Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hanina: a: Sakafo, nahandro: Tsy mbola azo omena hanina ity marary ? mt.ih. (hano): Tsakoina dia atelina: Hano ny uarinao, • H,o.: Lanina: Nohanin'itay karilahy iny fotsiny ny uolako, - F,-p,: Hani-masaka: ilazana ireo sakafo efa masaka amidy eny amin'ny mpivarotsakafo eny an-tsena. / Hanimainty na haninkotrana: entina milaza ireo hanina toy ny mangahazo, vomanga, saonjo, ans. ivelan'ny vary izay foto-tsakafo. / Hanimbokatra: ireo zava-nambolena ka aroso na omena ny vahiny. f Hanim-pito loha: sakafom-panasana misy karazany maro. f Hanim-py: sakafo matsiro betsaka. f Hanina amam-bolony: raisina an-tendrony, izany hoe tsy fakafakaina sy dinihina na tsars na ratsy alohan'ny handraisana azy. f Hanin-jaraimora lany: enti-milaza fa na dia maro toy inona aza ny sakafo, rehefa omena ny anjarany avy ny asaina, lany vetivety; matetika dia ampiarahina amin'ny hoe "encan-jarai-mora zaka". / Hanin-kanina: vodiondrim-barotra izay lany maina raha mitsoa-Pahana tsy hividy indray ilay nanome. f Hanin-tian-jaza: ilazana ny tovovavy isisihan' ny tovolahy halaina ho vady ihany na dia efa andrarana azy aza./Hanin-tonta: ilazana ny sakafo atao jono hamandrihana haza. fHano mahavoky: teny atao amin'ireo olona asaina na tolorana sakafo noho izy efa voky na hita fa kely tsy ampy mizarazara ny omena azy ka tsofina rano. f Izay tsy milalao sain-kanina: amin'ny hariva no filalaovan' ny ankizy taloha, ka raha tsy mivoaka eo ilay ankizy fa miandry ny sakafo ho mass-ka, dia lazain'ny namany fa efa any amin'ny sakafo ny sainy. / Manao mamy hanina an-tanana: tsy mizara ny sakafo eo aminy fa tia tena. / Takalom-patsa uidim-pihinanana: entina milaza ny setrin' ny zavatra omena olona; nanaovan'ny hafa ka tsy maintsy manao aminy koa: fifankaleovana no tena heviny. f Tenda an-kanina: hantsakafo, tsy mifidy harapaka ary mambosibosika toy ny tsy ho enina. f Tolo-kanina: fanomezana zava-pihinana vehivavy bevohoka (araka ny finoan'ny Malagasy, rehefa teraka ilay vehivavy bevohoka, dia mety hitovy amin'ilay nanome zava-pihinana azy ny tarehin'ny zaza; koa araks izany, matetika koa ilay zaza dia atao hoe "tolokanin-dRanona"). / Tsy hanin-kahauoky fa voninahitra ifanomezana: enti-milaza fanoloran-javatra ny hafa izay mariky ny fanai ana sy ny fihavanana fotsiny, ¶ M.h.: Sakafo, nahandro, fahana, kabaka, tsakotsako, tsakitsaky. Misy fifandraisany: Hanim-pito loha, fihinanam-be, fanasana, filerana, fibobohana, vatsy, odilolo, odiam-bavafo, vonjy fo, fo tsy aritra, sakafo ambany foitra, sakafo maivana, sakafo sikina, sakafom-borondolo, sakafon-tsorohitra, angaredona, tsindrin-tsakafo, halemana, fialemana.— Mihinana: homana, mitelina, manao vakim-borona, manendry, mandrapaka, mitsingintsingina, mangeboka, mitomboka, mipaka, mamahan-tena, mijao, mamango, manesika, miletra, mibibaka, mandrepoka, mambosika, mikesokesoka, mitsamontsamona, mambosibosika, mimontsina, miviravira, mifotafota, mianjady, misatrasatra, managorodana, manoranorana, manao voky, manao tranga, manao rapa-dango, manao teli-moka, manao indraim-bava, manao tombok'orona, manao tombokitsatsy, manao sesimontotra, miosanosana. Ahitsio
Hanina: a.: Fahatsiarovana arahin'alahelo, embona: Ny hanina ny havana any lavitra ~ t.i.f.: Haninina I manina / mahamanina. Ahitsio
Haninina: (hanina) mt. th. (hanino):. Alahelovana, Ahitsio
Hanirina: Manirina (hanitra) mt. ih.: Atao tonga manitra. Ahitsio
