Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famotofotoana: (fotofoto) a. : Fanasavoritahana, fanakorontanana. Ahitsio
Famotopotorana: (fototra) a. : Fanadihadiana, famakafakana. Ahitsio
Famotorana: (fototra) a. : Fanadinadinana atao mba hahitana izay nanao, raha nisy heloka bevava vita; fakana am-bavany : Tapa-bolana vao vita ny famotorana ireo voampanga mihoatra ny zato. Ahitsio
Famotrahana: Fanapotrahana (potraka) a. : Fandavoana, fampianjerana. Ahitsio
Famotraka: Fanapotraka (potraka) a. : Fomba entina mamotraka, manapotraka. Ahitsio
Famotretrehana: (votretrika) a. : Fampifanongoavana, fanavosana tsy misy kitotony, Ahitsio
Famotretrika: (votretrika) a. : Fomba entina mamotretrika. mampifanongoa, manavosa tsy misy kitotony, ? p.t. : Azo avotretrika. Ahitsio
Famotsahana: (potsaka) a. : Fanalana, fanesorana, fanatsoahana. Ahitsio
Famotsaka: Fanapotsaka (potsaka) a. : Fomba entina mamotsaka, manapotsaka, manala, manesotra, manatsoaka. Ahitsio
Famotsehana: Fanapotsehana (potsika) a. : Fanorotoroana, fanamontsanana. Ahitsio
Famotserana: Fanapotserana (Potsitra) a. : Fandoahana, famakiana (vaY); fampisehoana miharihary. Ahitsio
Famotsiamaso: a. : Ny faritra fotsy anoloana amin'ny maso, izay boribory somary mivohitra ary tantera-pahazavana. Ahitsio
Famotsiana: (fotsy) a. : Fanadiovana (metaly) amin'ny fikasohana, fandilorana. Ahitsio
Famotsika: Fanapotsika (potsika) a. : Fomba entina mamotsika, manapotsika. Ahitsio
Famotsitra: Fanapotsitra (potsitra) a. : Fomba entina mamotsitra, manapotsitra. Ahitsio
Famotsorana: (votsotra) a. : Fanafahana gadra na mpanompo; fanalàna ny fahotana. Ahitsio
Famotsotra: (votsotra) a. : Fomba entina mamotsotra, manafaka. ? p. t. : Azo votsorana, Ahitsio
Famovo: (vovo) a. : Fomba entina mamovo, malts hazandrano amin'ny vovo. ? p, t. : Azo vovoina. Ahitsio
Famovoana: (vovo) a. : Fakàna hazandrano amin'ny vovo. Ahitsio
Famovohana: (vovoka) a. : Fanetsehana vovoka, fandrakof ana vovoka. Ahitsio