Famoronana | : | (forona) a. : Fanaovana zavatra tsy mbola nisy nanan : Ny Sinoa no nahita voalohany ny famoronana ny vanta.
Ahitsio |
Famorotana | : | (rotana) a. : Toetran'ny kibo be mandroso midina.
Ahitsio |
Famorotsahana | : | (forotsaka)a. : Fanaovana zavatra tsy am-piheverana, mirotoroto.
Ahitsio |
Famorotsaka | : | (porotsaka) a. : Fomba entina mamorotsaka, mirotoroto, manao tsY arnpiheverana.
Ahitsio |
Famorovoro | : | (vorovoro) a. : Fomba entina mamorovoro, manakorontana, manasafotofoto.
Ahitsio |
Famorovoroana | : | (vorovoro) a.: Fanakorontanana, fanasafotofotoana.
Ahitsio |
Famory | : | (vory) a. : Fomba entina mamory. ? P.t. : Azo vorina.
Ahitsio |
Famosaviana | : | (mosavy) a. : Fanasiana mosavy, famorehana, fanimbana olona amin'ny p oizina.
Ahitsio |
Famosavy | : | (mosavy) a. : Fomba entina mamosavy,
Ahitsio |
Famoserana | : | (fositra) a. : Fandoahana, fandilorana hazo ao anatin'ny hazo iray hafa mba hiteraka af o.
Ahitsio |
Famosirana | : | (vositra) a. : Fanalana izay organa mampiteraka.
Ahitsio |
Famositra | : | (vositra) a. : Fomba entina mamositra. ? p.t. : A-zo vosirina.
Ahitsio |
Famosorana | : | (uosotra) a. : Famazivaziana, fananihaniana, fanarabiana.
Ahitsio |
Famosotra | : | (vosotra) a. : Fomba entina mamosotra, mamazivazy, mananihany.
Ahitsio |
Famotaka | : | (fotaka) a. : Fifangaroana, fifanjevoana tsy ahitana ny ahy sy ny azy. - t.i.f. : Mifamotaka,fifamotahana.
Ahitsio |
Famotehana | : | Fanapotehana (potika) a. : Fanamontsamontsanana, fanorotoroana, fanotohotoana.
Ahitsio |
Famoterana | : | (fotitra) a. : Fametrahana zavatra mifamotitra, izany hoe mifamadika, ka ny tokony ho ambony ha-tao ambany, ny an-doha ha-tao an-tongotra. ? Filazana olom-pady ho heny. ? Fampifamadihana.
Ahitsio |
Famotetahana | : | (fotetaka) a : Fanasolitihana.
Ahitsio |
Famotika | : | Fanapotika (potika) a. : Fomba entina manapotika, mamotika.
Ahitsio |
Famotoanana | : | (fotoana) a. : Fanomezana fotoana olona.
Ahitsio |