Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivozihitra: (vozihitra) a,: Toetran'ny zavatra mivozihitra na mibontsina. Ahitsio
Fizaha: (zaha) a.: Fomba entina mizaha na mandeha hijery; mitady. Ahitsio
Fizahana: (zaha) a.: Fandehanana mijery: Fizahana lanonana. 1 Fitadfavana: Tay mora ny fizahana asa ankehitriny. ? Fitsapana: Fizahana toetra an'Itrimofoloalina ve sa inona no nilazana fa ha-tao sorona izy ho ala faditr' Andriamasinavalona? • Fanontaniana ny sikidy. ? Fandinihan'ny dokotera ny marary izay manatona azy mba hotsaboina: Amin'ny maraina ihany no fizahon'i dokotera Ranona. Ahitsio
Fizahozahoana: (izaho) a.: Fiheverana ny tena ho zavatra, ka ny tena foana no tenenina. Ahitsio
Fizaingizaingy: na Fijaingijaingy (zaingezaingy, jaingi/aingy) a,: Fomba entina mizaingizaingy na mijaingijaingy, izany hoe mandeha irery, Ahitsio
Fizaka: (zaka) a.: Fomba entina mizaka na miresaka.•p. t.: Azo zakaina na resahina. Ahitsio
Fizaka: (zaka) a,: Fomba entina mizaka, na mitondra, miaritra. 1 p. t.: Azo zakaina, Ahitsio
Fizakana: (zaka) a,: Fiaretana, fandeferana: Zava-taarotra ny fizakana ny latsa sy ny est), t• Fandidiana, fandaharana: Ny fizakako ny fananako, 1 Fitondrana, fananana: Fizakana ny zo malagasy. Ahitsio
Fizakana: (zaka) a.: Fitenenana, firesahana. Ahitsio
Fizara: (zara) a.: Fomba entina mizara.l p. t.: Azo zaraina. Ahitsio
Fizarana: (zara) a.: Fitantanana: Fizarana lova. 1 Fitokotokoana: Fizaran'ny tafika ho antokony telo, i• Fisampanana: Eto no ftzaran'ny lalana roa: ny iray mianavaratra, ny iray mianatsimo, Ahitsio
Fizehozeho: (zehozeho) a.: Fomba na toetran'ny olona mizehozeho, izany hoe mandeha mibaikabaika. Ahitsio
Fizehozehoana: (zehozeho) a,: Fandehanana mibaikabaika. Ahitsio
Fizerana: (zetra) a.: Fizdrana, fandehanana misosa milamina tsara. Ahitsio
Fizetra: (zetra) a.: Fomba na toetran'ny olona m!zetra, izany hoe mizotra, mandeha milamina tsara. Ahitsio
Fizezehana: (zezika) a,: Fitangoronana, fitangongoana, Ahitsio
Fizezika: (zezika) a,: Toetran' ny olona na zavatra mizezika, izany hoe mitangorona, mitangongo. Ahitsio
Fizidina: (zidina) a,: Fomban' ny olona mizidina, izany hoe mijoro mijaridina tsara. Ahitsio
Fizidinana: (zidina) a,: Fijoroana mahitsy tsy mihetsika; fijaridinana. Ahitsio
Fizidizidiana: (zidizidy) a,: Famindrana amim-pahavitrilrana. Ahitsio