Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hevingevenina: (hevingevina) mt ih. (hevingeveno): Arona miankavia miankavanana, adoladola, akivilivily. Ahitsio
Hevingevina: a: Fironana miankavia sy miankavanana; fidoladolan'ny loba na ny te-na manontolo. - t.i.f.: Hevingevenina, voahevingevina, tafahevingevina / manevingevina, fanevingevina, mpanevingevina / anevingevenana, fanevingevenana / mihevingevina, ffhevingevina, mpihevingevina / ihevingevenana, fihevingevenana / mahahevingevina. Ahitsio
Hevitra: a: Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany. 1 Zavatra na tetika foronin'ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita heuitra tsara izay namorona ity milina ity. 1 Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao. / Fomba fahazoana, fahitana, fftsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io. 1 Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra. 1 Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao. ¶ M.h.: Torohevitra. 1 Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona. 1 Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin'ity toerana ity. 1 Fikasana: Manankeuitra ny handositra izany ianao? *Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity. 1 Vidy, vidiny: Inty ny heuitry ny andro niasanao. - t.i.f.: Heverina, ahevitra, voahevitra / mihevitra, fihevitra, mpihevitra / iheverana, fiheverana / mahahevitra / hevitrevitra. - F-p.: An-keviny: ny tokony na ny mety ho izy. / Arakeviny: ny tokony ho izy mifanaraka amin'izay natao sy izay vita. / Ady hevitra: fiaraha-mikaroka ny marina amin'ny alalan'ny hevitra ampiadina. / Diso hevitra: manam-pisainana na fihevitra manalavitra ny tokony ho izy na ny marina. /Foto-keuitra: zavatra iompanana na ijoroan'ny hevitra. / Hevi-druvina: fisainana kitoatoa ary tsy marina. / Hevi-jaza na heui-behivauy: fisainana maivana sy mibirioka sady tsy voadinika tsara. / Hevi-javona: fisainana tsy maharitra sy mandalo vetivety./Hevi-poana: hevitra tsy azo tanterahina sy tena kitoatoa na dia tsara henoina ara. / Hevi-potsy: hevi-poana sy poaka aty. / Hevi-teny: fanazavana ny teny araka ny tena izy na izay nanaovana azy. / Hevitra ambony: hevitra avo loatra ka saro-draisina sy tanterahina. / Hevitra an-taingina: fiheverana peta-toko tsy voadinika tsara sady an-tematemaka. / Hevitra tsy azo tsy amin'olombelona: filazana fa ratsy ny mitompo teny fantatra fa tokony hodinidinihina amin'ny hafa izay hatao. 11zay heviny any heviny: tsy fiheverana izay tokony ha-tao, fa atao amin-kiry sy ditra fotsiny amin'izao. / Ma-ka hevitra: manao dinidinika amin'olona hahitana izay tokony hatao. / Manoro hevitra: manome fanorotoroana ny amin'izay tokony hatao. / Mitady hevitra: mikaroka izay mahasoa sy mety amin'izay atao na hatao. / Reniben-kevitra: ny tena fototra niteraka ny fihevitra dinihina, ny antony nahatonga ny fisainana. / Soso-kevitra: hevitra hafa noho ilay voalohany izay mety hanamafy kokoa na hitsipaka mihitsy aza ny mikasika izay nodinihina / Tapa-kevitra: tsy miroaroa saina na misalasala intsony fa vonona hanaraka izay efa