Litera G

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Gaotra: Godro (fr. goutte) a.: Aretim-pamavany mitsakotsako sy manaintaina vokatry ny fahanterana na ny halemen'ny hozatra, ka ny lohalika no mazàna voany. Ahitsio
Gara: (fr. gare) a.: Fiantsonandalamby: Handeha hitsena olona eny amin'ny gara izahay. ? H.i.: Enti-milaza rehefa mety ho toerana fiantsonam-piara: Lehibe ny garan' aroplanina eny Ivato. Ahitsio
Garaba: a.: Sobiky lehibe vita amin'ny hodikazo mahalandrary ka makarakara, fitondrana akoho na vorona. • Lavaka lalina fivoahana. Ahitsio
Garabodo: (fr. gras-double) a.: Vahin-droroha na masontantelinkena. Ahitsio
Garabola: a.: Ny lakilasy misy ny mpianatra madinika vao mianatra abidy. Ahitsio
Garanadrelina: (fr. grenadelle) a.: Karazam-boankazo tsara tsiro misy voany kely maro. Ahitsio
Gararàka: a.: Fanaovana rano an-tenda mba hanasana ny tenda, ka tsy atelina fa ahontsankontsana ao dia aloa:Manao gararaha. Ahitsio
Gararàna: a.: Rano migororoana nefa tsy betsaka; rano aidina tsy misy fiatoana. - t.i.f.: Agararàna / migaraxàna,figararàna. Ahitsio
Gararo: a.: Olona hatsikana. ? Fahaiza-miala na fodiana adaladala. ¶ M.h.: Saxons. - t.i.f.: Agararo, gararoina 1 migararo, figararo, mpigararo. Ahitsio
Garasisy: (fr. exercice) a.: Fampiasana na fanazaran-tena ataon'ny miaramila momba ny matso, ny fitanam-piadiana...: Manao garasisy. Ahitsio
Gareboka: a.: Fitelemana somary atao telimoka. - t.i.f.: Agareboka, garebohina 1 managareboka, fanagareboka, mpanagareboka f anagarebohana,fanagarebohana 1 mahagareboka 1 garebodreboka. Ahitsio
Garera: p.t.: Malemilemy lava, rerarera-dava, mirefarefa lamba. i Agacera, gareraina f migarera, figarera, mpigarem Jigareràna,figareràna. ¶ M.h.: Gorera, boxera, sorera, reraka, saozanin-dava, mavozovozo lava, somazotsazo-dava, marazodrazo-dava. Ahitsio
Gareraina: (garera) mt, ih, (garerao): Halemena. Ahitsio
Gasigasy: (gasy) p.t.: Manana fombafomba gasy, toetoetra gasy: Manana sasin-kira gasigasy izany hira vahiny izany. Ahitsio
Gasina: (gasy) rot. fh, (gasio): Atao gasy, omena endrika gasy: Ny hoe latabatra dia teny frantsay nogasina. Ahitsio
Gasy: p.t. sy a.: Malagasy, an' ny Malagasy: Teny gasy, hira gasy. 1 ai. f.: Gasina 1 gasigasy. Ahitsio
Gatry: a. (f.t.m.): Anaram-bosotra omen'ny olona ny polisy na antilim-bohitra. Ahitsio
Gatry: p. t. (f t. m.): Maints, mivembena, miraingiraingy, varivarinY. ¶ M.h.: Varivariny, maints, jobo, doroka, jofotra. didy, tafiditra. Ahitsio
Gavo: a.: Jar. Goavy, Ahitsio
Gaza: a.: Toetra fahatelo mety hananan'ny zavatra, izay tsy vaingana na tsiranoranony ka tsy bita-maso ary azo fintinina ao anaty toerana kely dia kely nefa mety hihanaka eran'ny toerana malalaka koa: Ny etona na fofon-drano dia gaza. Ahitsio