Litera G

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Gerigesy: a.: Olon-ketrina, tonendrina (teny fampiasan' ny ankizy amin'ny lalao). Ahitsio
Gety: (fr. guette) a.: Fonondranjo vita amin'ny lamba na hoditra: Manao gety. Ahitsio
Gia: a: Fehy mafy, fihina na fitazonana mafy. - t.i.f,: Giazana, agia, voagia / mangia, fangia, mpangia 1 angiazana, fangiazana 1 migia, figia, mpigia 1 igiazana, figiazana 1 mahagia, giagja. Ahitsio
Giaka: a.: Feo kely manivaka ary mivalana amin'ny hira. i Migiaka. Ahitsio
Giazana: (gia) mt. ih, (giazo): Fihinina mafy: Aza giazanao toy izao ny tanako. Ahitsio
Gidana: a.: Fakana an-keriny indray mifaoka: Manao gidana. Ahitsio
Gidragidra: a.: Bedibedy, kiankiana, teniteny: Be gidragidra loatra Ramatoa mpampianatra. ? Fifandirana, adiady, tsy fifanarahan-kevitra. Ahitsio
Gidro: a.: Karazam-biby mitovitovy habe amin'ny saka saingy izy lava rambo ary ny tarehiny manana toetra ifandraisany amin'ny olona. 1 H. i.: Olona ratsy tarehy. Ahitsio
Gidro: Gidrogidro, Gidroka a.: Fe on-javatra mifampikasoka ka midridridridry, mifandilotra. - t.i.f.: Agidrogidro, tafagidrogidro 1 managidrogidro, fanagidrogidro, mpanagidrogidro 1 anagidrogidroana, fanagidrogidroana 1 migidrogidro,figidrogidro, mpigidrogidro 1 igidrogidroana,figidrogidroana 1 mahagidrogidro. Ahitsio
Giga: Gigagiga p. t.: Antitra dia antitra, goga (zavatra mafy tsy laitra vaitina), - t.i.f.: Migigagiga, figigagiga. Ahitsio
Gigigigy: a.: Fatotra mafy dia mafy tsy ahafahana mihetsika na mandositra. - t.i.f.: Agigigigy f managiaiglgy, fanagigigigy, mpanagigigigy / anagigigigiana, fanagigigigiana / migigigigy, figigigigy. I mahagigigigy. Ahitsio
Gigika: a.: Fitomaniana mafY, ranomaso arahin-tsentosento, - t.i.f.: Migigika, figigika, mpigigika f mahagigika. Gija a.: Jar. Gejac Ahitsio
Gila: p.t.: Tsy mahitsy fijery, njola: Gila maso. Ahitsio
Gilio: a.: Dity atao fandraiketana hazo indrindra. Ahitsio
Giloby: (fr. globe) a.: Zavatra boribory. ~ Teny ampiasain' ny mpanoratra hilazana ny tany: Eto amin'it9 gilobindranomaso Ahitsio
Gilome: (fr. guillemet) a.: Jer. Farangososona. Ahitsio
Gina: a.: Tsy misy feo re: Gina ny tannin. Tsy ahitan-teny, tsy miteny, tsy mahateny, tsy mahavolana, tsy mahaloa-peo: Notenenin-drainy izy ha gina tara). 1 Marenina: Gina ny sofiko azon'ny tabataba. I Mangina, fangina, mpangina f anginana, fanginana f hahanginana, fahanginana f migina, figina, mpigina 1 iginana,figinana f mahagina f gingina 1 mangingina. ¶ M.h.: Kina, sina, mangina, tankina, tsy miteny, tsy miloa-bava, tsy miloa-peo, tsy miteny tsy mivolana, mihimoka, mizai-molotra, mikombom-bava, tsy ahitanteny, mafy vava, vitsy teny, misaraka aman-teny, moana; Ahitsio
Ginadra: (gadra) mt. ih. misY tsofoka in: Voagadra, gadrana, asiana gadra (vy amatorana ny tongotra tsy hahafahana mandositra): Glana efa noginadra iny. Ahitsio
Ginaika: (gaika) mt. ih, misy tsofoka in: Gehina, voafehy mafy: Noginaikany mafy tamin'ny etra ny ualahany, ? Alaina an-keriny: Noginaiky ny mpanjana-tany ny tanin' ny teratany. Ahitsio
Ginehy: (gehy) mt. ih, misy tsofoka in: Voagehy, gehezina, fatorana, fehezina: Noginehiny tsara ny entany vao nandeha izy. •Terena: Raha tsy noginehin'ny ray amandreniny izy tsy nety nianatra. ? Fihinina: Noginehindreniny ela teo ilay zanany uao tonga. Ahitsio