Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Havotsana: (votsa) a.: Toetran' ny olona votsa, miadam-panao zavatra, tsy kinga: Mahay ny asany tsara izy, fa ny havotsany no tsy anerany. Ahitsio
Havozo: a.: Karazan-kazo mani-pofona. * Ohab.: Sakamalao sy havozo: samy mitondra ny hanitra ho azy: enti-milaza zavatra na olona roa samy mana-na ny maha-izy azy ka tsy misy ambony na ambany; na zavatra samy manana ny toetra azy manokana avy na dia samy tsara aza. Ahitsio
Havozoana: (mavozo) a.: Fahosana, fahareradrerahana, fihozohozoana, fangozohozoana. Ahitsio
Havozona: (vozona) p.mt.: Hatreo amin'ny vozona ny halaliny. - F.-p.: Manao ranomaso havozona: mitomany be mangata-javatra amin'ny olona. Ahitsio
Havy: Havihavy ft.: Fihantonana eny amin'ny habakabaka, fihevohevoana. - t.i.f.: Mihavy, fihavy, mpihavy / ihavihaviana, fihavihaviana. Ahitsio
Hay: mt. ih: Azo, azo averina, fantatra (saingy ilazana indrindra zavatra ilana fianarana): Efa hainao va ilay tsianjery? (Ny hevitra fotsiny hoe "fantatra", tsy ilana fianarana, dia tsy fiteny loatra afatsy any an'indran-tany, na dia miha-mahazo vahana aza ankehitriny: Aiza ho aiza eto ny tranon-dRatsima, ry zaza? — Tsy haiko , tompoko), ? Fantatra ny fanaovana azy: Aoka hataoko fa raharaha haiko raha izany foana. ? Mety ho vita: Tsy mba hain'ny zanako, tompoko, ny mandainga. ? Azo, tanty: Tsy hay leferina ny hoso-dratsy avy amin'ny havants. ? Azo ifampiraharahana, azo akekezina: Tsy haiko io olona io fa ianao no aoka hiresaka aminy. ? Voafehy: Tsy hain' ny vadiny Rasoa. - t.i.f.: Haizina / mahay, fahaY, mpahay 1 ahaizana, fahaizana. Ahitsio
Hay: Tenim-piontanana: Enti-milaza fanontaniana: Hay! tonga sahady ianao! ? Entimilaza toa figagana noho ny fahatongavan-javatra na toejavatra tsy araka ny nampoizina:Natao hitsikitsika hivavahana, hay, Papango nipaoka ny akoho! Ahitsio
Hay: ft.: Hafanana, firehetana na fahamaizana vokatry ny afo na ny masoandro, doro: Hain-trano, hain-tanety; hain' andro (hainandro). - t.i.f.: May 1 maimaizina 1 hamaimaizana, Ahitsio
Hay: a.: Tanety na lohasaha ngazana tsy misy ala na ahitra lava fa efa nodorana. Ahitsio
Hay: a.: Fahaizana (teny miditra amin'ny famoronan-teny maromaro ka ny heviny hatrany dia hoe fahaizana, fahalalana). Ahitsio
Haza: a.: Izay azo amin'ny fanenjehana na fisamborana biby dia na amin'ny fanjonoana: Inona avy ny haza nentinareo? • h. L: Izay azon'ny biby dia eny am-pirembena hataony sakafo: Ny amboadia mitondra ny hazaeoy any anaty zohy. i ti.f.: Hazaina, voahaza 1 mihaza, fihaza, mpihaza 1 ihazana, fihazana 1 mahahaza 1 hazahaza. ¶ M.h.: Remby. Ahitsio
Hazaina: (haza) mt.ih. (hazao): Samborinat Trandraka no nohazainay. • Karohina, tadiavina; enjehina: Nohazaina ilay mpigadra nilefa fa tsy azo. Ahitsio
Hazaka: a,: Ferifery mitakovana amin'ny ranjo na fe. Ahitsio
Hazakazahina: (hazakazaka) mt. ih. (hazakazaho): Aleha haingana, vonjena maika: Nohazakazahiko tany an-tsaha Rakoto nony tsy hitako tao an-tranony. • Enjehina: Nohazakazahiko tamin'ny tehina ilay karilahy. Ahitsio
Hazakazaka: a.: Fandehanana haingana, riotra: Nahazo Io-ka tamin'ny fifanalana hazakazaka izy. i Hazakazahina, ahazakazaka,voahazakazaka,tafahazakazaka / mihazakazaka, fihazakazaka, mpihazakazaka 1 ihazakazahana, fihazakazahana 1 mahahazakazaka. - F,-p.: Ala hazakazaka: fifaninanana hazakazaka. / Mifanala hazakazaka: mifaninana hazakazaka. / Hazakazaka arahin-tosika: toetra ratsy te handratra ny namana, fa eny am-pihazakazahana izy no arahin-tosika hianjera, izany hoe misy fahasahirananamahazo azy no anararaotany hamelezana azy indrindra. * Ohab.: Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany: tsy azo ihazakazahana any ambany faxafara ka samy manao izay hahatongavany haingana, na handady na hikisaka: entimilaza ny fanaovana ny fiezahana sy fahaizana rehetra mety ho vita amin'ny toedraharaha sarotra iray. Ahitsio
hazalambo:Fikarohana hatraiza hatraiza ary amin'ny fomba rehetra sy tsy ananana indrafo ny olona na vondron'olona manokana tadiavina sy hosamborina. Ahitsio
Hazana: a: Fananana kiry na hevitra itompoana; fahamainana mihoatra ny ilaina. - t.i.f,: Mazana 1 hazangazana. Ahitsio
Hazangazana: (hazana) a.: Fahamninana (toy ny fahamainan'ny tany karankaina). Ahitsio
Hazangazana: a.: Fitazanana ny lavidavitra fa tsy manatona; fijerena taratra na fitiliana hahafantarana izay miseho. - t.i.f.: Hazangazanina, ahazangazana 1 manazangazana 1 anazangazanana, f anazangazanana 1 mahazangazana. Ahitsio
Hazangazanina: (hazangazana) mt. ih. (hazangazano): Harangaranina, tsikilovina, tilina: Hazangazano eo am-baravarankely Rakoto na tonga na tria. Ahitsio