Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivezehana: (uezika) a.: Fifindrafindrana toerana; fandehanana etsy sy eroa ka miverimberina eo hatrany. Ahitsio
Fivezenana: (vezina) a.: Fironana, fihetsehan-javatra malefolefo toy ny rotsa-kazo izay atsatoka amin'ny tany ka arona miankavia na miankavanana dia miverina amin' ny toerany teo aloha indray. Ahitsio
Fivezika: (vezika) a.: Toetran' ny olona mivezika, izany hoe mandeha miova toerana. Ahitsio
Fivezina: (vezina) a.: Toetran' ny zavatra mivezina, izany hoe miverina amin'ny toerany teo aloha indray. Ahitsio
Fivezivezena: (veziuezy) a. : Fandehanana ats? sy ar?, fitotototoana mankatsy sy mankaroa: Fivezivezena tsy hita isa uao vita iny raharaha iny, ~ Fiasana dia: Naharitra antsasak'adiny ny fivezivezeko tao an-dalantsara vao noraisin'ilay Rangahy aho. • Fivoivoizana, firioriovana: Lany amin'ny fivezivezena eran'ny tanàna ny faladian-kirarony. Ahitsio
Fivezivezy: (vezivezy) a.: Fomba na toetran'ny olona mivezivezy, izany hoe mandeha ats? sy ar?, mitotototo mankatsy mankaroa, miasa dia, mirenireny. Ahitsio
Fivezovezo: (vezovezo) a.: Fomba entina mivezovezo, izany hoe miady, mila vaniny, mitory amin'ny fitsarana. Ahitsio
Fivezovezoana: (vezovezo) a.: Fiadiana, filàna vaniny, fitoriana amin'ny fitsarana. Ahitsio
Fividianana: (vidy) a.: Fandoavana vola atao takalon-javatra: Teo am-pividianana mofo no nahitako an-dRabe. Ahitsio
Fividy: (vidy) a.: Fomba entina mividy.l p. t.: Azo vidina. Ahitsio
Fivihivihiana: (vihivihy)a,: Fangovitana, fipararetana noho ny hatsiaka. Ahitsio
Fivihivihy: (uihiuihy) a.: Toetran'ny olona mivihivihy, izany hoe mangovitra, mipararetra noho ny hatsiaka. Ahitsio
Fivika: (vika) a.: Toetran'ny taolana mivfka, izany hoe mipitsoka, mifandiso ny tonony. Ahitsio
Fivikavika: (vikauiko) a.: Toetran'ny zavatra mivikavika, izany hoe voazaitra andrana fotsiny fa tsy mbola tena izy, Ahitsio
Fivikina: (uikina) a,: Fomba entina mivikina, izany hoe mandingana misavoana avo dia mikasika ny tany indray: Hafa kely ny fivikin'ny sahona. Ahitsio
Fivikinana: (vikina) a,: Fandinganana misavoana avo dia mikasika ny tany indray: Ilana tanfaka ay halavana ny fivikinana. 1 Fitsipahana, fipihana: Ny fiuikinan'ny sahona. Ahitsio
Fivikivikiana: na Fivikiviky (vikiviky) a.: Famindràna mailamailaka, fandehanana amim-paharisihana: Foly Ikoto fa nomen-dreniny vola, ka akory izany fivikivikiany (izany fivikivikiny) nankany antsena, Ahitsio
Fivikiviky: (vikiviky) a.: Toetran'ny olona mivikiviky, izany hoe mandeha mailamailaka, amim-paharisihana. Ahitsio
Fivilana: (vilana) a.: Toetran' ny zavatra mivilana, izany hoe tsy mahitsy tsars. Ahitsio
Fivilanana: (vilana) a.: Tsy fahitslana tsars fa misompirana. Ahitsio