Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hetotra: a.: Rivotra avy any amin'ny tsinay, izay mivoaka avy ao amin'ny vava fivalanana ka mitsefotra na manao feo hafahafa tsy saro-pantarina. - t.i.f: Mangetotra, fangetotra, mpangetotra I fangetorana / fangetorina. Ahitsio
Hetra: a: Anarana hafa ilazana ny fehikibo. - t.i.f.: Hetrana / mihetxa, fihetra / ihetrana, fihetrana / mahahetra. Ahitsio
Hetra: a: (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianamp oinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin'ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dal); io vary azo tamin'ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin'ny va-ta) ka avy amin'izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana. 1 (ankehitriny) Vola aloa amin'ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan'ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin'ny harena ananana. Ahitsio
Hetrahetra: na Hetretra a.: Rehareha misy hasomparana; fanaovana hetraketraka; eboebo amelezana ny hafa. - t.i.f.: Tafahetrahetra / mihetrahetra, mpihetrahetra 1 ihetrahetrana, fihetrahetrana. Ahitsio
Hetraketrahina: (hetraketraka) mt. ih. (hetraketraho): Ampiasana hery, ilana ady: Nohetraketrahin'i Berna Ibalita ka nitomany. Ahitsio
Hetraketraka: a.: Fireharehana na fampiasana hery amin'ny madinika, amin'ny famelezana azy na filana ady aminy na fanimbanany zavany: Tsy tantiko ny hetraketraky ny zanakao fa simbany daholo ny kilalaon-janako. - t.i.f.: Hetraketrahina / mihetraketraka, fihetraketraka, mpihetraketraka / ihetraketrahana,fihetraketrahana. ¶ M.h.: Setrasetra. Ahitsio
Hetrana: (hetra) mt. ih. (hetrao): Asiana hetra na fehikibo. é e Inona àry izany: Hetrao ilaikely fa hiady? (fanjaitra). Ahitsio
Hetrina: p.t.: Lempona, iva; be dia be, sesehena. 1 a: Farihy na dobo taloha fa efa salira ritranefa tsy ialan-drano foana. - t.i.f.: Manetrinketrina, fanetrinketrina. ¶ M.h.: Hotsaka, heniheny. HetsakaJer. Etsaka. Hetsakap.t.: Afakahetaheta Ahitsio
Hetry: p. t.: Fohy sady tsy mitombo; iva sady kely: Hazo he try. ¶ M.h.: Keliantitra, kambety kely, vatokely, botry. Hetrika, Hetriketrika a: Entimilaza ny feon'ny vary madiva ho ritra sy ho masaka. / Ahitsio
Hetsehina: (hetsika) mt.ih. (hetseho): Ovana toerana: Aza hetsehina ity latabatra ity. 1 Ahevingevina: Hetsehin'ny rivotra ny ravinkazo, 1 h.o.: Ahitsio
Hetsihetsy: Jer. Voanketsihetsy. Ahitsio
Hetsika: a: Fiovan-toerana; fihevingevina. i tif: Hetsehina, ahetsika, voahetsika, tafahetsika / manetsika, fanetsika, mpanetsika / anetsehana, fanetsehana / mihetsika, fihetsika, mpihetsika / ihetsehana, fihetsehana ( mahahetsika / hetsiketsika. - F.-p.: Tsy an-ketsika: eo am-pitoerana eo ihany fa tsy mihetsika na kely aza. Ahitsio
Hetsoro: (t.tr.) a: Ireo olona natao mpitsara nampisotro tangena tamin'ny fampinomana. Ahitsio
Hetsy: p.i.: Folo alina: Roa hetsy ariary, hono, no vidin'io trano io. / Ny folo hetsy dia atao hoe tapitrisa (Tsars ho tadidy fa amin'ny teny hoe hetsy, toy ny hoe habakabaka, dia tsy miova ho k ny h eo aorian'ny aman- na an-, ka amin'ny soratra, mba tsy hahahafahafa ny fampiharam-pitsipika, dia homena ny endriny feno keo teny ireo: amana, ana): Olona amana hetsiny no tonga nijery baolina / Nisodika teny ana habakabaka ny fioramanidina. Ahitsio
Hety: a.: Fiasana andidiana na anapahana zavatra toy ny lamba, taratasy, volo: Dombo velona ity hety ity. / h. i.: Fandidiana na fanapahana amin'ny hety: Hety uoion'ny mpangalatra akoho, hono, ixao an'ise izao. - t.i.f.: Hetezana, ahety, voahety / manety, fanety, mpanety / anetezana, fanetezana 1 mihety, fihetY, mpihety / ihetezana, fihetezana / mahahety. - F.-p.: Hety hatoka: fomban-kety atao mihafohy hatrany, manomboka eo ambanimbanin'ny mokon-doha eo, ny volo any an-katoka. / Hety rano: maranitra dia maranitra. / Hety satrana: fomban-kety tsy atao fohy fa a-tao lavalava ihany ny volo. Ahitsio
Heva: Hevaheva a: Toetran'ny zavatra tsy mitehi-tany fa mihantona eny amin'ny habakabaka. - t.i.f.: Hevahevaina, ahevaheva, voahevaheva,tafahevaheva / manevaheva, fanevaheva, mpanevaheva / mihevaheva, fihevaheva, mpihevaheva / ihevahevana, fihevahevana / mahahevaheva. Ahitsio
Heva: ft.: Hatsaran-tarehy. t.i.f. : Meva, maneva. Ahitsio
Hevahevaina: (hevaheva) mt. ih. (hevaheuao): Ahantona, akirazorazo. Ahitsio
Heverina: (hevitra) mt ih. (hevero): Eritreretina: Tsy noheverinao akory ny teny holazainao. / Dinihina, saintsainina, alaina ambony alaina ambany: Hevero tsara ny amin'ny ho avinao. 1 Atao: Heverinao ho adala angaha aho? Ahitsio
Heverina: p.t.: Mihozongozondoha, mihevingevina ny 10-ha: Sady efa lehibe no manana aretina Ingahy Rakoto ka sady pahina no heverina. Ahitsio