Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fonosina: (fono) mt. ih. (fonosy): Asiana fonony: Fonosy ny bokinao mba hadio lalandaua. • Atao ao anatin'ny zavatra iray izay manodidina azy tanteraka: Fonosy ao anaty lamba ny zanakao fa mandriuotra ny andro, Ahitsio
Fonta: (Ski) a.: Fanasompiranana ny lain-dakana hahazoany rivotra hampandroso azy. Ahitsio
Fontina: a.: Fiverenana mba hamely indray, 1 Fahalasanana dia fiverenana eo amin' izay nialana. - t.i.f.: Tafafontina 1 mifontins, fifontina, mpifontina I ifontenana, fifontenana, Ahitsio
Fonto: a.: Karazan-kazo. Ahitsio
Fontsy: a,: Karazan'akondro be voany, izay atao koa hoe akondro afontsY. Ahitsio
Fontsy: na Fontsina a.: Anarana ilazana ny ravinala rehefa antitrantitra. Ahitsio
Fony: a.: Hazandrano toy ny marakely. • Karazam-boromailala manga, Ahitsio
Fony: ppt. feh.: Teny mpampiankina fehezan-kevitra, ~ enti-milaza fotoana efa lasa ela, mitovy amin'ny hoe nony, tamin'ny: Fony nitsangantsangana tany Ambohidroa izahay nihaza voromailala. / Fony Rabe minisitry ny fambolena no niuidiananay ity trano Ahitsio
Fora: a.: Fandidiam-poitra, famorana. - t.i.f.: Forana, voafora ) mamora, famora, mpamora ) amorana, famorana ) mifora, fifora, mpifora ) iforana, fiforana I mahafora. - F.-p.: Fora-Nanahary: enti-milaza ny zaza miseho ho toy ny efa voafora hatrany an-kibo. Ahitsio
Foraha: a.: Hazo lehibe mahatratra 15 ka hatramin'ny 30 m ny haavony ary 0,60-0,80 m ny savaivony, fanaovana hazon-tsambo ary ampiasain' ny mponina amorontsiraka hanaovana lakana. Ahitsio
Forambana: a.: Zavamaniry any anaty rano fanome ny vorombazaha. Ahitsio
Forana: (fora) mt, ih. (forano): Didiana foitra, atao hasoavana, tapahina, tsongoina: Noforana omaly ny zanak'anabaviko, Ahitsio
Forara: (t. tr. ) p. t.: Idiran-doza. Ahitsio
Forehitra: p.t.: May tsy misy horaisina. •H.i.: Lany harena ka tsy manana na inona na inona intsony: Forehitra Rakoto fa may ny tranony, maty ny ombiny telopolo, nianjera tany an-kady ny fiarakodiany. - F,-p.: Kila forehitra: maytanteraka ary tonga lavenona. Ahitsio
Forera: p.t.: Sady botry no kely. Ahitsio
Foretahana: (foretaka) mt. ih. (foretaho): Asiana fotaka mifetaka, fotetahana. Ahitsio
Foretaka: p.t.: Voan'ny fotaka malemy na n? ranom-potaka na zavatra mifetaka. - t.i.f.: Foretahana, aforetaka f mamoretaka ) miforetaka, fiforetaka ) iforetahana,fiforetahana. Ahitsio
Forifotra: a.: Enti-milaza fivangongoan-javatra mibontsimbontsina kely be dia be. - t.i.f.: Mamorifotra, famorifotra, mpamorifotra. Ahitsio
Forinondry: a.: Zavamaniry (Thumbergia cyanca). Ahitsio
Foritra: a.: lefitra, ketrona, - t.i.f.: Aforitra, voaforitra / mamoritra, famoritra, mpamoritra ( amoretana, famoretana ) miforitra, fifoxitra, mpiforitra / iforetana, fiforetana ) mahaforitra. Ahitsio