Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivongana: (vongana) a,: Toetran'ny zavatra mivongana, izany hoe mitambatra ho iray tsy misaraka. Ahitsio
Fivonganana: (vongana) a,: Fitambarana ho iray tsy misaraka. Ahitsio
Fivongehana: (vongika) a.: Fitondrana (zavatra) amim-pahasahiranana izaitsizy. Ahitsio
Fivongika: (vongika) a,: Fomba entina mivongika, izany hoe mitondra zavatra betsaka ka efa mananosarotra ers', Ahitsio
Fivongovongo: (vongovongo) a.: Toetran'ny zavatra mivongovongo, na natao antontany ho avoavo , Ahitsio
Fivongovongoana: (vongovongo) a.: Fifanongoavana, fiavosana, fiavovonana, Ahitsio
Fivonkenana: (vonkina) a.:Fiforetana. Ahitsio
Fivonona: (vonona)a.: Toetran' ny olona mivonona, izany hoe manao fiomanana. Ahitsio
Fivononana: (vonona) a,: Fahavitam-piomanana; fikasana; fanomanana, Ahitsio
Fivontangina: (vontangina) a.: Fivontosana, fibontanana. Ahitsio
Fivontirika: (vontirika) o,: Toetran'ny maso mivontirika, izany hoe lehibe sy avo noho ny manodidina, mova tsy ny hivoaka lny. Ahitsio
Fivonto: (vonto) a,: Toetran' ny zavatra mivonto, lzany hoe mitombo habe ka manjary avo noho ny manodidina. Ahitsio
Fivontosana: (vonto) a,: Fftomboana ho lehibe; fitomboana habe noho ny aretina, Ahitsio
Fivorahana: (voroka) a,: Fitresahana, fiverahana, fahatavezana. Ahitsio
Fivoraka: (voraka) a,: Toetran' ny zavatra na olona mivoraka, izany hoe mitresaka, miveraka, na matavy izaitsizy. Ahitsio
Fivoravora: (voravora) o.: Toetran'ny zavatra mivoravora, na miborabora, migoragora; toetran'ny olona mivoravora na mitaraikiraiky, miveravera, Ahitsio
Fivoravorana: (voravora) a.: Fiboraborana, fiketrahana, figoragoràna: Manahirana ny fitondrana an'io entana io noho ny fivoravorony, 1 Fitaraikiraikena, fiveraverana: Noho ny fivoravoranao no nahavaky io kaopy io, Ahitsio
Fivorenana: (vorina) a.: Fihoronana ho kibory; fivonkenana. Ahitsio
Fivoriana: (vory) a,: Fihaonan' olona vitsivitsy na maro, miara-midinika momba ny zavatra iray na mihaino kabary na lahateny famelabelarankevitra: Isan'Asabotsy ny fivoriam-pokontany any aminay. / Anio misy fivorian' ny filankevitra mpizarazara mari-boninahitro, tarihin'ny filoham-pirenena. Ahitsio
Fivorina: (vorina) a,: Toetra na fomban'ny zavatra mivorina, izany hoe mihorongorona ho kibory. Ahitsio