Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famonto: a. : Tsodrano, fanambinana : Hoy ny mpitsitsika mamarana ny fomba atao rehefa milefona omby : Izay mitady hivadika, hifoteran' ny lefona eny an-tanany ante izy! Fa raha mahatana izao lefona omby izao kosa, modia famonto! Ahitsio
Famonto: (uonto) a. : Fomba entina mamonto, mandena ho vonto, manaboboka. Ahitsio
Famontosana: (uonto) a. : Fanabobohana. Ahitsio
Famony: (vony) a. : Toetran' ny zavamaniry mamony, Ahitsio
Famoraborana: (borabora) a. : Famehezana na famatorana migoragora na malemy. Ahitsio
Famorahana: (voraka) a. : Famahana, famoahana avy ao anaty zavatra; fampisehoana izay ao anaty. Ahitsio
Famoraka: (voraka) a. : Fomba entina mamoraka, marna-ha, mamoaka avy ao anaty, mampiseho izay ao anaty. ? p.t. : Azo vorahina, tokony hovorahina : Tsy famoraka amin'ny olon-dratsy toa ireny ny ao am-po. 208 Famorana (fora) a. : Fandidiana foitran-jaza, izany hoe fanalana ilay hoditra manarona ny lohan'ny filahian-jaza; fanaovana hasoavana. ¶ M.h. : Didifoitra, sikina, sambatra, hasoavana. Ahitsio
Famoravora: (uoravora) a. : Fomba entina mamoravora, manaborabora, manageragera. Ahitsio
Famoravorana: (uorauora) a. : Fanaboraborana, fanageragerana; fanasafotofotoana, fanasavorovoroana. Ahitsio
Famorehana: (vorika) a. : Famosaviana amin' ny ody ; fanomezana sakafo misy ody mahafaty na mankarary. Ahitsio
Famorenana: (vorina) a. : Fangoronana kofehy ho vita kibory. Ahitsio
Famorery: (uorery) a. : Fomba entina mamorery, manala baraka. Ahitsio
Famoretahana: (foretaka) a. : Fanasiana fotaka mifetaka; fanasolitihana. Ahitsio
Famoretana: (foritra) a. : Fampileferana, fampiketronana. Ahitsio
Famoretana: (foritra) a. : Fanerena, fangejana, famiazana, fampahoriana. Ahitsio
Famoriana: (uory) a. : Fiantsoana ho tonga miaraka amin' ny toerana iray; fanaikana, fanaingana : Famorian'ny ben'ny tanàna ny fokonolona ny alarobia. ? Fanangonana : Raharaha ny famoriana tain 'omby ho an' ny mpamboiy. Ahitsio
Famorika: (uorika) a. : Fomba entina mamorika, mamosavy amin'ny sakafo. ? p.t. : Azo vorehina. Ahitsio
Famorina: (vorina) a. : Fomba entina mamorina, mangorona kofehy ho vita kibory. ? p. t.: Azo avorina, ahorona ho kibory. Ahitsio
Famoritra: (foritra) a. : Fomba entina mamoritra. Ahitsio
Famorivoriana: (vory) a. : Fandroadroatana. Ahitsio