Litera G

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
G: Tarehintsoratra fahenina ary renisoratra fahefatra amin'ny abidy malagasy, mitonona hoe ge na gy. Ahitsio
Ga: (fr. gant)a:Fonon-tanana, vita amin'ny lamba na hoditra: Gan-tanana fotsy. / Manao ga. Ahitsio
Gabaka: llazana toerana foana na be rano mangeniheny. i t.i.f.: Mangabaka / migabaka, figabaka / igabahana, figabahana. Ahitsio
Gaboka: a.: Antontan-javatra, zavatra mifanongoa. - t.i.f.: Agaboka / managabokalfanagabokalanagabohana, fanagabohana / migaboka, figaboka, mpigaboka / igabohana, figabohana / mahagabokalgabogaboka. Ahitsio
Gaboraraka: (f.t.m.) p.mt.: Enti-milaza zavatra na asa vita tsisy fitandremana, tsisy kitotony. Ahitsio
Gadanà: a.: Jer. Kadana. Ahitsio
Gadona: a.: Jar. Ngadona. Ahitsio
Gadra: a.: Rojo vy ampiasaina hamatorana olo-meloka na biby, na hatao hidim-bavahady, hidin-dalana. Tranomaizina, fahababoana. i t.i.f.: Agadra, gadrana, voagadra, ginadra 1 managadra, fanagadra, mpanagadra / anagadrana, fanagadrana 1 migadra, figadra, mpigadra I igadrana, figadrana / mahagadra. Ahitsio
Gadrafohy: a.Jer,: Gadralava. Ahitsio
Gadragadra: a,: Fihararetrana feon'olona toy ny vaky na feon-javatra toy ny mitriatra nony voadona, tsy mikarantsana fa toa mitriatra. • p. t.: Mihararetra toa vaky, farimparina: Gadragadra ny feonao izany. - t.i.f.: Agadragadra I migadragadra,figadragadra. Ahitsio
Gadragadra: a.: Karazam-borona (Pteroeles). Ahitsio
Gadraka: a. sy p.t.: Mit, hev. amin'ny Gadragadra. - t.i.f.: Agàdraka / migadraka,figadraka. Ahitsio
Gadralava: a.: Enti-milaza ny olo-meloka voatana ao antranomaizina. (Io teny io dia nilazana fahiny ireo mpigadra nisy gadra amin'ny vozony sy ny tongony, izay natohin'ny anja-by lavalava ka afaka mihetsiketslka eran' ny efitrano nisy azy ihany izy imeo). Ny Gadrafohy kosa dia ireo misy gadra namatotra nisaraka ny tongony roa, ary fohy nifanakaiky ireo gadra ireo ka zara raha afa-namindra ny tongony. Ahitsio
Gadrana: (gadra) mt. ih. (gadrao): Fatorana amin'ny gadra: Gadrao io alika io sao mandositra. ? Tanana antranomaizina: Nogadrana omaly izy noho ny heloka vitany, Ahitsio
Gaga: p.t.: Mihetsi-tsaina amam-panahy eo anoloan'ny zavatra tsy fahita andavanandro na tsy nampoizina, amin' ny lafiny tsara na ratsy: Gaga anao aho. / Gaga ny nataonao aho na gaga amin'ny nataonao aho. / Gaga aho raha sahy nanao izany Rakoto. I t.i.f.: Migaga, figaga I igagana, figagàna 1 mahagaga I fahagagana 1 gagagaga. ¶ M.h.: Dagaga, dogaga, talanjona, tolagaga, tokaka, vaky vava, zendana, variana, sondriana, revo, renoka, kepoka, vakim-baratra, ilatsaham-baratra, gaina foana, kehana foana. Ahitsio
Gagaka: a.: Jer. Gaka. Ahitsio
Gagilahy: p.t.: (fahasimban'ny hoe gigalahy): Kingalahy, famantsilahy, sifotra antitra. Ahitsio
Gaigy: na Gegy a.: Romotra: Alika gaigy. 1 Misafoaky ny hatezerana: Olona gaigy na gaigin'olona. i tif: Gegena I managaigy, fanagaigy, mpanagaigy / anagegena, fanagegena I mahagaigy I gaigigaigy. Ahitsio
Gaika: a.: Famihinana na fanerena mafy, fangiazana amin' ny kofehy tsy misy hikofohana. ~ H.o.: Fangiazana antrano tsy hivoaka, fanerena 'blasa. - t.i.f.: Gehina / agaika,voagaika, noginaika / mangaika, managaika, fangaika, mpangaika / angehana, fangehana I migeha, figeha, mpigeha 1 igéhana, figehana / mahagehy / gaigaika. Ahitsio
Gaina: p.t.: Tsy mahateny no-ho ny fahadisoam-panantenana; diso fanantenana fa ny zavatra efa teo an-tanana na nantenaina ho azo no lasa na foana. - t.i.f.: Managaina, fanagaina, mpanagaina / anagainana, fanagainana 1 mangaina 1 angainana, fangainana / mahagaina. ¶ M.h.: Diso paika, diso tetika, diso fanantenana, man-gaina, malazo molotra, mangafhay, mangasihasy, maniahatra, manjahana, mangotsoka, mangetoka, mitokaiky, ny antenain-tsy azo ny antanam-botsotra. Ahitsio