantohana: (fantoha) a.: Famantsihana. Ahitsio
Famantsihana: (fantsika) a : Fandraiketana amin'ny fantsika. Ahitsio
Famantsy: p.t. : Enti-milaza toetr' olona fetsy sady kinga aoka izany amin'ny fahitana hevitra na tetika. ΒΆ M.h. : Kinga, fetsy, konjo. Ahitsio
Famaohana: (faoka) a. : Lamba, tapa-damba entina mamaoka, manesotra loto. Ahitsio
Famarafarana: (fara, farafara) a. : Fanaovana resaka mialoha ifanarahana mba tsy hisy fifanolanana any aoriana. Ahitsio
Famaraingoana: (faraingo) a. r Fanaovana izay hifelohan' ny lohakeliny. Ahitsio
Famarana: (fatra) a. : Fitaovana entina mamantatra ny fatran'ny zavatra iray : Maro ny famaran'ny Ntaolo toy ny vata, ny zinga... Ahitsio
Famaranana: (farana) a. : Teny atao amin'ny faran ' ny lahateny na lahatsoratra mba ho fehin' izay voalaza / famitana, fanaperana. Ahitsio
Famarina: (varina) a. : Fomba entina mamarina, manosika hianjera. ? p.t. : Azo avarina. Ahitsio
Famarinana: (varina) a. : Fanosehana am-Pidinana ( fanjerana / fandefasana entam-barotra any an-tsiraka, any ampita. Ahitsio
Famaritana: (faritra) o. : Fanasiana faritra, tsipika manodidfna, famalana, famerana. Ahitsio
Famaritsohana: (faritsoka) a. Fikapohana amin'ny rotsakazo, kotopia, karavasy. Ahitsio
Famarivary: (varivary) a. :Fomba entina mamarivary na mametaka varivarinY amin'ny tafo. Ahitsio
Famasavasa: (vasavasa) a. Fomba entina mamasavasa na mamakafaka hatramin'ny antsipiriany madinika. ? p. t.: Azo vasavasaina. Ahitsio
Famasavasana: (vasauasa) a. famakafakana hatramin' ny antsipiriany madinika, Ahitsio
Famasoka: (vasoka) a. : Fomba entina mamasoka, manala baraka. 1 p.t. : Azo vasohina. Ahitsio
Famata: (Ski) a. : Hazo marokoroko tsy misy ravina', fanaovana dity mafy ny ranony ka anditiana lakana na hazo fisaka hafa. Ahitsio
Famato: (vato) a. : Toetran'ny zavatra mamato, izany hoe mivontovonto mafimafy. 1 Ody lazaina ho maharo ny fana-nana amin'ny mpangalatra na amin'ny loza. Ahitsio