Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hazotoana: na Fahazotoana (zoto) a.: Toetran'ny olona mazoto; harisihana, faharisihana: Arakaraka ny fahazotoanao amin'ny asa no itomboan'ny karamanao. Ahitsio
Hazovato: a.: Karazam-bato sokay nova ara-toetra simika sy fizika, tsy dia mafy loatra fa misy tsoriany mahafinaritra ny tavany rehefa voalambolambo tsara, anaovana solon-taila amin'ny ngorodona na ny rindrina; marbra. Ahitsio
He: t.-p,: Enti-milaza fiantsoana na fampisehoan-javatra: He! avia hijery ity zaua-mahazendana ity! Ahitsio
Hebaka: ft.: Tsy misy na inona na inona ao anatiny. - t.i.f.: Mangebaka I mange-, bakebaka. Ahitsio
Hebakebaka: a: Elanelana. - F,-p.: Ana hebakebany: a~ nelanelany. Ahitsio
Hebena: Hebihebena (heby) mt. ih. (hebeo): Sakanana eny am-pandehanana, salovanina. Ahitsio
Hebikebika: a.: Fihetsiketsehana na fivezivezena mankatsy mankaroa tsy mahapetraka fa feno ahiahy. - t.i.f.: Mihebikebika, fihebikebika, mpihebikebika 1 ihebikebehana, fihebikebehana. Ahitsio
Hebintrebina: a.: Fipararetra, fihetsiketsiky ny rano tsofin' ny rivotra; fitsipelapelatry ny hazavana. 1 t, t f.: Ahebintrebina 1 mihebintrebina, fihebintrebina, mpihebintrebina / ihebintrebenana, fihebintrebenana. Ahitsio
Hebrio: (fr. hébreu) a.: Anarana nentin'ny firenena Jody tany am-boalohany, avy amin'ny razam-ben'i Abrahama natao hoe Haber. Ahitsio
Heby: Hebiheby a.: Fanetsiketsehana zavatra hisalovana ny fijery na ny lalan'ny hafa; fisakantsakanana amin'ny fivezivezena avy an-kavia na an-kavanana. - t.i.f.: Hebena, hebihebena, aheby, ahebiheby, voahebiheby, tafahebiheby 1 manebiheby, fanebiheby 1 anebihebena, fanebihebena 1 mihebiheby, fihebiheby, mpihebihebY 1 fihebihebena, ihebena, fihebena I mahahebiheby. Ahitsio
Hedrahedra: a.: Hetsiketsika, hevingevina. i Manedrahedra, fanedrahedra, mpanedrahedra 1 anedrahedrana, fanedrahedrana 1 mihedrahedra, fihedrahedra, mpihedrahedra 1 ihedrahedrana, fihedrahedrana 1 mahahedrahedra. Ahitsio
Hefahefa: a.: Fihetsiketsehanjavatra tsofin'ny rivotra, fihofahofana. i' t.i.f;: Ahefahefa, hefahefaina, voahefahefa, tafahefahefa 1 manefahefa, fanefahefa, mpanefahefa 1 anefahefana, fanefahefana 1 mihefahefa, fihefahefa, mpihefahefa 1 ihefahefana, fihefahefana I mahahefahefa. Ahitsio
Hefahefaina: (hefahefa) mt. ih, (hefahefao): Hetsiketsehina, hofahofana. Ahitsio
Hefakefahina: (hefakefaka) mt. ih. (hefakefaho): Alana, na endahana, amin'ny ilany iray. Ahitsio
Hefakefaka: Hefakefany a.: I-lany iray amin'ny kitrom-biby. • Zavatra mikiraviravy, sady mihetsiketsika, nefa misy mitana azy tsy hiala. 1 Hefakefahina, ahefakefaka, voahefakefaka 1 mihefakefaka, fihefakefaka, mpihefakefaka 1 ihefakefahana, fihefakefahana. Ahitsio
Hefarana: (efatra) p.mt.: Mandritra ny efatra andro: Nijanona hefarana teto izy dia la-sa, • a.: Halavam-potoana efatra andro: Nandritra ny hefarana no naharetan'ny fa-nad inanay, Ahitsio
Hefikefehina: (hefikefika) mt. ih, (hefikefeho): Hetsiketsehina, hozongozonina. Ahitsio
Hefikefika: a.: Hovitrovitry ny loha, hifikifika, hetsiketsika, hozongozona. - t.i.f.: Hefikefehina, ahefikefika, voahefikefika, tafahefikefika 1 manefikefika, f anefikefika, mpanefikefika 1 anefikefehana, fanefikefehana 1 mihefikefika, fihefikefika, mpihefikefika 1 ihefikefehana, fihefikefehana 1 mahahefikefika. Ahitsio
Hefohefo: a.: Fananan-karena betsaka. i Manefohefo, fanefohefo, mpanefohefo 1 anefohefoana, fanefohefoana. Ahitsio
Hehaka: ft.: Hasemporana, sanehaka. - t.i.f.: Mihehaka, fihehaka, mpihehaka 1 hehakehaka 1 manehakehaka. Ahitsio