Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famoronana: (forona) a. : Fanaovana zavatra tsy mbola nisy nanan : Ny Sinoa no nahita voalohany ny famoronana ny vanta. Ahitsio
Famorotana: (rotana) a. : Toetran'ny kibo be mandroso midina. Ahitsio
Famorotsahana: (forotsaka)a. : Fanaovana zavatra tsy am-piheverana, mirotoroto. Ahitsio
Famorotsaka: (porotsaka) a. : Fomba entina mamorotsaka, mirotoroto, manao tsY arnpiheverana. Ahitsio
Famorovoro: (vorovoro) a. : Fomba entina mamorovoro, manakorontana, manasafotofoto. Ahitsio
Famorovoroana: (vorovoro) a.: Fanakorontanana, fanasafotofotoana. Ahitsio
Famory: (vory) a. : Fomba entina mamory. ? P.t. : Azo vorina. Ahitsio
Famosaviana: (mosavy) a. : Fanasiana mosavy, famorehana, fanimbana olona amin'ny p oizina. Ahitsio
Famosavy: (mosavy) a. : Fomba entina mamosavy, Ahitsio
Famoserana: (fositra) a. : Fandoahana, fandilorana hazo ao anatin'ny hazo iray hafa mba hiteraka af o. Ahitsio
Famosirana: (vositra) a. : Fanalana izay organa mampiteraka. Ahitsio
Famositra: (vositra) a. : Fomba entina mamositra. ? p.t. : A-zo vosirina. Ahitsio
Famosorana: (uosotra) a. : Famazivaziana, fananihaniana, fanarabiana. Ahitsio
Famosotra: (vosotra) a. : Fomba entina mamosotra, mamazivazy, mananihany. Ahitsio
Famotaka: (fotaka) a. : Fifangaroana, fifanjevoana tsy ahitana ny ahy sy ny azy. - t.i.f. : Mifamotaka,fifamotahana. Ahitsio
Famotehana: Fanapotehana (potika) a. : Fanamontsamontsanana, fanorotoroana, fanotohotoana. Ahitsio
Famoterana: (fotitra) a. : Fametrahana zavatra mifamotitra, izany hoe mifamadika, ka ny tokony ho ambony ha-tao ambany, ny an-doha ha-tao an-tongotra. ? Filazana olom-pady ho heny. ? Fampifamadihana. Ahitsio
Famotetahana: (fotetaka) a : Fanasolitihana. Ahitsio
Famotika: Fanapotika (potika) a. : Fomba entina manapotika, mamotika. Ahitsio
Famotoanana: (fotoana) a. : Fanomezana fotoana olona. Ahitsio