Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hamavoina: (mavo) rit. ih. (hamavoy): Atao tsinontsinona, haratsina, esoina: Hamavoiny daholo ny olona rehetra. ¶ M.h. : Vasohina, atao tsinontsinona, esoina, tebahina, tsizarizarina, zimbazimbaina, fotsifotsina, tsiratsiraina. Ahitsio
Hamba: Hambahamba a.: Fisalasalana, tsy fahavononana ka miahotrahotra: Aza matahotra fa hataoko tsy misy hambahamba io. 1 Fiatoatoana raha miteny. - t.i.f.: Hambahambaina, ahambahamba, voahambahamba, tafahambahamba 1 manambahamba, fanambahamba, mpanambahamba I anambahambàna, fanambahambàna I mihambahamba, fihambahamba, mpihambahamba I ihambahambana, fihambahambàna. ¶ M.h.: Mihambahamba, misalasala, miahanahana, miahotrahotra, miherohero. Ahitsio
Hambahambaina: (hambahamba) mt, th. (hambahambao): Atao na tenenina am-pisalasalana, amim-piahotrahorana. Ahitsio
Hambana: p.t.: Teny ilazana zavatra roa mitovy ka miraikitra tsy afa-misaxaka, kambana mitambatra: Akondro hambana. Ahitsio
Hambo: a: Fiheverana ny tena ho ambony; firehana ho tsy mitovy amin'ny hafa amin' ny zavatra rehetra; filazana ho mahay zavatra tsy hay; fandokafan-tena tafahoatra: Olona be hambo Rakoto ka tsy hanaiky ny hifona aminao. - t.i.f,: hamboina, voahambo 1 mihambo, fihambo, mpihambo 1 ihamboana, fihamboana 1 mahahambo 1 hambohambo. - F,-p.: Be hambo: be rehareha ary tsy mety handefitra; mandoka tena tafahoatra sy milaza ho manana sy mahay izao sy izao. f Hambom-po: toetra feno hamboniana tsy mety hanao zavatra mety hampietry ny voninahitry ny tena na hahazoana henatra. / Manan-kambo: mitandro ny haja ananana sy ny voninahitra; tsy manaiky hivarilavo na hanao izay tsy mendrika hanimba ny hajan' ny tena. / Manao an-kambo: manao mosalahy sy kitoatoa ka tsy mihevitra loatra izay atao fa manao baranahiny. f Matin-kambo: be avona diso fatra izay tonga mitera-doza ary manimba ny tena na ny laza soan'ny tena. * Fiten.: Aza atao mihambo manana anao aho: teny ataon'ny olona maniry fanampiana amin'ny hafa, ka matoky tanteraka ilay olona itenenany izany izy. Ahitsio
Hamboina: (hambo) mt. ih. (hamboy): Lazaina ananana: Hamboiny ery izany firazanana ambony izany. Ahitsio
Hamelohina: (meloka) mt. ih. (hamelohy): Atao tonga miforitra, vokoka: Nohamelohinao ny tehiko ka tsy manaiky aho. 1' Ahitsio
Hamena: Hamenana (mena) a: Ny mena, fahatongavana me-na: Jereo ny hamenan'ny ta-ne hin y. Ahitsio
Hamenaina: (mena) mt. ih. (hamenao): Atao tonga mena-mena kokoa, atao izay hahamena. Ahitsio
Hamina: a.: Lamba fotsy ary manify kely. Ahitsio
Hamina: (t.tr.) a,: Hamaotinana, fiandriandrianana amin' ny fitafiana na amin'ny toetra. Ahitsio
Hamina: a.: Fipetrahana misonanina tsy misY ahiahy; toetra tony tsy manahy na inona na inona. - t.i.f.: Mihamina, fihamina, mpihamina 1 ihaminana, fihaminana 1 mahahamina / haminkamina. Ahitsio
Hamo: Hamohamo a.: Fahasorisorenana kely: Nasiana fanalana hamohamo teny anelanelan'ny valandresaka. ~ Fahatofotofohana noho ny sakafo na fisotro be loatra nohanina na nosotroina. - t.i.f.: Mamo. Ahitsio
Hamoka: a.: Fipetrapetrahana, tsy fihetsiketsehana firy (matetika noho ny hakamoana), fivozavoza. - t.i.f. : Mihamoka, fihamoka, mpihamoka 1 ihamohana, fihamohana 1 mahahamoka 1 hamokamoka. ¶ M.h.: Mihamoka, mibonaika, tsy rototra, mitsikamokamo, mivaroraka, mitsfmozimozy, mitsilamodamoka, miborerarera, midanesaka, midarona. Ahitsio
Hamomoka: Fahamomoka a.: Hadrodroka. Ahitsio
Hamonainana: (monaina) a.: Hasasarana mihoapampana, hatofohana. Ahitsio
Hamonta: (monta) a.: Hangidy. Ahitsio
Hamoraina: (mora) mt. ih. (hamoray na hamorao): Atao tonga mora: Hamorao kely ny fanadinana amin'ito fa sarotra loatra isan-taona. ? Amboarina atao raharaham-pihavanana ifampiraharahana ankamorana: Soa ihany fa nohamoraina ny raharaha fa raha tsy izany mety ho lasa ady nifanaritaka mihitsy. Ahitsio
Hamorana: (mora) a: Toetran' ny zavatra mora atao: Ny hamoran'ny fanadinana no nahabe afaka ny mpianatra. ~ Toetran'ny zavatra tsy lafo vidy: Ny hamorany no ividianako azy fa tsy dia ny hatsarany loatra akory. ? Toetran'ny olona malemy fanahy, moramorainY, mamindra fo: Ny hamoran'ilay reniben' Imboasalama no nahatonga ny anarany hoe Ramorabe. Ahitsio
Hamorina: (hamory) mt. ih. (hamorio) : Avily. Ahitsio