Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanahazana: (hahy) a. : Fainelarana zavatra eo amin'ny hainandro mba ho maina; toerana amelarana zavatra mba ho maina : Ataouy eryr amin'ny fanahazan-damba i t?. Ahitsio
Fanahiana: (ahy) a. : Ahiahy Be loatra ny fanahian'ny olona anao ho mpangalatra ka aleo miala eto amin'ny fokontany. ? Tahotra, fahatahorana : Ny fanahiana ny gadra sao mandositra no anaovana azy tsara am bina. Ahitsio
Fanahirana: (sahirana) a.: Fomba entina manahirana. Ahitsio
Fanahiranana: (sahirana) a. Fanomezana raharaha, ahiahy. Ahitsio
Fanahona: (ahona) a. : Fomba entina manahona, na manakana tsy handroso, mampijanona. Ahitsio
Fanahonana: (ahona) a. : Zavatra na hevitra entina mampiato na mampisalasala tsy hanao zavatra iray, ? Fanakanana tsy handeha, fampijanonana. Ahitsio
Fanahy: (hahy) a : Fombaentina manahy na mamelatra zavatra amin'ny toerana ta- Fan laky andro mba ho maina : Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka a! Ahitsio
Fanahy: (ahy) a. : Fomba entina manahy, ~ Zavatra ao amin'ny olombelona entiny manahy ny amin'ny tenany, mampahatsfaro tena azy : Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango, • H, i. : Zavatra mampiavaka ny olona amin'ny biby : Ny fanahy no olona. / Saina mieritreritra, fahendrena : Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany, / Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran'ny saina sy ny sitra-po ao amin'ny olombelona izay misaraka amin'ny vatana rehefa matY ny olona mba ho any amin'ny fiainana any an-koatra : Hivavaka ho an'ny fanahin'ny maty isika. / Toetra : Manao fanahin-jaza. / Fahasalamana : Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka : olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. - F,-p, : Be fanahy : Manantsaina, lalin-tsaina. / Mahitsy fanahy : manana saina tsy miolakolaka, mandeha ampahatsorana. / Malemy fanahy : malemy paika, mora ifanarahana. / Manam-panahy : mahay mitondra tena. / Ratsy fanahy : masiaka; mana-na toetra ratsy, / Tsara fanahy : tsara fo; mahaY mitondra tena; salama tsara. / Very fanahy : very hevitra tsy mahita izay hatao. / Fanahy iniana : atao amin'ny nahimpo ~ M.h, : Iniana, nahy, satry. / Fanahim-boronkely : toetra misotisoty toy ny voronkely izay manao maloto ao amin' ny fihinanany ihany, / Fanahin'adala : fahamaivanan-doha. / Fanahin' andeuo : fanaovana tsirambina, toetra anrbany. / Fânahin jaza : toetra tsy mihevitra. / Fanahin-jazahoua : tsy fahalala-menatra, fahasahisahiandoatra. / Fanahin-kary : fahavetavetana. / Fanahy fito : toetra tsara mahay mandefitra, miara-mifaly amin'izay mifaly ary mfara malahelo amin'izay malahelo. ¶ Ohab. : Zaza fito tsy mahafehy trano, fanahy fito no mahafehy trano : Tsy ny hamaroan'ny zanaka no mety hitana ny mpivady tsy hisaraka, fa ny toetra amam-pa- 213 nahy tsara. Ahitsio
Fanahy Masina: a. : Olona fahatelo amin'ny Trinite Masina aseho matetika amin' nY endriky ny voromahailala Ny Fanahy Masina dia voalaza ho mitsilo ny saina, mankahery ny fo ary monina ao amin'ny fanahin'ny olona marina. Ahitsio
Fanaika: (aika) a : Fomba entina manaika, miantso mamory olona. Ahitsio
Fanaikerana: (kaikitra) a. : Fiketohana, famelezana amin' ny nify; fanindromana. Ahitsio
Fanaikitra: (kaikitra) a. : Fiketoka amin'ny nify, fanindrona : Fanaikitry ny alika. / Tsy anerany ny fanaikitry ny moka at? izany. Ahitsio
Fanaiky: (aiky) a. : Fomba entina manaiky, mankato, manoa : Tsy mba miteny izy fa tsiky fotsiny ny azy no fanaikiny. Ahitsio
Fanaingana: (ainga) a. : Fibatana ho ambonimbony kokoa : Tsy uitako ny fanaingana io vota io. 1 H.o. : Fitaomana, fanentanana : Nikoizana ny fanaingan-dRakoto ny mpitokona hiasa. Ahitsio
Fanaingenana: (taingina) a. : Fametrahana eo ambony, fanongonam-barotra. Ahitsio
Fanaingina: (taingina) a.: Fomba entina manaingina, marne-traira eo ambony, manongom-barotra. Ahitsio
Fanainginaingina: (ainginaingina) a. : Fomba entina manainginaingina, mampiteronterona. Ahitsio
Fanaingo: (haingo) a. : Fomba fametrahana haingo. Azo haingoina. Ahitsio
Fanaingoana: (haingo) a. : Fandravahana. Ahitsio
Fanaingohana: Fitsaingohana (tsaingoka) a. : Fitombohana amin'ny vava; fifaohana amin-kakingàna, fandrapahana. Ahitsio