Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hidrahidra: Jer. Hindrahindra. Ahitsio
Hidy: a.: Zavatra natao hisakana ny varavarana na vata tsy hivoha na hisokatra avy hatrany rehefa vohaina: Very ny hidim-baravarana • Fisakanana tsy hivoha: Mafy hidy ve ity vida ity? i t.if.: Hidiana, ahidy, voahidy, tafahidy, hinidy / manidy, fanidy, mpanidy 1 anidiana, fanidiana j mihidy, fihidy, mpihidy / ihidiana, fihidiana / mahahidy I hidihidy I ahidihidy 1 mihidihidy 1 fahidiana 1 fanalahidy. - F.-p,: Hidin-dalana: fefy misakana tsy handehanana noho ny antony iray,/Hidindrano: fefy namboarina hamiliana ny rano hanondraka ny tanimbary ka azo vohaina sy hidiana araka izay ilana azy, / Hidin-trano: ilazana ny fanalahidy na ny sakana atao amin'ny varavarana na varavarankely. / Hidivava: anaran'ny farantsa volafotsy taloha, toy ny hoe: tsanganolona, mandrihavia, sn.s... Ahitsio
Hifika: a: Fanesorana; fandavana tsy hanaiky. • Fialana tsy hikasika na handray akory. - t.i.f.: Ahifika, voahifika, tafahifika j manifika, fanifika, mpanifika / anifihana, fanifihana 1 mihifika, ffhifika, mpihifika j ihifihana, fihifihana 1 mahahifika / hifikifika 1 manifikifika / mihifikifika. Ahitsio
Hifitra: Hifotra p. t.: Tsentsina, tampina (entina milaza indrindra ny sofina notevehina ka feno nofo indraY): Ela tsy nikavina izy ka hifotra indray ilay lauaka natao teo amin'ny nanevehana azy. • Fenofeno matavy, - t.i.f : Hiforana, ahifotra, voahifotsa 1 manifotra, fanifotra, mpanifotra 1 aniforana, faniforana j mihi(otra, fihifotra, mpihifotra J mahahifotra / hifotrifotra Ahitsio
Hiforana: (hifotra) mt.ih. (hi-tory): Tampenana, tsentsenana: Nohiforana ilay varavarankely tao atsinanana fa nangatsiaka loatra tao an'efitra noho ny riuotra Ahitsio
Hifotrifotra: Mihifotrifotra a: Sady donga be no fohy, matavy be, botrefom-be: Hifotrifotra ery indray izany zanakouavy. Ahitsio
Hihirana: (hihitra) mi ih. (hihiro): Tsitsina: Hihiro ny volanao, anaka • Ilozohana, ilofosana, imasoana: Nohihiriny ny asany ka vitany tsara Ahitsio
Hihisana: (hihiso) : Alana ny hodi-maleminy: Hihiso ny mangahazo fa maika hohandroina. ? (katsaka) kikisana ny voany hiala amin'ny babiny: Hihiso ity katsaka ity. Ahitsio
Hihitra: a.: Fitsitsiana tafahoatra. - t.i.f.: Hihirina, tafahihitra 1 mahihitra, fahihitra, mpahihitra / ahihirana, fahihirana J milrihitra, ffhihitra, mpihihitxa 1 ihihirana, fihihirana j mahahihitra. - F.-p.; Matin-kihitra: miha• fy tafahoatra ka raikitra aretina mety hamoizana ny ai-na. Ahitsio
Hihy: a: Fikikisana, fikaohana ny loto miraikitra amin-javatra; famoasana ny hoditry ny voankazo na ny ovy. - t.i.f.: Hihisana, ahihy,voahihy 1 manihy, fanihy, mpanlhy j anihisana, fanihisana J mihihy, fihihy, mpihihy / ihihisana, fihihisana 1 mahahihy. Ahitsio
Hihy: a: Ilay nofo mena manarona ny vody nify, akanjo-nify. Ahitsio
Hika: p.t.: Feno mitohoka tsy misy elanelany kely akory, feno mifanizina, tsy afa-mandeha fa tsentsina sy mihandrona, mijanona ary mihizina: Sambo feno hika entambarotra. • a: Fahafenoana mitohoka, mifanizina; tsy fahafahana mandeha fa tsentsina sy mihizina. 1 Ahika, tafahika / mihika, fihika, mpihika J ihikana, fihikana 1 mahahika. Ahitsio
Hila: Hilahila a: Tsy fahamarinan-toerana fa mitongilangilana, tsy fipetrahana tsara amin'ny toerana iray ihany fa firaidraikana mialoha sy miaoriana, miankavia sy miankavanana. 1 t.if.: Hilahilaina, ahilahila, voahilahila, tafahilahila I manilahila, fanilahila, mpanilahila I anilahilana, fanilahilana / mangilahila I mihilahila, fihilahila, mpihilahila 1 ihilahilana, fihilahilana 1 mahahilahila. Ahitsio
Hilahilaina: (hilahila) mt.ih. (hilahilao): Atongilangilana, arona atsy arona aroa, araidraika. Ahitsio
Hilana: a.: Firehana na fitongilanana fa tsy mahitsy fijoro; fironatra amin'ny ilany iray fa tsy mitovy lanja. 6 t.ff.: Ahilana, voahilana, tafahilana / manilana, fanilana, mpanilana / anilanana, fanilanana / mihilana, fihilana, mpihilana 1 ihilanana, fihilanana / hilangilana. Ahitsio
Hilohilo: ft.: Fahadiovana sy famirapiratana. - t.i.f•: Mangilohilo, fangilohilo. Ahitsio
Hilontrilona: a.: Fitsipendrampendrana na taratra mandrendridrendry ny maso avy amin'ny zavatra mainty indrindra. - t.i.f: Ahilontrilona / mihilontrilona, fihilontrilona, mpihilontrilona. Ahitsio
Hima: a: Karazan'akorandriaka misanasana ka raha akombony ny vavany dia tsy afaka izay tratrany. Ahitsio
Himake: (Ski) a: Faharatsiantoeran'ny zaza ao an-kibon' ny reniny izay mahatonga azy hisisika an-tsisiny akaikin'ny moja, ary mahatonga an-dreniny kosa tsy hahay mitsangana loatra. i t.if.: Manimake, mihimake, fihimake. Ahitsio
Himohina: (himoka)mt.ih. (himohy): Tazonina (enti-mila- za ny hehy izay tazonina tsy ho re mafy). Ahitsio