Famotofotoana | : | (fotofoto) a. : Fanasavoritahana, fanakorontanana.
Ahitsio |
Famotopotorana | : | (fototra) a. : Fanadihadiana, famakafakana.
Ahitsio |
Famotorana | : | (fototra) a. : Fanadinadinana atao mba hahitana izay nanao, raha nisy heloka bevava vita; fakana am-bavany : Tapa-bolana vao vita ny famotorana ireo voampanga mihoatra ny zato.
Ahitsio |
Famotrahana | : | Fanapotrahana (potraka) a. : Fandavoana, fampianjerana.
Ahitsio |
Famotraka | : | Fanapotraka (potraka) a. : Fomba entina mamotraka, manapotraka.
Ahitsio |
Famotretrehana | : | (votretrika) a. : Fampifanongoavana, fanavosana tsy misy kitotony,
Ahitsio |
Famotretrika | : | (votretrika) a. : Fomba entina mamotretrika. mampifanongoa, manavosa tsy misy kitotony, ? p.t. : Azo avotretrika.
Ahitsio |
Famotsahana | : | (potsaka) a. : Fanalana, fanesorana, fanatsoahana.
Ahitsio |
Famotsaka | : | Fanapotsaka (potsaka) a. : Fomba entina mamotsaka, manapotsaka, manala, manesotra, manatsoaka.
Ahitsio |
Famotsehana | : | Fanapotsehana (potsika) a. : Fanorotoroana, fanamontsanana.
Ahitsio |
Famotserana | : | Fanapotserana (Potsitra) a. : Fandoahana, famakiana (vaY); fampisehoana miharihary.
Ahitsio |
Famotsiamaso | : | a. : Ny faritra fotsy anoloana amin'ny maso, izay boribory somary mivohitra ary tantera-pahazavana.
Ahitsio |
Famotsiana | : | (fotsy) a. : Fanadiovana (metaly) amin'ny fikasohana, fandilorana.
Ahitsio |
Famotsika | : | Fanapotsika (potsika) a. : Fomba entina mamotsika, manapotsika.
Ahitsio |
Famotsitra | : | Fanapotsitra (potsitra) a. : Fomba entina mamotsitra, manapotsitra.
Ahitsio |
Famotsorana | : | (votsotra) a. : Fanafahana gadra na mpanompo; fanalàna ny fahotana.
Ahitsio |
Famotsotra | : | (votsotra) a. : Fomba entina mamotsotra, manafaka. ? p. t. : Azo votsorana,
Ahitsio |
Famovo | : | (vovo) a. : Fomba entina mamovo, malts hazandrano amin'ny vovo. ? p, t. : Azo vovoina.
Ahitsio |
Famovoana | : | (vovo) a. : Fakàna hazandrano amin'ny vovo.
Ahitsio |
Famovohana | : | (vovoka) a. : Fanetsehana vovoka, fandrakof ana vovoka.
Ahitsio |