Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivokohana: (vokoka) a.: Filantsihana; fanjokoana: Ny fivokohan'ny hazo no tsy nahitan'ny mpizaha ilay vorona, Ahitsio
Fivokoka: (vokoka) a.: Toetran' ny zavatra mivokoka. Ahitsio
Fivokovoko: (vokovoko) a.: Toetran'ny zavatra mivokovoko, izany hoe misy mivohitra, mikibontana. Ahitsio
Fivokovokoana: (vokovoko) a.: Fisiana mivohitra, mikibontana. Ahitsio
Fivoky: (voky) a.: Toetran'ny olona nivoky. Ahitsio
Fivolana: (volana) a.: Fomba entina mivolana na miteny; fiteny. Ahitsio
Fivolanana: (volana) a.: Fitenenana. Ahitsio
Fivolimbolena: (volimbolina) a.: Fihorongoronana ohatra ny volimbolina. Ahitsio
Fivolimbolina: (volimbolina) o.: Toetran'ny zavatra mivolimbolina, izany hoe miolanolana. Ahitsio
Fivona: (vona) a.: Toetran'ny zavatra mivdna, izany hoe misy tonon-kofehy. Ahitsio
Fivonana: (vona) a.: Fisiana vo-na na tonon-kofehy. Ahitsio
Fivondrahana: (vondraka) a,: Fahatavezana, fivorahana: Dadray izany fivondrahandRangahy it?! Ahitsio
Fivondraka: (vondraka) a.: Toetran'ny biby na olona mivondraka na matavy. Ahitsio
Fivondrona: (vondrona) a. :Toetran'ny blona na zavatra mivondrona izany hoe mikambana ho iray. Ahitsio
Fivondronana: (vondrona) o,: Fitambaran'olona na zavatra mikambana ho iraY: Noho ny fivondronan'ny fokonolona no nahatsanganana an' io trano sekoly io, Ahitsio
Fivondronana: na Fivondronam-pokontany a,: FEtambaran'ny firaisam-pokontany maromaro na vitsivitsy eo ambany fifehezan'ny lehiben'ny Fivondronam-pokontany ary ao anatin'ny Faritany, - Ahitsio
Fivongadiana: (vongady) a.: Fisehoana miharihary, mitokana en'', misongadina. Ahitsio
Fivongady: (vingady) a.: Toetran'ny olona na zavatra mivongady, izany hoe misaraka amin'ny hafa ka miseho miharihary mitokana er$. Ahitsio
Fivongaingena: (vongaingy) a.: Fiforetana eo ambanin'ny enta-mavesatra, filonjehitra, Ahitsio
Fivongaingy: (vongaingy) a.: Toetran'ny olona mivongaingy, izany hoe miforitra eo ambanin'ny enta-mavesatra, milonjehitra, Ahitsio