Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hitsoka: ft.: Tsy fahafahana miala fa mihizina ao anelanelana na ao anatin'ny zavatra. 6 t.Ahitsoka, voahitsoka, tafahitsoka 1 mihitsoka, fihitsoka, mpihitaoka 1 ihitsohana, fihitsohana / mampihitsoka 1 hitsokitsoka 1 mangitsokitsoka. Ahitsio
Hitsy: a: Toetran'ny zavatra mijoro tsars, tsy bilabila: Mahafinaritra ny mifery ny hitsin'it? hazo it?. 1 Hamarinana, tsy fisian-diso: Mahagaga ny hitsin'ny fitenin'itj' zaza it?. ? Fahamarinana, tsy fiolakolahana; ny marina, ny rariny: Tokony hitsara mandrakariva araka ny hitsiny ny mpitsara 1 Tandrify: Mipetraka eo amin'ny hitsin' ny tsena indrindra izahay. i ti.(.: Hftsina, ahitsy, voahitsY I manitsy, fanitsy, mpa. nitsy 1 anitaiana, fanitsiana I mifanitsy I mihitsy, fihitsy, mpihitsy / ihitsiana, fihitsiana / mahahitsY 1 hitsihitsy f mahitsy, fahitsy / fahitsiana. ? F.-p.: Hitsy loha: filazana am-pahatsorana tsy misy olakolaka izay natao. / Hitsindalana: fanavatsavana sy fanitsiana amin'izay akaiky, fa tsy manaraka ny lalana fais-ha izay matetika miolakolaka / Manao hitsin-dalana: Tsy manaraka ny tena lalana fa manavatsava sy manitsy amin'izay akaiky. / Hitsimpandraka: hevitra aseho ara-ka ny tena ao am-po fa tsy mba misafary. * Ohab.: Zatra ny fita ririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana: enti-milaza olona entim-pahazarana fotsiny ka ny tsy tokony ha-tao avy no atao; enti-milaza koa ireo olona voa noho ny fanarahany ny fahazarana fotsiny, tsy mahay manova famindra raha misy hilana izany. Ahitsio
Hivakivaka: Jer. Ivakivaka. Ahitsio
Hivina: Hivingivina a: Fihifiki.-fiky ny loha raha manda na sendra misotro zavatra mangidy na marikivy. - t.i.f.: Ahivingivina, voahivingivina, tafahivingivina 1 milrivmgivina, fihivingivina, mpihivingivhna 1 ihivingivinana, fihivingivinana 1 mahahivingivina. Ahitsio
Hivohana: (hivoka) mt.ih. (hiuohy): Fenoina. Ahitsio
Hivoka: a: Tany tsy vaky lay; lobolobo amin'ny tany lava volo. Ahitsio
Hivoka: p.t.: Fano hika, feno hiboka: Fiara feno hivoka mpandeha. - t.i.f.: Hivohana, ahivoka, voahivoka, tafahivoka / mihivoka, zihivoka, mpihivoka / ihivohana, fihivohana / mampihivoka, fampihivoka, mpampilrivoka 1 ampihivohana, fampihivohana 1 mahahivoka / hivokivoka 1 mihivokivoka. Ahitsio
Hizihizy: Jer. Zihizihy. HizihizyJar. Hirihiry. Ahitsio
Hizina: a: Fahafenoana tsy ahazoana mikofokofoka na mihetsika; fihitsohana voatery ao anaty zavatra. - t.i.f.: Hizinana, ahizina, voahizina, tafahizina 1 manizina, fanizina, mpanizina 1 anizinana, fanizinana 1 mitanizina 1 mihizina, fihizina, mpihizina / ihizinana, fihizinana / mahahizina 1 hizinkizina. Ahitsio
Hizinana: (hizina) mt ih. (hizino): (toerana): Andentehana zavatra. ~ Irohotana, ifanosehana. Ahitsio
Hizirina: (hizitra) mt ih. (hiziro): Anaovana ditra, itokonana. Ahitsio
Hizitra: a: Di-doha, hamafy sofina; fijanonana fotsiny amin'izao noho ny kiry na tohika. - t.i.f.: Ahizitra, hizirina 1 mihizitra. Ahitsio
Ho:: Teny kely fametraka eo alohan'ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho: — Anarana: Ny ho dokotera no kendreny. — Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin'ny sisa — Mpisolo ana-'ana: Ho izany tokoa! — Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy. / Ho vita ity rahariva (raha mt. ih. misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva). — Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? — Ho any an-tsena a-ho, anaka. ~ Teny kely fametraka eo a lohan'ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona faine-no (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika •Teny fanao: a) eo aorian'ny mt„ toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian'ny mt., toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adula, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny mt. toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara ~ Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anis i Dada! 1 Eo anelanelan'ny mpamaritra mt. miverina indroa enti-mllaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy. Ahitsio
Hoa: Jer. Hoha. Ahitsio
Hoaka: a: Lavaka, loaka anatin'ny hazo, vatolampy... - Ahitsio
Hoaka: Fisokafan'ny vava mitanata na mba hamoaka rivotra a min'ny fotoana mahanoana na ta hatory. 1 Hery sy feo re rehefa mandoa. - t.i.f.: Mangoaka, mangoakoaka, fangoakoaka / manoaka, manoakoaka, fanoaka, fanoakoaka, mpanoaka, mpanoakoaka / anoahana, fanoahana / mihoaka, mihoakoaka,fihoaka,fihoakoaka 1 ihoakoahana, fihoakoahana. * F-p.: Hoaka aty: foana tsy misy na inona na inona ao anaty. ¶ M.h.: Poaka aty, hoboka aty, holoka aty, kaboaka, loaka. Ahitsio
Hoalahoala: a.: Fahamaimaizana, fahataitairana handeha na hiteny. - t.i.f.: Ahoalahoala, tafahoalahoala 1 mihoalahoala, fihoalahoala 1 ihoalahoalana, fihoalahoalana. Ahitsio
Hoatra: Jer. Ohatra, izay tokony hanoratana an'io teny io. i t.i.f.: Hoatrinona, izay tokony ho hoe: Ohatrinona. Ahitsio
hoavy:Mbola tsy tonga. Fotoana aorian'ny ankehitriny Ahitsio
Hobaka: Jer. Kobaka. Ahitsio