Litera G

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Goay: p.t.: Makadiry izaitsizy, ngeza aoka izany: Trano goay be, Ahitsio
Goba: a.: Vaingana misy tava 6 efamira mitovy ary rirana 12, Ahitsio
Gobile: (fr. gobelet) a.: Kaopy fisotroana be vava arY tsisy tongony na sofiny. Ahitsio
Goboka: Gobona p.t.: Foana aty, tsy misy zavatra ao anatiny, hoboka. - t.i.f.: Migoboka, figoboka, mpigoboka 1 igobohana, figobohana 1 mangoboka / gobogoboka. Ahitsio
Godàna: p.t.: Malalaka, tsy tery. 1 H.o.: Manaram-po. i t.i.f.: Migodàna,figodàna 1 igodanana, figodanana. Ahitsio
Godorao: (fr. goudron) a.: Jer. Tara. Ahitsio
Godra: Godraka, Godragodra p.t.: Osa, marary vanin-taolana; malemy eo am-pitoerana tsy afa-mihetsika. - t.i.f.: Migodragodra, figodragodra, mpigodragodxa 1 igodragodrana, figodragodrana 1 mahagodra. Ahitsio
Godrika: a.: Faharatsian'ny hoza-dohalika ka tonga osa sy malemy fihetsika. - t.i.f.: Tafagodrika 1 migodrika, figodrika, mpigodrika 1 mahagodrika i godxigodrika. Ahitsio
Godro: a.: jar. Gaotra. Go Ahitsio
Goga: p.t.: Antitra izaitsizY, tranainy, efa ela dia ais: Efa gaga marina Ingahy Rainikoto fa efa dimy amby zato taona. ¶ M.h.: Antitra, tranainy, konka,golagoay. Ahitsio
Gogo: (Skl) na Vahona (Btm) a.: Karazan-trondron-dranomamy manja matroka toa manopy manga ary tsy misy kirany; mafy ny tampon-damosiny ary ny lanilaniny misy nify matsilotsilo kely; halavany 70 sm (Arius madagascariensis). Ny gogo sy ny kotso ary ny tilapia dia matetika mainin'ny olona ho azo alefa amidy any lavitra. Ahitsio
Gogogogo: a.: Fitomaniana ara-bina toloko na feo mafy; dradradradra. - t.i.f.: Agogogogo, tafagogogogo 1 migogogogo, figogogogo, mpigogogogo ligogogogoana, figogogogoana 1 mahagogogogo. Ahitsio
Gohina: (goka) mt. ih. (gohy): Sotroina amim-pankacitrahana ary betsaka: Nangetaheta mafy aho ka nogohiko ilay ranom-boankazo teo ambony latabatra. Ahitsio
Goika: Goigoika a.: Feo sempotsempotra eo am-pitomaniana noho ny ranomaso arahln-tsentosento na eo ampitelemana rano sotroina. - t.i.f.: Agoigoika, tafagoigoika / migoigoika, figoigolka, mpigoigoika 1 igoigoihana,figolgoihana. Ahitsio
Goka: a,: Fisotroana -feno fanaranam-po. i Gohina 1 migoka, figoka, mpigoka / igohana, figohana / mahagoka. - F.-p.: Manao gok'omby: misotro rano migorodana be ohatra ny fanaon'ny omby. Ahitsio
Gola: ft.: Niavian'ny hoe fahagola, fahagolan-tany, golagoay. Ahitsio
Golagoay: (t. tr.) p.a.: Antitra dia antitra, konka. Ahitsio
Goleda: a.: Fahosana, fahalemena, aretina odiana ananana. - t.i.f.: Tafagoleda / migoleda, figoleda, mpigoleda / igoledàna, figoledana / mahago-Ieda / goledaleda. Ahitsio
Goma: na Gomabe p.t.: Ngeza, vaventy be. Ahitsio
Gona: a: Dona, poka, goana. à Gonina, agona, voagona, tafagona / mangona, managona, fangoana, mpangoana / angonana, fangonana / migona, figona, mpigona / igonana, figonana / mahagona / gongona. * F.-p.: Gon-doha: katro-doha ohatra ny fanaon'ny ondralahy. Ahitsio