Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanagaboka: (gaboka) a.: Fomba entina manao antontanY, fanavosa, fanavovona. Ahitsio
Fanagadra: (gadra) a. : Fomba entina mamatotra amin'ny gadra. Ahitsio
Fanagadrana: (gadra) a. : Famatorana amin'ny gadra; fampidirana an-tranomaizina. Ahitsio
Fanagaigy: (gaigy) a. : Fomba entina managaigy, mahatonga gaigy. Ahitsio
Fanagaina: (gaina) a. : Fomba entina managaina, mandiso fanantenana. Ahitsio
Fanagainana: (gaina) a. : Fandisoana fanantenana. Ahitsio
Fanagana: Fangana (gana) a. : Fomba entina managana, mandrindrina varavarana na mikapoka mafy. Ahitsio
Fanaganana: (gana) a. : Fandrindrinana varavarana, na fikapohana mafy, Ahitsio
Fanagarebohana: (gareboka)a,: Fitelemana mandrebodreboka, mandrapadrapaka. Ahitsio
Fanagareboka: (gareboka) a. : Fomba fitelina, mandrapadrapaka. Ahitsio
Fanagedragedra: (gedragedra) a. : Fomba fanaketraka, fanagoragora fatorana. Ahitsio
Fanagedragedrana: (gedragedra) a. : Fanaketrahana, fanagoragorana fatorana. Ahitsio
Fanagegena: (gaigy) a. : Asa a-tao raha managaigy. Ahitsio
Fanagidrogidro: (gidro) a. : Fomba entina managidrogidro na mampikasoka zavatra miteraka feo midridridridry. Ahitsio
Fanagidrogidroana: (gidro) a. : Fampikasohana zavatra miteraka feo midridridridry, mifandilotra. Ahitsio
Fanagigigigiana: (gigigigy) a. : Famatorana mafy dia mafy. Ahitsio
Fanagigigigy: (gigigigy) a. : Fomba famatotra mafy. Ahitsio
Fanagoana: (goana) a. : Fomba entina managoana na mamoha mafy miriadriatra. Ahitsio
Fanagoanana: a, : Famohana an-tratreva ny varavarana ka mahatonga feo mikotrokotroka sy mirefotra. Ahitsio
Fanagorabahana: (gorabako)a.: Fandoahana makadiry, fanaovana lavaka lehibe sy malalaka. Ahitsio