Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Himoka: Himokimoka p,t. na a: Manakombona mafy ny vava mba tsy hivoaka ny hehy ; fitanana ny hehy tsy hipoaka. - t.i.f.: Himohina, ahimoka, tafahimoka 1 mihimoka, fihimoka, mpihimoka I ihimohana, fihimohana / mahahimoka / hfmokimoka. Ahitsio
Himokimohina: (himoka) mt. ih. (himokimohy): Ihomehezana ka somary hazonkazonina ny hehy. Ahitsio
Himpa: na Himpy ft. niavian' ny hoe: Be mihimpa na Be mihimpy: andia-mpanompo nilefa fahizay izay niray dia mba handroba na hangalatra. Ahitsio
Himpina: na Himpona p.t.: Fe-no tsara, tonga eo amin'ny fetran'ny famarana; manerana azy manontolo: Himpona ny tokotany. • Tonga amin' ny isa ilana azy: Himpona ny isan'ny mpianatra. 1 Manimpona. ¶ M.h.: Feno bila, hipoka, hivoka, hiboka. Ahitsio
Hina: a.: Hery, fikelezana aina. ? F.-p.: Miray hina: Mifanaraka, manakambana ny herin-tsaina sy ny herim-batana. J Firaisan-kina: Fifanarahana, fane kena hiaraka main' ny fanaovan-javatra iray. ¶ M.h: Miray hina, mikambana, mitambatra, mivondrona, mifanampy, mifanohana, mifanohantohan-tsy ho lavo, mifanakona, mifarimbona, misalahy, mifanao valin-tanana, iray tafasiry, iray kondokondo, iray donak'afo, iray fileovana, iray erik'andro, iray petsapetsa, iray vezovezo, "izay iray vatsy iray ai-na". Ahitsio
Hinahina: p.t.: Mitrahotraho toa te hitomany ny maso, mivoaramena ny hodimaso. Ahitsio
Hinaka: na Hinakinaka a: Fikapohana mafy tsy misy fangorahana na amin'ny hazo na amin'ny karavasy. 1 Hinakinahina, ahinakinaka, voahinakinaka / maninakinaka, faninakinaka, mpaninakinaka j aninaldnahana, faninakinahana 1 mahahinakinaka. Ahitsio
Hinaka: Hinakinaka p, t.: Sady lehibe no matavy, botrefona. - t.i.f.: Mihinakinaka, fihi- nakinaka. Ahitsio
Hinakinahina: (hinakinaka) rat. ih. (hinakinaho): Kapohina mafy, tsy itondrana roa. Ahitsio
Hinana: ft. faharoa avy amin' ny ft. voalohany hana nasiana sisika in (h-in-ana) ;mbola ny ft voalohany hana ihany koa no niavian'ny mt.ih. hanina sy ny teny misy sisika na tsofoka om (h-om-ana): homana 1 ti.f•: Mihinana, fihinana, mpihinana / ihinanana, fihinanana 1 mahahinana 1 hinanldnana, Ahitsio
Hindrahindra: a: Rotsirotsy famalifaliana; fanasohasoana amin'ny doka na tambitamby; ïikarenjirenjena, fipelipelehana. i t.lf: Hindrahindraina, ahindrabindra, voahindrahindra, tafahindrahindra / manindrahindra, fanindrahindra, mpanindrahindra / anindrahindrana , fanindrahindrana / mihindrahhrdra, fihindrahindra, mpihindrahindra I ihindrahindrana, fihhrdrahindrana. Ahitsio
Hindrahindraina: (hindrahindra) mt. ih. (hindrahindrao): Rotsirotsina. • Hasohasoina: Nohindraindrain'ny mpamaly kabary teo ny ben'ny ta-nana. Ahitsio
Hindry: a: Karazam-borona, izay antsoina koa hoe fanindry. Ahitsio
Hinjahina: (hinjaka) mt.ih. (hinjaho): Hosihosena. Ahitsio
Hinjaka: a: Dihy sy fihetsika mitsamboamboatra, ka ny tongotra no mandray anjara betsaka; fitsambikimbikinana noho ny hafaliana na ny hatairana, - t.i.f•: Hinjahina, hinjahana, ahinjaka, tafahinjaka 1 mihinjaka, fihinjaka, mpihinjaka 1 ihinjahana, fihinjahana / mahahinjaka 1 hinjakinjaka. Ahitsio
Hinjihinjy: a: Firidiridiana na fihenjanana tsy milefitra; fijoroana mahitsy ary tsy mihetsika. 1 Ahfnjihinjy, voahinjihfnjy, tafahinjfhfnjy / mihinjihihjy, fihinjihinjy, mplhlnjihinjy I ihinjihinjiana, fihinjihinjiana / mahahinjihinjy. Ahitsio
Hinjirina: (hinjitra) mt.ih. (hinjiro): Henjanina: Hinjirina ny tady. Ahitsio
Hinjitra: p.t.: Miridiridy sady henjana; mijoro na mitsotra fa tsy afa-milefitra: Hinjitra loatra ity lamba ity. - t.i.f.: Hinjirina, ahinjitra, voahinjitra, tafahinjitra I maninjitra, faninjitra, mpaninjitra / aninjirana, faninjirana / mihinjitra, fihinjitra, mpihinjitra / ihinjirana, fihinjirana / mahahinjitra / hinjitrinjitra. Ahitsio
Hintsana: a.: Firarahana, filatsahana na fialana avy amin' ny toerana nisy azy, toy ny ravinkazo, na voankazo, na voninkazo, na volo... - t.i.f.: Ahintsana, voahintsana / manintsana, fanintsana, mpanintsana / anintsanana, fanintsanana I mihintsana, fihintsana, mpihintsana / ihintsanana, fihintsanana / mahahintsana / hintsankintsana. Ahitsio
Hintsina: ft.: Feo mikiririoka mafy mampipararetra ny ao anaty sofina; fitaintaina; famolivoly. 6 t.Lf.: Mangintsina,mangintsingintsina, fangintsingintsina. Ahitsio