Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famelana: (vela) a. : Fanajanonana, fandaozana : Eto no famelana ny fahazaran-dratsy rehetra raha te handroso amin'ny fiainan'ny mpivady marina ianao. Fanomezan-dalana : Avy aiza no nahazoanao famelana handeha eran'ny sahako? Famindrana fo : Mangata-pamelana, tompoko, fa diso. Ahitsio
Famelapelarana: (pelapelatra) a : Fanasiana, famelezana tehamaina. Ahitsio
Famelapelatra: (pelapelatra) a. : Fomba entina mamelapelatra, manisy tehamaina. 1 p, t.: Mendrika na tokony hasiana tehamaina. Ahitsio
Famelezana: (vely) a. : Fikapohana; fampitondrana faisana na fahavoazana / fandevilevena / fanaratsiana / fanoherana. Ahitsio
Famelomana: (velona) a. : Fanomezana aina indray : Famelomana ny mata. ~ Fiahiana, fikarakarana : Adidinao na famelomana ireo kamboty kely ireo. ? Fampanenoana : An'iza na fomelomana lakolosy anio? ~ Fampirehetana : Tsy sarotra ny famelomana afo raha main tsara ny kitay. Ahitsio
Famelona: a. : Karazan-kazo tsara volo atao haingon-drafitra, izay atao hoe koa Raiheka. Ny famelona dia nampiasaina tamin'ny fitsitsihana ny zaza noforana taloha. Ahitsio
Famelona: (velona) a. : Fomba entina mamelona. 1 p.t. : A-zo velomina. Ahitsio
Famelondindo: a. : Fampahatsiahivana ny zavatra natao, indrindra ny levenam-bola. ~ Karazam-bahy. Ahitsio
Famely: (vely) a. : Fomba entina mamely.l p, t. : Azo velezina. Ahitsio
Famenavena: (venavena) a. : Fomba entina mamenavena, manokatra mitanatana. Ahitsio
Famendrampendrana: (pendrampendrana) a.: Ny taratry ny hazavana marnono maso. Ahitsio
Famendrana: (uendrana) a. Fomba entina mamendrana, manokatra na mamadika ny hodimaso. Ahitsio
Famendranana: (vendrana) a. : Fanokafana, famadihana ny h odimaso ; famerahana roa. Ahitsio
Famendrivendrena: (vendrioendry) a. : Fampivezivezena tsY misy antony; famitahana. Ahitsio
Famendrivendry: (vendrivendry) a. : Fomba entina mamendrivendry, mamitaka, mampivezivezy tsy misy antony. Ahitsio
Famendrofendroana: (fendrofendro) a : Fampitomboana alahelo, fampitomaniana, fanaovana izay hampifararemotra. Ahitsio
Famenjana: (fenja) a : Fangeiana, famiazana, fitazonana tsy hikofoka, fanagiazana. Ahitsio
Fameno: (feno) a. : Izay entimameno, izany hoe entina manovona ny zavatra iray banga na tsy ampy mba hahafeno azy. 1 Fomba entina mameno. Ahitsio
Famenoana: (feno) a. : Fanasiana; fanampiana mba ho feno, fanotorana : Ny famenoana ny siny; ny famenoana ny banga. Ahitsio
Famentimpentenana: (pentimpentina) a. : Fandotoana amin'ny fanasiana pentimpentina, fanasolotehana, fanasotitehana, famandambandanana. Ahitsio