Hanitra: a.: Fofona tsara, mamerovero. - t.i.f.: Manitra 1 hanirina, manirina / manamanitra, fanamanitra, mpanamanitra / anamanirana, fanamanirana I mihamanitra / mahamanitra / manimanitra. - F.-p.: Hani-bary tsy harena: izay fofon'ny vary ma-nitra ao an-tranon'olona iray tsy azo ilazana fa manana ny ampy izy. J Hanitra nentindrazana:ny hatsaran-toetran' ny razana izay mbola tokony ho tanan'ny taranany: ny "toe-panahy soa izay mampiavaka ny isam-pirenena". * Ohab.: Sakamalao sy havozo samy manana ny hanitra en tin y: samy manana ny toetra manokana azy avy, na dia samy tsara aza. Ahitsio
Hanja: Hanjahanja a.: Fampisehoana miharihary; tsy f ananan-damba na akanjo hanafina ny vatana. - t.i.f.: Ahanjahanja, voahanjahanja, tafahanjahania 1 mihanjahanja, fihanjahanja, mpihanjahanja j ihanjahanjana, fihanjahanjana, mahahanjahanja. Ahitsio
Hanjaka: a: Tsy fitafian-damba hanafina ny vatana. - t.i.f.: Mihanjaka / fihanjahana. Ahitsio
Hankana: (Tsim) a: Karazamborondia mitovy endrika amin'ny vorondolo. Ahitsio
Hanky: Hanky va rei t.-p.: Hay! Izany tokoa àry! Teny entina manaiky raha mahare vaovao manaitra na zavatra tsy nampoizina: Hanky! hanky va rei mpirahalahy ianareo sy Robe! Ahitsio
Hanoanana: (nana) a: Toetran'ny olona tsy nihinantsakafo efa elaela ka mahatsiaro mangebaka ny kibony. * Ohab.: Maivan-tsy zaka ohatra ny hanoanana: mahatsiaro ho tsy misy na inona na inona ny kibo ka maivana, nefa tsy zaka kosa satria reraka ny tena; h,o.: enti-milaza zavatra roa toa mifanohitra, vokatry ny anton-javatra iray ihany. Ahitsio
Hanohano: ft.: Madio dia madio. a Manganohano, fanganohano, mpanganohano / anganohanoana, fanganohano. Ahitsio
Hanokahy: a.: Karazan-javamanfry. Ahitsio
Hanona: a.: Trondron-dranomamy fatra-pandrapaka izay rehetra hitany, mahatratra an-jatony maro ny nlfiny ary misy vombona matanjaka eo amin'nY lamosiny ambanY, izay ahafahany miantoraka haingana amin'ny haza kendreny ho azo. Ahitsio
Hanono: p.mt.: Hatreo amin' ny nono no halaliny. • a: Enti-milaza ny zandry amin' ny fianakaviana andriana betsileo. Ahitsio
Hanta: Hantahanta a.: Angolangola na fihetsika somary amboamboarina raha mangata-javatra noho ny fitokiana fitiavana; fiangaviana na fitarainana hahazoana zavatra na hahazoana manao ny sitraky ny fo noho ny fitokiana fitiavana; fanaovana angolangola hahazoana tombompitia: Tokony ho voafefin' ny fanajana mandrakariva ny hantahanton'ny ankizy. - t.i.f.: Hautaine, ahanta, voahanta, tafahanta I mihanta, fihanta, mp!hanta / ihantana, fihantana / mampihanta, fampihanta, mpampihanta / ampihantaina 1 ampihantàna, fampihantàna, mahahanta / hantahanta. Ahitsio
Hantahanta: (hanta) t.ar., a.: Angolangola na fihetsika somary amboamboarina raha mangata-javatra noho ny fitokiana fitiavana, Ahitsio
Hantaina: (hanta) mt. th. (han-tao): Angatahina mafy er?: Hantain'ny zanako aoka izany ny saribakolin'i Fara kelinao. ? Omena ny zayatra rehetra angatahiny, ampanaranim-po amin'izay rehetra tadiaviny: Hantainao loatra io zanakao io ka hahantra ianao any aoriana. Ahitsio
Hantona: a.: Tsy fipetrahana ambony fa mihevaheva; famatrahan-javatra hiraviravy, hikirazorazo. - t.i.f.: Ahantona, voahantona, tafahantona / manantona, fanantona, mpanantona / anantonana, fanantonana j mihantona, fihantona, mpihantona / ihantonana, fihantonana / mahahantona 1 hantonkantona. Ahitsio
Hantsana: a.: Tevana, hady na lavaka lalina, fampana. Ahitsio
Hantsika: p.t.: Mibaraingo ohatra ny andohalambo na volan-tsinana. - t.i.f.: Ahantsika, voahantsika, tafahantsika 1 manantsika, fanantaika, mpanantsika 1 anantsihana, fanantaihana / mihantsika flhantsika, mpihantaika 1 ihantsihana, fihantsihana I mahahantsika, hantsikantsika. Ahitsio