noheverina. / Tolo-kevitra: teny omena hosainina eo amin'izay atao na heverina. / Tompon-keuitra: olona namosaka voalohany ny hevitra izay naharihary tao amin'ny maro. / Tsangan-kevitra: ny fototra ijoroan'ny hevitra tanana. / Tsipy hevitra: teny omena mba hampifandrindra ny fiheverana izay mety hifanipaka na tsy hifankahazo. / Tsy azon-kevitra: raharaha manahirana sy sarotra tsy misy fomba anamboarana azy. / Tsy misy heviny: entina milaza zavatra na teny heverina ho tsinontsinona sy tsy misy antony. J Very heuitra: mi roanahana tsy mahita izay hatao, na handroso, na hihemotra. Ahitsio
Hevo: a.: Fanatsinkafonana ny ranon-tany hahatsara ny fambolena. - t.i.f.: Hevoina, ahevo, voahevo / mihevo, fihevo, mpihevo / ihevoana, fihevoana f mahahevo i hevohevo. Ahitsio
Hevoina: (hevo) mt. ih. (hevoy): Poipoirina mba tsy hifatratra: Heuoy matetika ny tany misy voly. Ahitsio
Hevy: Hevihevy a: Fikivilivilian'ny zavatra mihantona. - t.i.f.: Ahevihevy, tafahevihevy / mihevihevy,fihevihevy, / ihevihevena, fihevihevena / mahahevihevy. Ahitsio
Heza: o.: Ran on-davenon'ahitra nodorana natao hampandaitra ny loko amin'ny lamba. i t.i.f.: Hezaina, aheza, voaheza f maneza, faneza, mpaneza / anezana, fanezana 1 mahaheza. Ahitsio
Hezaheza: a.: Fijoroana tsy mihetsika, tsy mandroso tsy mihemotra. - t.i.f.: Ahezaheza, tafahezaheza / mihezaheza, fihezaheza, mpihezaheza lihezahezana, fihezahezana / mahahezaheza I mangezaheza. Ahitsio
Hezaina: (heza) mt. ih. (hezao): Asiana heza: Tsy nohezainao tsara angaha ity lamba ity no niofo vetivety? Ahitsio
Hezangezana: a.: Mitovy amin' ny Hezaheza. Ahitsio
Hezohezo: Jer. Ezoezo. Ahitsio
Hia: t.p.: Teny entina manakora ny hafa, sakoa izay: Hia! Manao ahoana izany uoal... Ahitsio
Hia: a.: Tsy fahazoa-nofo, fahamafmainana, tsy fisiana tavy, toa taolana fotsiny: Ny tavy no mifanohitra amin'ny hia 1 Mahia, hahia,hahiazana. fahiazana J ankahiazana 1 mankahia, mampahia, fankahia / mihamahia. Ahitsio
Hiaka: a: Feo avo entinahihaikana, hihantsiana ady na hireharehana. - t.i.f.: Mihiaka, fihiaka, mpihiaka / mahahiaka I hiakiaka. Ahitsio
Hiaka: a: Soritra hita mazava miharihary, ka matetika ny soritra fotsy na mena no lazaina amin'izany. 1 t. f f.: Mangiaka 1 hiakiaka. Ahitsio
Hibaka: p. t.: Lehibe sady mivozihitra. Ahitsio
Hibohana: (hiboka) mt.ih. (hibohy): Fenoina. Ahitsio
Hiboka: p. t.: Mihidy tsy afa-mivoaka; tanr:vina tsy misy hialana i t.if: Hibohana, ahiboka, voahiboka, tafahiboka / maniboka, faniboka, mpaniboka / anibohana, fanibohana / mihiboka, fihiboka, mpihiboka / ihiboana, fihiboana, mahahiboka / hibokiboka. Ahitsio
Hidiana: (hidy) mt.ih. (hidio): (varavarana) Asiana hidiny, izany hoe tanana amin'ny batana amin'ny alalan'ny fanalahidy na karetsaka, mba tsy ho afaka hivoha: Efa nohidianao ue ny varavaranke!y any an-tany? • (zavatra) A-tao ao amati/ toerana mihidy: Nohidiany tao anaty uota ny firavany. Ahitsio
Hidihidy: a: Fahamaimaizana mahazo ny hoditra ka mahate hihaotra: Loza ny hidihidy mahazo ahy fa voan'ny Lay tatsy an-tokotany aho. • h.o.: Fahamaimaizana ta hanao zavatra. it t i.f : Mangidihidy. Ahitsio